« | »

Mandeha ihany ilay fotoana kle

2010-05-18 @ 07:00 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny voalohan'ny volana avrily aho no nieritreritra hamoaka ilay module vaovao ao amin'ny namana. Resaka group le izy. [ Hozy indray zao nareo hoe mitovitovy amin'ny FB izany. Ka ny FB aza nanao mitovitovy amin'ny serasera koa :-) fa tsy any ny olana ] Hatramin'izao tsy mety vita kanefa kay efa misasaka mahery ny volana may. Ka ezahina hovitaina amin'ity faran'ny volana ity dia avoaka amin'ny jiona raha mety. Mandeha be ihany ny fotoana an.

Ka i Aina aza moa efa mandeha be... efa miakatra tohatra i leiry raha vao tsy hitahita. Efa mihoatra ny vala e. Tenenina foana fa e e e. Nasiana (nividianana mihitsy) an'irony karipetra matevina irony ny trano, fa aleony indray mandeha manara-tsisiny eny amin'ilay tsy misy karipetra (tapis no dikan'ny karipetra). Mahafinaritra ny mahita azy rehefa mianjera sy mitsangana malaky. Raha toa izany daholo moa ny fiainana. Tsy menatra mihitsy izy na mitaredretra eo rehefa mianjera fa tonga dia miezaka mitsangana malaky dia mamindra indray na dia fantany aza fa mbola hianjera rehefa kelikely. Rehefa lehibe mantsy no potraka toa malaina hitraka... mora kivy hoe tsy hahatratra ilay toerana haleha.

Mandeha be ny fotoana fa 6 taona omaly izay mbola toy ny vao omaly :-) Tadidiko na ny akanjo na ny ora na ny volon-danitra... ary ilay andry vato moa fahafiry?

 

Hevitra

ka efa ozy ny ntaolo hoe fikasana ny an'olombelona fa A/tra no manapaka ee

Nampidirin'i simp @ 12:11, 2010-05-18 [Valio]

e!! tsara kosa izany fikasana izany koa!! Ny klonazy tratra indray ao @ facebook hihih mety hiverina haminjy ny vala @ zay ny kilonga hihih!! Mankasitraka hatrany

Nampidirin'i Maeva74 @ 16:47, 2010-05-18 [Valio]

mahavità beh @ atao e! izahay mpanotrona fotsiny ihany!

Nampidirin'i sipagasy @ 17:15, 2010-05-18 [Valio]

Vitao mihitsy dia @ izay ilay Fb no maka tahaka e :))Mety ho tafaverina ihany ny kil angambany !

Efa lehibe marina i Aina izany ka ! Asio zandriny indray e, sa ahoana ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 08:18, 2010-05-19 [Valio]

Soa ihany fa eto amin' ny "blaogy.com" -ntsika dia tsy mba afaka anaovana an'ireny klônazy-klônazy ao amin' ny FetsyBoky ireny.
Isaorana ny tompon'andraikitra mihitsy iny lafiny iny.

Nampidirin'i raprôsy @ 06:28, 2010-05-20 [Valio]

Ngaha moa ny kils niala ,taoko teto foana na nanao trano roa aza !Mbola hafa ny trano ipetrahana sy trano indramina !Mba miandry koa hany aho e! hihi...Mahereza fa tsy mora ny manao zavatra ,eny ny fotoana koa henjikenjika lava ...Kely sisa dia hierina ny fety serasera raha hitarina !:-D

Nampidirin'i fahamarinana @ 16:37, 2010-05-21 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry