« | »

Tahotry ny zazakely

2010-08-25 @ 12:58 in Izaho sy ny ahy

Nisy fotoana elaela izahay tsy nandefa tele satria tsy tongan'ny satellite eny aminay fa ao ambadiky ny tendrombohitra. Nahafinaritra ery ny fiainana tsy nisy télé zany :-)

Taty aoriana rehefa nahazo digital terrestre dia nanjary nisy télé indray tao an-trano. Tia télé loatra be mantsy i Aina.

Tsapako nefa fa misy zavatra mampatahotra azy amin'ny zavatra sasany mandeha eo amin'ny télé. Tsy voatery film satria raha vao misy film dia efa voasivana be mihitsy vao alefa, fa na dia dokam-barotra aza. Miezaka mijery izy fa hita hoe sady matahotra. Dia indraindray aza somary miala lavitra, ambadiky ny canapé ohatra.

Ity pub iray ity izao anisan'ny mampatahotra azy. Vao manomboka ilay pub (mbola tsisy mikotaba na inona na inona akory) dia efa lasa izy miafina alavitra. Angamba vokatry ny nahitany azy tamin'ny voalohany dia fantany ny tohiny.

Hevitra

Tena normal kosa raha lasa matahotra ny zazakely rehefa mahita an'io e. Jereo ilay boay kely, vao miakatra tohatra dia efa ohatry ny maizimaizina mangingina izany ilay izy; dia avy eo rehefa tafiditra anaty salon dia misy bokon'ozatra mipoitra tampoka sady mihiakiaka avy any ambadika any, dia avy eo milako...sns...Hany ka vao mahita an'ilay fiandohany fotsiny izy avy eo, dia tonga dia milefa :-)

Nampidirin'i LhlTsrLerastah @ 14:22, 2010-08-25 [Valio]

Ts'izaho tsy izy !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:58, 2010-08-25 [Valio]

ka bandy manao saron-tava no sady tsoraka !!! be kosa ve kle :-)

efa no tenenina anazy nga fa tsy misy akoriny i pere noel??
^:^

Nampidirin'i simp @ 21:14, 2010-08-25 [Valio]

norma kosa kléé - zah aza toa nitsamboatra (mbola tsy fahitako io aloha e, zah koa tsy dia tia télé loatra - hihihi)

Nampidirin'i ikalamako @ 21:26, 2010-08-25 [Valio]

miampy le olona hafahafa mivoaka anaty frigo, dray dray dray ! Tandremo sao miditra anaty frigo i Aina rehefa lehibebe :(

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 06:13, 2010-08-26 [Valio]

mety ho antony

Ny tsy ampoizina dia manaitra sy mampatahotra .Fa ny tadidy no mbola mahatonga azy hatahotra raha vao mandeha fotsiny ny feo sy ny sary eny ampiadohan'ilay dokambarotra.

tsy nahomby ilay dokambarotra ,vola natsipy teny ambaravarakely iny.

Nampidirin'i malagasycool @ 12:56, 2010-08-26 [Valio]

Ny zaza amin'ny taonan'i Aina dia mbola eo tsy fahalalana ny zavatra reel sy ny tsy reel. Zany hoe mbola miezaka mi-classifier izy ao an-tsainy hoe inona ity zavatra hitako, henoko ary tsapako ity. Amin'io fotoana io dia ny imagination no tena manjaka amin'ny zaza. Ary miasa mafy ny atidohany maminavina. Izay no mahatonga azy ireo amin'io taona io manonofy ratsy sady mikiakiaka na mitomany satria tsy mbola fantany ny mampiavaka ny tena misy sy ny noforonina ( toy ny hoe RaKakabe sy ny hafa maro...) rehefa taitra amin'ny nofy mahatsikaiky azy ao ohatra.

Amin'io pub io izao dia ny resaka aizina, ny mason'ilay zazalahy no hitany sy ny fiodin'ny sary miadana no manome azy vinavina hoe misy zavatra hafahafa eto.... dia manomboka ny tahotra izay isan'ny mahaolombelona antsika satria tsy fantantsika ny manaraka.

Arakaraky ny hojeren'ny zaza iray tele no mampitombo ny imagination ary tafiditra amin'izany koa ny fisian'ny tahony.

Fa rehefa tonga eo amin'ny 3 taona sy tapany eo izy dia manomboka fantany hoe ireto ny fipetraky ny fiainana sy ny zavamisy ary ireto no eritreritra ihany rehefa tenenina hoe " tsy tena izy ity fa kisarisary fotsiny na kilalao na noforonina."

Nampidirin'i soanja @ 01:12, 2010-08-29 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry