« | »

Hanao Noely eto Dago ihany

2010-12-20 @ 10:10 in Izaho sy ny ahy

Efa ela mihitsy izay tsy nanaovana noely teto Dago izay. Hatramin'izay mantsy dia mandritra ny vakansy lehibe ihany no tonga eto. Efa tsy dia zatra intsony mihitsy... ka ireto ny zavatra tena naitra ahy. Ny zava-mitranga moa indraindray tantaraiko ao amin'ny twitter-ko ao amin'ny http://twitter.com/hery

Tany Arivonimamo aho no nipetraka nandritra iny Herinandro iny. Tamin'ny faran'ny herinandro teo izahay dia teny Miarinarivo sy Ampefy. Tsy dia tena nisy inona loatra tany amin'ireo tanàna ireo fa mba nandalo fotsiny.

Ny famantarana fa hoe fety na manakaiky fety hono eto Iarivo dia ny fitohanan'ny fiarakodia. Raha mandeha tongotra matetika no tonga aloha. Ny antony tsy handehanana tongotra sisa dia ny hoe sao ho reraka (indrindra ho anay zokinjokiny), na sao vetivety dia lany ny kiraro (ny arabe eto Iarivo rahateo mikiky kiraro be), na sao avy ny orana (mamely koa io amin'izao), na rehefa mampiaraka (ka tsy te hojerijerendry zalahy eny an-dalana), na rehefa sady mi-telefona (raha matahotra mpisam... kanefa tandremo manamorona varavarankely fa lasa sélémém indray)... na rehefa mitondra vola be (rehefa avy nanakalo euros tetsy antaninarenina... indrindra rehefa eny amin'ny sisiny ka tsy maintsy voatery manisa :-))

Dia ny famantarana fa akaiky koa ny fety dia ny fisian'ny kilalao be dia be. Feno olona ohatra iny petite vitesse sy iny behoririka iny... sarotra mihitsy na dia mandeha an-tongotra aza. Ny kilalao hitanao eny ny ankamaroany dia vita sinoa... amin'ny karazany avy. Sarotra ny mahita kilalao ho an'ny ankizy latsaky ny 2 taona (soa ihany i Aina fa efa nitondrana kilalao mahazatra azy)

Fa hatramin'izao aloha dia tsy mbola misy loatra ny fanaingoana tanàna... afatsy ny hoe saina maitso fotsy mena teo amin'ny Hotel de Ville vao notokanana angaha. Tsy dia be koa ny hira krismasy toy ny taloha hoe mandeha mafy be eny antranon'olona eny. Efa tsy dia mahazatra ny olona intsony angamba ny manana mp3 na CD krismasy toy ny nanananay K7 krismasy taloha.

Famantarana iray koa dia miha lafo ny vorona sy ny akoho. Mahakivy mihitsy fa odiana fanina fotsiny. Aleo ny vehivavy no asaina miantsena dia tsy anontaniana hoe ohatrinona ny laniny amin'izay tsy marary fo. Moa raha tena miteny ny vidiny izy dia avadika euro malaky dia mba tsy mavesatra loatra... fa na izany aza *%$£#£ù*

Na izany na tsy izany dia milay ihany ilay manao krismasy aty Dago... 

Hevitra

Inona kay ilay hoe: "sélémém" ?

Nampidirin'i lhltsr @ 13:50, 2010-12-20 [Valio]

lhltsr: Teny frantsay io :-)
C'est le meme

Nampidirin'i Hery @ 14:18, 2010-12-20 [Valio]

hahaha nataoko dia celimène dia naveriko daholo lay tononkira hoe inona no hidirany @ cell - krkrkrkrkr

Nampidirin'i ikalamako @ 21:15, 2010-12-20 [Valio]

ilay @ 24 dec lamesa alina no tena tiako nena... misy teatra kely ny nahaterahan'i jesoa

ouh la la!!

Nampidirin'i simp @ 21:58, 2010-12-20 [Valio]

Noël Mada

Otriny tendre b ny mahamaky an'ty article ty... za nody taty a dago tam décembre 2009 dia tena samiafa be mintsy... Entin'ny couzine eny behoririka ah fa tena dans un autre monde mintsy par rapport à l'italie! Mahafinaritra le article ka, le mpangalatra telephone zao no efa nandalovako: very daohly ny an ah !!! eheheh. A part ça, nahita an'ny sarin'ny serasera tao am OASIS vontovorona ah... za zazo am ty lahady 16 janvier ity no manao fety fety kely d'anniv ao ! mlay be, piscine, jeux, karaoke! tsara daholo fa toizo, ty page ty aza efa Page Rank 3 :)

Nampidirin'i Mirindra @ 10:20, 2011-01-13 [Valio]

respond this post

Have you never been so close to academic success? Were lack of time to write your academic papers? It will be not complicated for experts just because they know well a proper way to create a masterpiece. So, you can get research paper online without doubts.

Nampidirin'i write my paper for cheap @ 22:38, 2011-03-07 [Valio]

reply

Everything in our world is available and you should just trust in your potential! Furthermore, you can contact the academic writing service in at a hard moment of term papers creating procedure.

Nampidirin'i essay writing services @ 21:39, 2011-03-18 [Valio]

Hanao Noely Eto Dago Ihany

Thanks for sharing such nice post.I appreciate

Nampidirin'i Customized Essay @ 07:54, 2011-05-17 [Valio]

reply this topic

Did you have complicated assignment from your professor? Are not able to manage with that? Just pay for essay and don’t bother.

Nampidirin'i essay writing services @ 01:08, 2011-06-25 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry