« | »

Nankaiza ny olona tsara tety?

2010-10-14 @ 22:10 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Omaly dia niseho tamin'ny gazety ary nalaza be tamin'ny vaovao hatramin'ny androany ny momba ilay vehivavy romena iray nasian'ny bandy iray totohondry teo amin'ny tavany tamin'ny zoma teo ka tonga dia latsaka en coma ary mbola miady aina amintsika miteny izao. Marina fa mety nisy ny ady am-bava teo amin'izy ireo nivoaka avy ao amin'ny metro fa maika loatra ny tanan'ilay ranamana ka izao nandratra olona izao. Miala tsiny nanoratra sy nangata-pamelàna izy rehefa avy eo hoe tsy nampoiziny ny zavatra nitranga saingy efa tara loatra hoy ny fianakaviana.

Zavatra vitsivitsy no nifangaro tao amin'ilay tantàra ka nahatonga io lohateny io. Ankoatry ny adin'izy roa, izay ilazàna foana hoe izay mikasi-tànana dia diso sy azo torìna hatrany, dia nisy zavatra hafa nitranga. Rehefa latsaka tamin'ny tany taorian'ny totohondry ravehivavy dia nijanona minitra maro teo amin'ny tany, nojeren'ny mpandalo fotsiny, vao nisy nanavotra. Raha nisy namonjy avy hatrany angamba izy mety tsy dia ho lalina loatra ny fahavoazana. Fa dia naninona loatra? Tahotra ve? Sa dia efa tsy nisy fo intsony izay nandalo? Mora tokoa aloha no mifanome tsiny fa raha toa ka teo amin'ny toeran'ireo mpandalo ny tena dia inona no ho natao? Impiry tokoa no misy olona mitsiràra eny Analakely, eny Behoririka, eny Besarety, kanefa dia dinganina fotsiny? Mety hoe mamo, matory, sns. fa raha sanatria ka mila vonjy?

Araka ny nolazain'ny lehiben'ny commune eto Roma dia hohenjehina araka ny lalàna manasazy ny "tsy famonjena olona tra-doza" ireo rehetra nandalo fotsiny tamin'iny fotoana iny.

Hevitra

Any ivelan'i Madagasikara ianao ry Hery no afaka ary tsy maintsy mamonjy, fa raha any an-tanAna dia sarotra be noho ny toe-tsaintsika tia kely sy manararaotra. Ohatra iray hitako: ianao indray no ifoteran'ilay olona novonjenao avy eo, amin'ny lafiny rehetra (toy ny hoe: lazainy fa nisy zavatra nanjavona, midika fa nangalarinao teny aminy, rehefa mahatsiaro tena izy). Vokatr'izany dia lany andro niaka-nidina nankany amin'ny fokontany sy ny polisy ilay mpamonjy rehefa tsy nanaiky izay voalaza ho vidin'io zavatra io, satria voatory. Ny rafitra any amintsika koa moa tsy manampy mihitsy fa manasarotra ny tranga...

Nampidirin'i Belle @ 01:01, 2010-10-15 [Valio]

tiffany
tiffany jewellery
Tiffany co
Tiffany and co
Tiffany sale
Tiffany Store
links of london
links of london Jewellery
links of london

Nampidirin'i asass @ 04:40, 2011-01-11 [Valio]

Hevitra

Tena Italiafrika marina, mahay mametaka anarana mitsy enao ka. Za mieritreritra hoe ny eoropeana mahay mifanavotra hay zany na any Italie aza d tsy isy mifamonjy tsony. D maizina am-pototry ny mazava zany e. Eo am-pototr'i Vatican nefa d maninon no manao an'izany?

Nampidirin'i Olona @ 22:59, 2012-03-20 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry