« | »

Risika faharoa: twitter miteny gasy

2010-01-05 @ 08:48 in Izaho sy ny ahy

Anisan'ny risika goavana izay nataoko tamin'iny faramparan'ny taona lasa iny ny nanaovako veloma ny Facebook ka tsy nidirako tany intsony. Araka ny nolazaiko moa dia tsy nanenenako mihitsy iny fihetsika nataoko iny na dia tsikaritro fa betsaka aza ireo namana (lavitra sy akaiky) izay nanjary tsy hitako hifaneraserana intsony. Izay no maha fanamby azy. Nasiako hafatra rahateo any ho an'ireo izay mbola te hifandray amiko. Ny fanamby faharoa ataoko dia ny hampiasana teny Malagasy ao amin'ny Twitter.

Betsaka tokoa ny Malagasy mampiasa twitter, saingy vitsy ny teny Malagasy ao amin'ny twitter. Tsy ifanomezantsiny satria fampitàna vaovao no tena tanjona, ary matetika tiana hiparitaka n'aiza n'aiza ilay vaovao ka angamba tsy hisy mpamaky (?) raha toa atao amin'ny teny malagasy. Ary na dia vaovao ho an'ny Malagasy samy Malagasy aza dia lasa teny vahiny ihany no anoratana azy. (Indrindra ilay mamaly ireny).

Nanaitra ahy fa ny olona hafa toa ireo avy any Philippines, ohatra, dia azo atao hoe 80%-n'ny teny ampiasainy ao amin'ny twitter-ny dia ny tenim-pireneny avokoa. Marihina fa miteny Anglisy tsara ireo olona ireo. Ohatra fotsiny ireto http://twitter.com/anindyaluthfihttp://twitter.com/MelSutikno, ary azo jerena ireo namany fa dia tahaka izany avokoa. Ny teniny anefa dia mitovy amin'ny teny Malagasy koa, izany hoe ry zareo ihany no mampiasa azy.

Azo atao dia azo atao tsara izany ny mampiasa teny malagasy betsaka kokoa noho ny teny frantsay na anglisy ao amin'ny twitter. Koa na dia tsy vitako irery aza ny hanitsy ny mizàna dia hampiasa teny Malagasy 99% aho ao amin'ny twitter manomboka izao. Ireo namana hafa kosa dia inoako fa afaka mampiasa teny Malagasy hatramin'ny 50%. 

Mazava ho azy fa hisy fiantraikany ny fampiasana teny malagasy. Mety hihena ireo mpanaraka (Followers) ny zavatra soratanao. Mety hodinganin'ny olona ny vaovao lazainao. Hihena ny mpamaky. Hotsoahin'ny olona any amin'ny RSS isankarazany any satria tsy miteny anglisy intsony... izay indrindra no ilazàko hoe risika faharoa indray ity.

Mazotoa. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry