« | »

Zoma Masina Subiaco

2010-04-03 @ 05:49 in Izaho sy ny ahy

Rehefa mipetraka aty lavidavitry ny tanandehibe aty vao mahita hoe mbola mivavaka ihany ny Italiana. Ny fiangonana aty isaky ny alahady misy lamesa impiry, ary amin'izany feno hatrany. Fa ny tena nanaitra ahy dia ny Zoma Masina omaly. Ohatry ny hoe Katolika daholo ny olona manerana ny tanàna. Vao andro vitsivitsy mialoha aloha dia efa ny fetin'ny Paka foana no resaka. Ary tsy mba toy ny firesaky ny tsy mpino fa resaka mikasika ny fomba hankalazana amim-pinoana ny Paka. Na any amin'ny bar aza (toerana fisotroana kafé ny bar aty fa tsy dia fisotroan-toaka loatra) dia mbola ny pitsopitsony amin'ny fanorohana ny Lakroa Masina, ny processions, ny veillée de prières no heno. 

Ny processions, lalan'ny Hazofijaliana, nandritra ny zoma masina indrindra ary no tena nahitana fa Subiaco iray vohitra no nivavaka. Nangina ny trano rehetra izay nandalovana fa efa any amin'ny processions daholo ny olona. Angamba ireo tsy afaka nandeha vitsivitsy ihany sisa no niambin-trano. Ny processions indray dia naharitra efa ho adin'ny iray no nandalo teo amin'ny toerana iray, izany hoe farafahakeliny 1 km ny halavany, manemitra ny ara-be koa, ho an'ireo izay tsy afaka manaraka ny filaharana dia feno olona, mihira sy mivavaka. Ny làlana eto Subiaco moa dia efa misy Lakroa 14 tsy miala mihitsy na dia isaky ny Zoma masina ihany aza no tena ilàna azy. Ka isak'ireny fijanonana ireny dia efa misy vondron'olona maromaro miandry manamafy ny hira sy ny vavaka.

Tany Madagasikara aho no nahita alim-bavaka toa izany farany.

 Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo Subiaco Venerdi Santo 

Hevitra

Any aza mba mivavaka ry Hery, Lol

Nampidirin'i Valeria @ 07:19, 2010-04-03 [Valio]

asa re ry Hery, tena mivavaka vokatry ny fony tokoa, sa sao dia mba :
1- fomba iray koa fanehoana firaisankina
2- passe-temps ihany koa ?

Tsy manaivaiva ny finoan'ny tsirairay aho akory sanatria fa zavatra efa hitako fony izaho nipetraka roa taona sy tapany tany @ sisiny koa io fony aho vao nanambady. Haolo anie aho izany fa avy niala ville sy ny gidragidrany ianao toudé tanàna dodo zazà beuh. Isaky ny alahady dia izao no voamariko : mamonjy lamesa daholo ny fianakams, dia avy eo mandalo kely eny @ patisserie hividy gateau dia indreny fa lasa na any @ bebe sy dadabe, na ry dadabe sy bebe mamangy zafiakely - lollll.
Ary raha ohatra indray ka misy hetsika ao @ tanàna dia any daholo ny rehetra : na ririnina na fahavaratra, na fetim-piangonana na fety "foraine", na rindrakira na antsampanahy...
Ary raha sendra indray misy magazay be vao misokatra dia any daholo no fandanian'andron'ny iray tanana.

Nampidirin'i ikalamako @ 13:10, 2010-04-03 [Valio]

tsara loatra

Inona moa no olana raha atao passse temps aza ny mivavaka? moa ve tsy mahafinaritra ny mahita sy maheno an'izany raha mitaha @ hoe any @ bar (ilay tsy mitovy @ ny any Sobiaco fa ilay any Dago mintsy!!) no fialamboly? atao tafiditra ao anatin'ny programa, toy ny hoe rehefa weekend za manasa lamba, manadio trano, manao shopping, mitsangatsangana miaraka @ fianakaviana, ny mivavaka sy mamonjy lamesa. Ny tena mampalahelo de feno an'ireo occupation maro ireo ny fiainan-draolombelona ka hadinony ny mivavaka, na tsy tafiditra ao anatin'ny fahasahiranany izany, fa de hoe tsy manam-potoana intsony hivavahana. De lazao ihany fa tsy manam-potoana foana, fa tsy homen'Andriamanitra fotoana intsony ianao. Mapite-hidera ny finoan'ny olona any Sobiaco! hahita mivantana izany tanana izany, sy hiaina izany finoana izany ny tenanay atsy ho atsy! hehehe!

Nampidirin'i dadasy @ 17:36, 2010-04-03 [Valio]

Dadasy a, ka eo ilay tiako ho fantatra hoe raha lasa passe-temps ve ilay izy dia tena finoana ve sa automatisme fotsiny ? satria automatisme ny miantsena, miasa, mianatra, miala voly. Misy ny tsy convaincu miantsena fa tsy miantsy atao anefa fa inona no hohanina ? misy tsy convaincu mianatra kanefa hirenireny fts ve hono dia mandeha mianatra ihany ? misy tsy convaincu miala voly kanefa zany hono no fanaon'ny olona dia mba atao e. Kanefa raha vao lazaina hoe automatisme ny mivavaka dia toa tsy mety hono 0_0
Amiko tsy nandalina ny teolojia dia toa mandeha ho azy tokoa io saingy azon'ireo havanana amin'izany ekena ve izany automatisme izany ? Toa toriana ombieny ombieny ny hoe aza atao par automatisme ny mivavaka, kanefa raha izao tsikarotro izao sy ny teninao dìa tsy maninona ihany zany, fa ny zavadehibe dia mivavaka na par automatisme na par conviction ;)
Eritreritro noho izaho tsy nandalina ny teolojia izay an...

Nampidirin'i ikalamako @ 14:08, 2010-04-04 [Valio]

Tratry ny Paska

Voalohany aloha dia miarahaba an'i Hery tratry ny Paska !
Tsy mahagaga kosa anie raha mivavaka be ry zareo italiana ary katolika koa satria tsy any ve moa no fihavian'ny hoe katolika romana ? Tsy efa lasa zary fomban-drazana aza ve ny azy ny Paska ?
Mazotoa hatrany e !

Nampidirin'i Nannie @ 11:06, 2010-04-06 [Valio]

vaovaon-drabenoa

Malaza tokoa ny vatican amin'izao fotoana izao....mahagaga fa toa mipoitra daholo ny fahotana sy ny zava-maloto rehetra nafenina hatramin'izay.

sao dia mba ny finoana katolika mihitsy aza no mihozongozona?

Nampidirin'i malagasycool @ 22:09, 2010-04-06 [Valio]

malagasycool> Aza matahotra fa mafy orina io ka. Tadidiko ilay nolazain'i Gamaliela hoe raha toa ka tsy avy amin'Andriamanitra io dia ho faty ho azy. Raha toa ka tena miala amin'Andriamanitra tokoa ny Katolika dia tsy mila ahozongozona akory dia hianjera.

Nampidirin'i Hery @ 03:03, 2010-04-07 [Valio]

reply this topic

Your release just about this post is perfect and a lot of scholars can take it for their dissertation reference. And some of scholars permanently use the aid of the thesis writing service.

Nampidirin'i thesis writing service @ 22:36, 2010-04-12 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry