« | »

Efa 10 mahery tsisy FB... nefa tsy maninona

2009-12-16 @ 15:11 in Serasera.org

Folo andro mahery aho izay no nanao veloma ny FB (FB sisa no iantsoako an'io loll). Nisy ihany ny namako gaga sy nalahelo :-)... ahoana koa hono izany hoe mafana fo be izany dia avy eo tonga dia miaps'. Ny sasany tsy mino, tsy vitako hono izany. Ny sasany niahiahy, fa nisy inona hono... afera privée sa nanao fika maizina. Fa be dia be koa no tsy niraharaha sy tsy nivakl... soa ihany fa misy ireo :-)

Ho an'ireo izay manontany hoe inona marina no antony dia angamba efa azoazonareo veroka ihany. Handany andro ao amin'ny serasera indray aho manomboka izao. Koa vita eto izany ny resaka FB eto amin'ny blaogiko.

Hevitra

Izaho koa r'ise dia manao "karemy FB" aloha mandritra ny fotoana maharitraritra. Ho hita eo hoe hafiriana no haharitra tsy hiditra ao, fa dia ezaka no atao. I Hery mihitsy no ataoko filamatra.

Nampidirin'i LeRastah @ 16:26, 2009-12-16 [Valio]

ie
za koa efa miezaka fa zany hoe atao tsikelikely... sarotra le tonga dia radical be :)

Nampidirin'i simp @ 22:44, 2009-12-16 [Valio]

vonoina fontsiny izao ny compte Fb ho an'izay tsy mahavita miala @io dia vita e :) na ovàna ny adress mail dia tsy mahazo hafatra intsony. izay no ho ataoko angambany izao ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 09:24, 2009-12-17 [Valio]

Ny ahy nefa ilay FB indray no lasa tiako.

Nampidirin'i sitlo @ 03:18, 2009-12-18 [Valio]

zah efa niezaka herinandro tsy niditra mihitsy fa vitako @ 2 herinandro de avy eo 3 de avy eo 4 dia basta

Nampidirin'i maeva74 @ 07:50, 2009-12-19 [Valio]

@ manaraka no tiako ho lazaina , ao koa misy misandoka anarana izany de manompa olona @ ilay anaranao de enao avy eo no miantoka. Hitako ny anaran'i Kdaomba misy olona hafa manana azy ao.

Nampidirin'i maeva74 @ 07:52, 2009-12-19 [Valio]

FA hono ho aho ry Hery : tsy mba mety azonao atao mahazo mametraka musique de fond ve ao amin'ny blaogy e ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 08:32, 2009-12-19 [Valio]

kdaomba> Toa efa mametraka foana ianao kou :-)

Ny tsy tiako amin'ilay mametraka musique de fond dia satria ny olona ohatra mety mihaino Radiovazogasy dia vao manokatra ny blaoginao dia mifangaro ny hira.

Misy koa ireo olona any am-piasana dia sendra mba manokatra ny blaoginao dia tonga dia maneno tampoka ny hira tsy nampoizina :-) kanefa mety hoe mangalangalata mitsidika blaogy.

Dia misy koa ilay sendra mi-skype na manao zavatra hafa mampiasa feo dia henon'ilay olona any ambadika ny hira sns...

Fa ireny efa nataonao ireny ihany no tena fanaovana musique de fond

Nampidirin'i Hery @ 00:46, 2009-12-20 [Valio]

Hery < tsy ilay ataoko no tiako lazaina aminao ka. Ilay miraikitra amin'ny pejy mihitsy ilay izy fa tsy miaraka amin'ny hafatra asiana azy fontsiny ka. Ohatra hoe atao ery amin'ny sisitosy misy ireo RSS sy ny momba anao sy ny karazany. FA iny anie lecteur kely azo ajanona e, asa raha efa itanao ity blaogiko iray hoe Rasoa Malagasy (jereo lien ao @ blaogiko), toy io no tiako atao ato @ Kdaombaramita.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 06:12, 2009-12-21 [Valio]

milay zany rasefo a aleo mifantoka @ zvt iainan'ny tena fa de somary ho henjakenjana iany alou ho anareo extremiste eee hihihi

Nampidirin'i makouto @ 19:03, 2009-12-25 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry