« | »

Manaova fety sambatra

2010-06-26 @ 06:24 in Politika

Dia miarahaba ny Malagasy nahatratra izao faha 50 taonan'ny nanomezana an-taratasy ny fahaleovan-tena izao.

Azo atao tsara ny manao fety na dia tsy  hiaraka sy tsy hanatrika ny fetin'ny HAT aza. Ahoana tokoa moa no hiaraka hanao fety raha tsy olona efa mihavana sy mifankatia? Hanao fety ianao kanefa gadrainy ny havanao, hidiny ny radio fihainonao, samboriny ny namanao... ianao anefa antsoiny hanao fety miaraka aminy.

Miantsoantso fihavanana izy kanefa izy aza tsy manao dingana iray amin'izany akory.

Mety mahavita fety goavana sy makotroka izy. Tsy mampaninona izany satria azy ny vola sy ny bois de roses. Fa ianao kosa raha tsy mankasitraka izay ataony dia aza manaiky ny mena miraviravy. Robarobain'ny mpanana. Aleo ravim-bomanga tsy arahin-dromoromo toa izay sakafo be arahin-datsa.

Tandremo sao ataony fitaovana ianao. Notambatambazany an'izao rehetra izao hanatrika ny fety karakarainy, dia avy eo lazainy eran-tany fa nanaiky sy nakatò azy. Faly ery izy hampiseho sary hoe an'aliny no nanatrika izany... ary anisany ianao.

Koa manaova fety sambatra ary, mba ho tena sambatra tokoa anefa fa tsy arahin'ny feon'ny fieritreretana.

Hevitra

Tsy fety sambatra no iantsoana azy satria mafy loatra ny rivotra iainan'ny havana any Gasikara, araka ny voatanisanao ! Nahatsiaro am-po fontsiny ny tanindrazana dia izany ! TSy nalaza toy ny isan-taona ny fety !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 16:01, 2010-06-28 [Valio]

Hevitra

Miarahaba anaoa Rahery! ary misaotra anao naneho hevitra teto, satria inona mantsy no ilana ity site ity raha tsy hanehoana hevitra tahaka izany, nefa kosa tsy tokony harary fo raha ohatra ka manaratsy ny antokon'izatsy na izaroa, na izany aza anefa tsy tokony hanaratsy be fahantany fa tokony mba mieritraritra aloha, satria ny zavatra thaka itony mantsy no avadikin'ny sasany ho resabe refa avy eo, raha ampitahaina aloha ny fitondrana FAT sy ny fitondrana R8 dia mifanipaka be kosa, nefa misy koa ny itoviazana, ohatra amin'izany, t@ fintondrana R8 dia tsy nahazo niteny mihintsy ny olona, ary dia tena notampenambava tokoa, matoa izay no nampisy disadisa voalohany teto @ firenena, Nakatona ny Radio VIVA, nefa mila fiovana isika izao dia aleo mba hitondra indray ny FAT io anie misy fetrany ary mbola tsy azo atao hoe fitondram-panjakana, satria misy fetrany. Ny filoha manaraka eo no tokony hotsikeraina a tsy ny fitondrana FAT minhintsy, Izy ary mba efa nitondra fanovana ho an'ny Tanindrazana ok fa dia amin'ny manaraka indray eh

Nampidirin'i Walte @ 06:05, 2010-07-02 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry