« | »

Video: Injany fa miantso ahy

2010-09-08 @ 00:11 in Izaho sy ny ahy

Tena tiako ilay hira dia nataoko na dia tsy ampy fitaovana sy ratsy feo aza. Nandany fotoana ihany ny nanao azy fa vao fanandramana voalohany.

Hira nalaina tao amin'ny Fihirana Hasina P. 595
Ny video dia nalaina tamin'ny fakan-tsary finepix s1000 (Fujifilm), tsotra kokoa
Ny mozika dia notendrena manontolo tamin'ny Behringer UMA25S. Ilay Yamaha PSR E323 nanarahana ny playback fotsiny.
Ny feo dia narindra tamin'ny Cubase 5 (Nampiasa Halione1 sy Groove tamin'ny drums)
Ny sary dia narindra tamin'ny KDEnlive 0.7.7.1 (tao anaty Linux ubuntu studio).

Ny micro izany no hitako tsy mamely... rehefa mba ratsy ny feo tokony azo amboamboarina amin'ny micro tsss.

 

 

Hevitra

hery

Ny feo izaho daholo ihany :-p

Nampidirin'i hery @ 00:18, 2010-09-08 [Valio]

Dia raha mba Malagasy ihany no nanao an'ilay clip dia tokony asiana hoe "Remerciements : Dieu Tout Puissant, Tous ceux qui ont contribué à la réalisation de ce clip". Dia ampiana contact téléphonique kounkou.

Nampidirin'i DotMG @ 05:26, 2010-09-08 [Valio]

Tsara dia tsara ilay horonan-tsary ry Hery a. Sady tena nafonja mihitsy ny teknôlôjia nampiasaina: Finepix S1000, Behringer UMA25S, Yamaha PSR E323, Cubase 5, Halione1, Groove, KDEnlive 0.7.7.1, Ubuntu Studio...

Nampidirin'i LehilahyTsyResy @ 05:33, 2010-09-08 [Valio]

Ireo voalazako ambony ireo sisa no pattern tsy hita amin'ny maha clip gasy an'ilay izy. Hitanao ilay mipoitra avy any ianao rehefa manao an'lé basse kely "Tsofy rano tsara re" dia izay foana foana. :D

Tsara fa tohizo saingy aza atao be loatra fa hay izao no manakana anao tsy hi-blaogy sy hijery mail sy hanao serasera?

Nampidirin'i DotMG @ 05:44, 2010-09-08 [Valio]

Tsy ratsy kosa klé !!! Bravo koa @ ilay clip :)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 05:46, 2010-09-08 [Valio]

Misaotra e...

DotMG> Ny andry zalahy ireny kosa mba efa pro e. Normal raha misy remerciements bedabe.

Nampidirin'i hery @ 07:10, 2010-09-08 [Valio]

Torohevitra

Mikasika an'ilay resaka feo nolazain'i Hery io, dia tsy voatery ho ny micro akory no amboarina, fa azonao atao tsara ny mampiakatra ny "gain" (volume) amin' ny Cubase 5. Azonao atao koa hoe ampiasa effets toy ny "chorus" sy "delay", dia lasa ohatry ny olona maromaro (toy ny chorale) ny feo anakiray.

Nampidirin'i LehilahyTsyResy @ 12:34, 2010-09-08 [Valio]

LehilahyTsyResy > Misaotra betsaka e... hay nareo mikirakira an'le izy koa an. Zah vao tsy ampy herinandro zay no nikitika Cubase fa tena tiako ilay izy.

Nampidirin'i hery @ 12:42, 2010-09-08 [Valio]

Rahoviana isika no hiara-hihira Hery ? hihi!
Manja e, tiako ilay video ! :-)

Nampidirin'i fahamarinana @ 13:42, 2010-09-08 [Valio]

Fahamarinana> Alefaso ny feo dia ampidiriko ao e :-)

Nampidirin'i Hery @ 13:44, 2010-09-08 [Valio]

velon-kira mihitsy aho nahita ilay izy! Nahatsiro ny tany an-tsekoly, izay fona ny hira hiraiko rehefa anjarako ny mitarika fivavahana!Mankasitraka fa tena tsara

Nampidirin'i maeva74 @ 17:28, 2010-09-08 [Valio]

tena mba tiako koa io hira io letsy ry Hery fa misaotra annn

Nampidirin'i sipagasy @ 06:22, 2010-09-10 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry