« | »

Nandritra ny tsy nahateo anao

2010-11-02 @ 09:13 in Eritreritra mandalo

Mbola tsy tafiditra ao anaty youtube ny video tamin'iny weekend iny fa variana nampiditra video-n'olon-kafa sendra tao anaty tahiry ka dia aleo hanoratsoratra eto aloha.

Androany maraina aho nanokatra ordi tato am-piasana... dia nisokatra avy any ilay fitaovana fampiasako fijereko ny zavatra rehetra (filazana momba ny email, twitter, serasera sns) dia hoe "While you were away..." na hoe nandritra ny tsy naha-teo anao dia ireto ny zavatra nitranga. Email xxx, twitter xxx sns.

Dia tsaroako tampoka ilay nolazain'i Simp mikasika ny zava-mitranga isa-tsegondra. Sady kivy ihany aho amin'ny lafiny iray hoe inona re ity nampidirin'i Simp tao anaty conscience-ko grrr. Hoe isa-maraina manjary tsaroako fa nandritra ny tsy naha-teto ahy dia be dia be ny zavatra nitranga. Betsaka ny zavatra tsy arako. Etsy an-daniny anefa manentana ihany ilay izy hoe aza mitaredretra ary. Mifohaza malaky dia manenjeha indray.

Ny hira hitranga eto rahariva dia "Tompo o izany hafaliako"... fa nisy zavatra nahafaly be ahy tamin'iny herinandro lasa iny. 

Hevitra

Nahafaly fa hahazo indray i Aina afaka 9 volana nanomboka tamin'iny herinandro iny ve ? TPT

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 12:56, 2010-11-02 [Valio]

kdaombaramita> loll mahita volana alohan'ny biby

Nampidirin'i Hery @ 14:22, 2010-11-02 [Valio]

za indray refa le manao hoe tsy hijery mail fa iza koa moa no hanoratra eo eee... izay vao tena misy mail tokony nojerena... grrrrrrrrrrrrrrr

tsy haiko fa ny universe matetika tena manao izay contraire an'ny ze eritreretina foana :-)

c'est la vie!!

Nampidirin'i simp @ 23:18, 2010-11-02 [Valio]

hadino kely,

velabelaro tsara alou le vaovao mahafaly fa lasa mientanetana wazy ny mpamaky tratran'ny le tena pre-announcement ^:^

tokony asiana fiarabana ve?
mamokara mamokara!!

Nampidirin'i simp @ 23:20, 2010-11-02 [Valio]

tiffany
tiffany jewellery
Tiffany co
Tiffany and co
Tiffany sale
Tiffany Store
links of london
links of london Jewellery
links of london

Nampidirin'i asass @ 04:46, 2011-01-11 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry