« | »

Ny soratra mitoetra...

2010-01-18 @ 15:02 in Izaho sy ny ahy

Tsy tadidiko intsony ny tena sora-tanako... kanefa hoe ny soratra mitoetra. Zatra mitapy loatra (manoratra amin'ny milina no atao hoe mitapy)... ka tsy zatra manoratra intsony. Kivy be mihitsy aho mieritreritra hoe ahoana marina no tena endriky ny soratro ...

 

Hevitra

hery

Eo daholo ze te hanao pratika-na graphologie loll

Lany andro eo

Nampidirin'i hery @ 15:11, 2010-01-18 [Valio]

tsy niova ka!

tena tsy niova mintsy aloha le soratanana na de efa ela aza tsy nanoratra raha izao fahitako azy izao! ny soratra marina mitoetra! fa tokony nasiana lavo-tondro ihany refa tsy nasiana le sonia rango-pohy ireny! hihihi

Nampidirin'i dadasy @ 04:20, 2010-01-19 [Valio]

Mahafinaritra!

Tsara kosa ity hevitra ity izany! Izaho koa tsy mahatadidy intsony hoe hoatran'ny ahoana ny tena sora-tanako ahaha. Fa ny sora-tanana'i Hery aloha tena mbola tsara noho ny ahy e. Fa tiako ilay hoe mba manoratra amin'ny tanana ao amin'i Blaogy. Ohatran'ny ahatsiarovako an'ireny ankizy manoratra "secrets" tany am-pianarana taloha ireny ahaha!

Nampidirin'i Mirana @ 21:21, 2010-01-19 [Valio]

Saika hadinoko

Izaho koa mba nianatra mafy an'ireny sora-tanana miririna be ireny! Ohatran'i bandy foana mantsy no tena manoratra hoatran'ireny fa eee tsy tafa ilay izy! Fehezan-teny iray fotsiny dia nivadika boribory kely indray ilay soratra ahaha.

Nampidirin'i Mirana @ 21:25, 2010-01-19 [Valio]

misaotra fa finaritra ny maso, tena isan ireo nazoto nanao exercice tamin ny cahier akanga ianao raha azoko tsara!!!!

Nampidirin'i ravaka @ 01:28, 2010-01-20 [Valio]

Tsara soratra ra-hery izany an!Mahafinaritra

Nampidirin'i maeva74 @ 18:04, 2010-01-21 [Valio]

FA ilay hoe mbetika lehibe na kely anie ry Hery ka izao hono e : rehefa bebe vola ianao dia ngeza rehefa manoratra, rehefa mihena izany dia mihakely koa ilay sora-tànana, ha ha ha ! asa fa toa ohatry ny mifanojo io ny ahy, koa aza gaga raha miova² ny habeny !!!

Tsy lainga² fa ianao ary mbola mahitsy tsara ny soratra fa ny ahy tena sady misy elanelany lehibe entre ny 2 lignes no sady miakatra ilay soratra, no votsa be ny tànana tsy maharaka soratra aingana intsony hany ka manginy fontsiny ny fanafohizan-teny vonjy maika, na maka tononkira ary moa dia "mitapy" no atao koa !

Fa efa izao hono dia aleo atao amin'izao e, ny sonia sisa no iangaliana.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 11:50, 2010-01-23 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry