« | »

Lasa mpanamboatra finday tsy satry

2010-10-12 @ 22:59 in Izaho sy ny ahy

Tao anatin'ny iray volana latsaka dia finday roa azo heverina hoe lafo vidy ihany no simba tampoka :-). Natontan'i Aina tamin'ny tany dia simba ny ecran. Ny iray dia I-Mate PDA2K mbola mijajika tsara, ary ny iray Nokia 95 8Gb. Sendra mipetrapetraka eny ilay izy dia alainy dia rehefa hitany hoe bloqué ka tsy hitany izay azo atao dia tonga dia atontany amin'ny tany amin-kery lehibe. Malaky kokoa ny filatsak'iny avy eny an-tanany noho ny fihazakazako avy ery ambony seza hamonjy an'ilay izy. Rehefa miparitaka vao tonga saina.

Koa satria lafolafo daholo ireo telephone ireo fa tsy tahaka ny mahazatra ahy (Any izay ilay motorola mitovy amin'ny kobandravina), dia naleo nitady ecran tao amin'ny ebay dia nosoloina. Ny ecran iray dia manodidina ny 25 Euros eo. Tonga dia miaraka amin'ny tourne-vis, fa mila mividy hafa satria karazany telo ny vis ao anatin'ny tel.

Dia lasa mpanamboatra finday tampoka indray izany tsss.

My PDA2K 6

P.S. Momba ilay facebook nolazaiko tamin'ny post teo aloha. Aza omena tsiny raha tsy voavaly na voavaky ny commentaire alefanareo fa mbola tsy mijery facebook ihany aho :-). Misy nuance ny hoe miditra facebook indray sy ny hoe mandray anjara facebook.

Hevitra

hitako no milaza hoe dôty me manque any @ twitter (izay tsy vakiako any @ twitter fa any @ Google Buzz satria aho tsy mampiasa twitter intsony), kay ny sujet principal-ko (zazakely sy finday) no mody avadibadika eo atao post aty. Tssss.

Mpangala-bato (tsy vato mantsy fa hevitra e)

Nampidirin'i DotMG @ 06:45, 2010-10-13 [Valio]

DotMG> lolll aiza zany posta zany kle? Fa normal ihany izany e. Ireo no itovizantsika... ankoatra an'i Aisha moa

Nampidirin'i Hery @ 07:17, 2010-10-13 [Valio]

Lahy kely tokoa :-)

Lalovan'ny manan-janaka lahy kely rehetra ihany izao e.
Anjaran'i papa no mianatra manao réparations isan-karazany.
Rehefa manomboka miditra an-tsekoly koa aza izy, vao maika manomboka manandrankandrana mi-démonter famantaranandro, radio, sns... Ny zavatra rehetra madinidinika ao an-trano dia simbasimba avokoa.

Nampidirin'i ikotokoely @ 17:51, 2010-10-13 [Valio]

ary le hoe miteraha mba hahita eee

Nampidirin'i simp @ 20:32, 2010-10-13 [Valio]

Ny lahy keliko ato dia ny kodiarana fiara rehetra esoriny dia avy eo tsy tafapetrany intsony, dia izay no vita !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 07:37, 2010-10-14 [Valio]

Ka ny ahy vavikely fa tsy lahikely, ary tsy manimba fa mampianatra an'i bainina dondrona. (Bon, laingako fa mahafinaritra azy ihany koa ny manipitsipy ilay finday ery amin'ny tany rehefa amin'ilay fotoana tsy ampoizimpoizina iny).

Nampidirin'i Dôty @ 13:05, 2010-10-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry