« | »

Hiverina ni-facebook aho (tsy aferanao)

2010-10-12 @ 06:29 in Izaho sy ny ahy

Tamin'ny volana desambra 2009 aho no tena ni-facebook farany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy taorian'io dia nandalo ni-desactiver ny emails sns fotsiny. Ary nanomboka tamin'ny Janvier 2010 tany dia tsy niditra facebook tanteraka intsony. Nazava tsara moa ny tanjona tamin'ireny dia ilay hoe handany andro hanao ny serasera.org tanteraka ary azo lazaina hoe tratra araka izay niheverana azy tamin'iny été iny. Tsy dia misy tena antony manokana hiverenako facebook amin'izao fotoana izao fa mahafinaritra fotsiny ilay hoe hiditra facebook indray. Fantatro rahateo fa tsy hisy hivaky loha na miditra aho na tsia lolll.

Inona izany ny tanjona?

- Mila manana "amis" mihoatra ny 5000 aho alohan'ny Paka 2011. Ampidiro amis-ko daholo ze bodo sy adala hitanareo rehetra fa tonga dia accepter-ko.
- Hasehoko an'i anona sy anona hoe tsy misakana hiserasera ny mampiasa facebook à fond lolll (Aza tezitra wa toi fa 100% io)
- Hasehoko an'i anona sy i anona ary i anona fa na dia namako ao amin'ny facebook aza izy dia tsy namako tena izy :-) (Sao de hoe bizou bizou eo fa rehefa gline de gline)
- Hitady kil amina produits vitsivitsy no tena tanjona kanefa tsisy hoe "Ajouter un client" ao ka dia tsy maintsy mody atao "amis" daholo ny bodo sy adala (Donc ami = client)
- Hahazo kil ve aho? Vitsy ny hamaky ity lahatsoratry ny blaogiko ity ka ny ankamaroany dia hieritreritra hoe tena akama daholo :-) (Zay le hoe tsy aferanao eo am titre)
- Ho an'ny namana tena namana :-). Aza miantehitra ny hifandray amiko ao amin'ny FB satria tsy ho hitako akory ny fifandraisana apetrakao ao. Ny email-ko sy ny tel-ko ihany ianteherana.

Zay izany fa dia hanomboka ny aventures.

Aparitaho ary ny anarako lolll Hery Serasera http://www.facebook.com/heriniaina

 

Hevitra

hmmmmmmm - ka raikitra zany ?

Nampidirin'i ikalamako @ 16:05, 2010-10-11 [Valio]

fa tsy mahazo mihoatra ny 5000 anefa ny namana ry Hery an, io no fetran'isa lollllll

Nampidirin'i ikalamako @ 16:05, 2010-10-11 [Valio]

ndao ary fa asiana suggestion daholo ny contacte hihihih

Nampidirin'i sipagasy @ 16:12, 2010-10-11 [Valio]

lol, za tsy hanano , hihi, laingako zany ! Za aza androany vao neken'ny sefo ho namana ! lol be ! :p

Nampidirin'i fahamarinana @ 16:15, 2010-10-11 [Valio]

misy kômisiao ve raha mandefa clients potentiels? amidiko ihany mantsy ny namana raha izay.

Nampidirin'i Dôty @ 09:12, 2010-10-12 [Valio]

Doty> ça vaut la peine ve kle lolll.
Raha samy hividy ihany mantsy toa misy moramora kokoa le etsy amin'ny 750 fmg tsy latsaka.

Nampidirin'i Hery @ 09:18, 2010-10-12 [Valio]

lol

misy namako izay nilaza hoe ra vao mihoatra ny 100 ny isan'ny friends izay dia misy figurant ao izay, le hoe ekena ho namana mba tsy hifandirana fa en realite mety hoe olona mpanao salut salut fotsiny dia izay...

ra mihoatra ny 500 indray ny isan'ny friends dia poinsa (most likely) hoe manana kaonty facebook hafa... kaonty serieux kokoa...
zany hoe ilay kaonty indray izany eto no atao figurant. Ny namana tena izy no kopy an'le tena kaonty tena izy hoe zavatra serieux sy meaningful no voalaza any...

dia novaliako hoe hay ve... za tsy mampiasa facebook ^:^

c'est la vie!!

Nampidirin'i simp @ 11:07, 2010-10-12 [Valio]

kdaombaramita

Lééé, vao mba hoe namana ve izahay dia atao anatin'ilay kitapo "bodo sy adala" klé !! misaotra amin'ilay anarana ratsy nomena anay e ! tsy dia azoko tsara ilay tanjona tratrarina @ilay 5000 amis !!! tsy ho anisany aho angambany satria tsy te-ho bodo na ho adala no ho fandraizanao ahy !!!! LOL

Nampidirin'i kdaombaramita @ 17:00, 2010-10-12 [Valio]

Tokony hoesorinao tsy ho namana ao @ facebook zany ny tenanay sitrany ahay mba isa 1 ho an'ny client potentiel.

Nampidirin'i Dôty @ 06:22, 2010-10-14 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry