« | »

Video: Mahaiza misaotra [UPDATED]

2010-09-19 @ 22:25 in Mozika

[Ratsy be ny feo dia namboarina]

Toa ny mametraka video indray no vitako matetika kokoa noho ny manoratra lahatsoratra ho an'ny blaogy... tsy rariny. Niezaka aho mantsy hanao hira iray isan-kerinandro dia toa vita ihany aloha hatramin'izao.

Raha liana dia misorata anarana ao amin'ny canal-ko ao amin'ny youtube http://www.youtube.com/heriniaina

Ity ary hira anakiray izay ahatsiarovako an'ilay boay kely mpitendry tao am-piangonana izay. Efa tsy boay kely intsony izy aloha amin'izao fa tena nampihaiky ahy ny fitendriny. Taminy no nahenoako an'io intro io fa ny improv teny antenantenany indray feeling sendra niakatra.

Mahaiza misaotra sy mankasitraka http://katolika.org

Fitaovana niasa:
Behringer UMA25S
PSR E323
Cubase 5
kdenlive 0.7.7.1
Ubuntu Studio
Fujifilm Finepix s1000

Hevitra

Misaotra
Misaotra

Misaotra anareo izahay

Eny fa telina sy sitraka tokoa ny nataonareo taminay

Nampidirin'i jentilisa @ 19:52, 2010-09-19 [Valio]

Mampiasa soundcard tsy tena configuré tsara aho ka ohatra ny saturé izany no fahenoako azy ato. Asa na tena izany no heno. Any ampiasana rahampitso aho vao tena afaka mi-verifier.

Nampidirin'i Hery @ 20:47, 2010-09-19 [Valio]

inona no misakana anao tsy hanoratra lahatsoratra amin'ny blaogy ?

Nampidirin'i ikalamako @ 13:20, 2010-09-20 [Valio]

ikalamako> be asa e :-)

Nampidirin'i hery @ 13:24, 2010-09-20 [Valio]

Ny feon-javamaneno kosa aloha dia mety tsara daholo e.

Nampidirin'i LehilahyTsyResy @ 15:14, 2010-09-20 [Valio]

Tiako be ilay izy.

Nampidirin'i LehilahyTsyResy @ 15:15, 2010-09-20 [Valio]

Hihihi ny asa tsy manakana ny fanaovana vidaka e ?

Nampidirin'i ikalamako @ 19:33, 2010-09-20 [Valio]

ikalamako> Ka ny video tafiditra ao anatin'ny asa kou :-)

Nampidirin'i hery @ 20:47, 2010-09-20 [Valio]

misaotra @ vidéo fa sady mahita ny mpihira no mahare ny feony e!

Nampidirin'i nie @ 13:46, 2010-09-26 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry