« | »

Modia fanina eo ihany

2010-03-25 @ 08:10 in Politika

Salama indray,

Averimberin'ny HAT foana fa mandeha tsara daholo ny zvatra rehetra ao Madagasikara ao. Na ny fitantanan-draharahan'ny ministera isankarazany, na ny resaka sosialy, na ny resaka fandriam-pahalemana, ny fampianarana sns. Toa hoe manaiky izay lazainy daholo ny "vahoaka" ka hiditra amin'ny fitantanana samy irery ny fifidianana izy ireo.

Odiany fanina ny ultimatum-n'ny mpianatra eny ankatso. Odiany fanina ny grevin'ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy. Odiany fanina ny fitotongan'ny Ariary mihoatra amin'ny Euro sy ny Dollar. Odiany fanina ny fitaintainan'ny olona amin'ny vono olona sy fandrobàna miaraka amin'ny basim-panjakana. Odiany fanina ireo nafana fo TGV teo aloha manomboka tonga saina saingy tsy afa-miteny intsony. Odiany fanina ny fikorontanana anatiny ao amin'ny tafika.

Dia hoy aho hoe odio fanina ao ihany. Marivo fitadidy angamba ka tsy mahatsiaro intsony fa io mody fanina io no anisan'ny nampiongana an-dRavalo. Variana misahana loatra ny fampandrosoana ankapobeny (làlana, varotra, fifandraisana amin'ny firenen-kafa) ka tsy nahita fa tsy araky ny sasany intsony ny rythme.

Ka tohizo ihany ny mody fanina fa dia hanenina eo.

Hery
"Tsiky dia ampy"


Hevitra

zany eo ihany fa... za rery ve no mahatsapa fa tena lasa mi-speak french be i dada?
gaga be ah nihaino an'le interview tao @ rfi kle

sao dia mba manao cours de francais aza lery... tena revolution be ^:^

way to go dada :-)

Nampidirin'i simp @ 17:08, 2010-03-25 [Valio]

zut
tokony nataoko post hafa iny kle HS be loooolll

diavolan-kolava be ity eee
na hanao one man show aza ny HAT, 5 na 6 taona ra be indrindra ny pronostika ra hahavita ary zany...

tsy misy afatsy ny fiaraha-miasa ihany ny vahaolana fa ra tsy zany dia jamais 2 sans 3 doly ze mi-style mande rery eo na tgv io na ra8 na deba na zafy :-)

Nampidirin'i simp @ 17:11, 2010-03-25 [Valio]

mampitaha

Ny sasany mody fanina , fa ny olon-tsotra dia efa tena fanina mihitsy ....miandry ny fotoana hidabohana amin'ny tany sisa!

Nampidirin'i mg'cool @ 22:39, 2010-03-31 [Valio]

Hery a, tsy maintsy mody fanina kosa anie e, @ fomba ahoana kosa moa no hibaboana @ vahoaka hoe tsy any intsony ilay zavatra e, hoe iza no fositra e,
zany eo ihany fa zah aloha efa tena fanina e,

Nampidirin'i mmmhh @ 13:55, 2010-04-02 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry