« | »

Video: O ry Jesoa...

2010-10-11 @ 00:36 in Mozika

Taratara androany vao nivoaka ny video satria mbola nandehandeha nandritra ny weekend. Variana any Tivoli any tokoa amin'izao.

Ny hira amin'ity weekend ity dia tsy misy mozika. Hira anakiray mahafinaritra ahy izay mamehy ny fitsipi-piainana evanjelika telo dia ny fahantrana, fahadiovana ary ny fanekena. Io dia tsy voady telo natao ho an'ny relijiozy katolika irery fa natao ho an'ny olona rehetra. Miaina ny fahantrana arak'ilay hoe "Sambatra izay mahantra am-panahy", miaina ny fahadiovana araka ilay hoe "Sambatra izay madio fo", ary miaina ny fanekena arak'ilay hoe "Tsy hotompoina fa hanompo".

 

Dia ankafizo.

 

Hevitra

Merci amin'ilay tononkira miseho eo amin'ny écran ! Izao izy no tena mahaliana ny mpijery satria sady mampiasa maso (mamaky tononkira), mampiasa sofina (mihaino ny feon'i Hery) ary mampiasa vava (manaraka mihira toy ny karaoké).

Nampidirin'i ikotokoely @ 13:57, 2010-10-11 [Valio]

Mankasitraka e!
Fa ohatran'ny tsy ampy feo voalohany izany ve no fahenoko azy, sa ny sofiko no ...?

Nampidirin'i Belle @ 17:00, 2010-10-11 [Valio]

niiiice!

Nampidirin'i simp @ 17:12, 2010-10-11 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry