« | »

Tany Dago aho, milamina any :-)

2011-01-25 @ 08:07 in Izaho sy ny ahy, Politika

Sao mbola nisy tsy nahalala :-) Izany tokoa mantsy no fanao, rehefa ho any Dago dia tsy miteniteny fa rehefa avy any dia atao fantatry ny rehetra any amin'ny fb sy bf (vakio hoe béfé) rehetra any. Sary etsy sy eroa, ary matetika atao karazan-toerana maro mba hitenenana hoe voatetiko i Madagasikara (yes, ho avy tokoa ny sary lol). Etsy Ampefy no maka sary, atao angles maromaro dia toa ny hoe tany Nosy Be sy Sainte Marie... (azo atao tsara)Fa tsy hitantara an'izany aloha no voalohan-teny (kay efa voalohany io), fa hiteny amin'ny ankapobeny fotsiny hoe milamina ny tany.

- Milamina ny tany satria tsy misy mpanendaka intsony amin'ny alina ao amin'ny ville... efa tsy misy mivoaka alina intsony tsinona ny olona. Raha mivoaka alina kosa aloha ianao dia tsy hadisoan'ny  mpanendaka izay fa dia efa hadalànao.

- Milamina ny tany satria tsy misy misakana amin'ny alina intsony ny taxi-brousse rehefa mandeha maromaro. Raha sendra mandeha tokana kosa aloha dia tena famonoan-tena mihitsy.

- Milamina ny tany satria tsy misy sakoroka intsony, tsy  misy kilahadahatra izany intsony na any amin'ny "place de la démocratie" eny Ambohijatovo na eny amin'ny "place de l'amitié" (ex place 13 mai) eny Analakely. Izay milahatra tsinona dia mety ho tonga dia any am-ponja dia aleo mipirina. 

- Milamina ny tany ary madio be ny eny an'arabe rehetra eny, tsy misy mpivarotra amoron-dalana intsony amin'ny andro fiasan'ny "polices du marché" satria tena bokona be ry zalahy ary tena midaroka mihitsy. Teo akaikin'ny ambassade de France teo, sendra nandalo izahay, no nenjehindry zalahy ireny mpivarotra amoron-dalana, ilay mitrotro ny entana amidiny ireny. Efa nitsoaka fa tena nihazakazaka sy nitsoraka mihitsy ilay bandy polisy bokona nisambotra ilay bandy mpivarotra iray dia niakarapoka tao ambadiky ny fiara nentiko tao sady very tao ambany fiara ny entana sasany. Ny ambin'entana sy ny latabatra moa lasan'ilay polisy. Mirehareha mihitsy izy amin'izany, tahaka ireny nahazo valala ireny. Tsy misy contravention tsy misy lamandy, tsy misy taratasy apetraka hoe nalainay ny entanao fa alaivo atsy sns. Izay lasany any dia very. Teo Ambodifilao koa hitako maso tonga avy any ry zalahy dia tonga dia nodakany ny vilany nisy lasopy dia nentiny ny vilany sy fatapera ary ny siô. Any dia any, tsy azo intsony. Ary ny tena gravy dia efa tsy tonga amin'ireny camion manga be ireny intsony ry zalahy fa amin'ny fiara madinika toa ny mini-bus indray.

- Milamina ny tany, tsy misy resaka tsolotra intsony. Tsy any ambany latabatra intsony no hanomezana boatin'afokasika fa eo ambony latabatra. Efa tsy tsolotra intsony izany fa efa imaso imaso. Raha hanamboatra zavatra iray ianao dia tonga dia teneniny hoe raha ny tokony ho izy dia telo andro io vao vita, ary betsaka ny taratasy ilainao vao mahavita an'io. Fa azonay karakaraina. Dia mametraka kely ianao dia vita vetivety ny zavatra iray. 

- Milamina ny tany fa tsy migrevy intsony ny mpiasam-panjakana. Asondrotra foana tsinona ny karamany. Ary indraindray tonga dia baiko avy any ambony (qui vient du H.Au.T)  ilay fampakarana karama dia misavoritaka ny ao amin'ny tresor. Fa tsy maninona izany, 10% sy 25% dia milay.

 

Hevitra

Dain kosa le hoe tetsy ampefy no maka sary! ka raha teo no tonganay de ahoana, f'izay izahay vao mba nahita izany ampefy!

Nampidirin'i Domoïna @ 10:02, 2011-01-25 [Valio]

Hi hi hi, ary ndeha mba hanamboatra sary marina !

Tsara rehefa milamina ny tany e :-P

Nampidirin'i pissoa @ 11:33, 2011-01-25 [Valio]

Hafakely

Fa kay ve zany fifaninanana mitety an'i Madagasikara no ataon'ireo mipetraka any ivelany miverina mandalo any e!!?!? Iny ndray no tsy harako! Tsara ho fantatra ihany... :)

Nampidirin'i Belle @ 12:42, 2011-01-25 [Valio]

ilay mpivarotra amoron-dalana kosa alou indraindray manirikiry be otran'ny tena ilana didin'ny be sandry vao ho hendry ee...

ny mampalahelo fotsiny dia hoe otran'ny manao kely tsy mba mamindro @ mahantra mba mitady fivelomana le izy... sady bontolo be...

tsy hita ee, sarotra ny miaina

Nampidirin'i simp @ 15:25, 2011-01-25 [Valio]

jereo kely aloha ilay lahatsoratra hoe 'dadabe noely' io ary e !!!!

Nampidirin'i Kdmrt @ 15:58, 2011-01-25 [Valio]

MItovitovy @ simp ihany momba ilay amoron-dalana fa raha toa ka tsy bokona ry lerony fa manao hoatran'ny prà aty @ tanana ry hery dia bonnet blanc et blanc bonnet ihany satria ny aty indray civilisés be zareo ka manao tenue sy tonga @ vam jiromanga, ka raha vao hitan-dr'i lerony senegalé na nizeriana na karana mivaromandeha ireny dia ahoron-dr'i lerony fts ny kopetsa sy ny solomaso hamidy dia mody mikisakisaka zareo fa rehefa lasa ry pra dia mirepla eo ihany izy....ka raha tsy bokona dia hiverina ihany izy...zay no mampilamina iny resaka iny any Dago...saingy ny olana fts dia hoe io no mba fivelomany e (kanefa dia mba fiveloman'ireo étranzè mivarobarotra amoron-dalana koa ireny aty koh !)

Nampidirin'i ikalamako @ 20:04, 2011-01-25 [Valio]

izay izany lay hoe
"tsy haiko aloha fa izaho vahiny...

dia aleo hilamina dia aleo hisesy..."

...dia mody fanina daholo ny iray tanana

...dia fanina ny GIC

Nampidirin'i finoanaranoray @ 05:19, 2011-01-26 [Valio]

Milamina

Tena hitako marina sady mampé dôly le lazainao, hihihih! una risata al giorno toglie il medico di turno :)
Tokony ampinao ko we: "milamina daholo, tsisy mpanafika trano intsony satry vô tonga ny jiolay, 10 miaraka am kalatchnikov dôly, dia aleo voaina midanadana ny vavahady!"

Nampidirin'i Mirindra @ 10:27, 2011-01-26 [Valio]

irônika

asa, mety misy tsy mahazo angamba ilay resak'i hery! nefa anie lay hoe "milamina ny tany" ka irônika be e! ok, efa tsy misy intsony mpanendaka, tsy misy intsony sakoraka, tsy misy intsony mpanakana, ary tena madio be ny tanàna, kanefa ... raha ny tena marina sady mazava hoazy fa tsy ireo hitan'ny masonao ny tena zava-mitranga...

zay no fahazoako ilay resak'i hery ... sa ahoana?

Nampidirin'i iconjana @ 18:07, 2011-02-03 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry