« | »

Natahotra ny HAT nosakanana i Ravalo

2011-02-19 @ 08:24 in Ankapobeny

Mahagaga ihany fa teo aloha dia nangataka ny hanagadrÓna
an-dRavalomanana ny HAT... kanefa nony hody izy ity dia tsy navela
indray. Izany ve tsy manamafy hoe tsy misy dikany izany ny fitsarana
malagasy amin'izao fotoana izao? I Christine ao efa falifaly mihitsy
hoe hiampy iray indray ny client eny Tsiafahy kanefa toa matahotra
indray i Rajoelina sy i Camille ka vao roa andro mialoha dia efa
nalefa daholo na NOTAM na famporisihana ny olona hibahana ny aeroport.
I Ravalo nefa amin'io ho tonga tahaka ny mpandeha rehetra ary tsy nisy
mercenaires nanaraka akory araka izay novoizina tetsy sy teroa.

I Ravalo anie hono efa tsy mamim-bahoaka e. Koa maninona no sakanana
fa tsy avela ho menatra eo? Ary raha hoe hanakorontana indray no
hahatongavany, dia haharesy andry zalahy efa nanakorotana tamin'ny 26
janvier 2009 ireny ve izay olona karamainy hanakorontana? Sady izao
mbola niampy ny AV7 indray ka tokony tsy hahavanona mihtsy i Ravalo fa
hatahotra aza.

Koa maninoa ary izany izy no nosakanana fa tsy notsenaina fotsiny
tamin'ny polisy teny Ivato dia samy nilamina :-) Hay matahotra ihany
ny HAT rehefa tena tonga tokoa ny tokoa.

Eto amin'ny sary dia Ravalomanana sy ny fianakaviany alohan'ny
hidirany ao amin'ny fiaramanidina.

244132988.jpg

Hevitra

Somary tantara miverina ihany izy ity. Tamin'izay i Pierrot no nosakanana tsy navela niditra ny territoire.

Nampidirin'i 5056 @ 23:15, 2011-02-20 [Valio]

Ny nataony ihany anie no niverina aminy e!tsapany tsara izay hoe izay no nahazo an'i pierrot t@ireny

Nampidirin'i malimalina @ 07:17, 2011-02-21 [Valio]

i Pierrot tsy ex-president ka :-)

Nampidirin'i hery @ 07:33, 2011-02-21 [Valio]

mitovy fa tsy sahala

Pierrot dia nikasa niverina nandritra ny fitondran'olona voafidim-bahoaka ara-dalána.
Ravalo kosa nikasa hiverina mandritra ny fitondran'antokon'olona naka an-keriny ny fitondrana.

Nampidirin'i malagasycool @ 18:54, 2011-02-21 [Valio]

tena marary fo mintsy anie rahery zany e; zay tsy mila olona mandosotra adidy zany fa raha tia tanindrazana maninona raha nijanona tao dago tao hiany,ingahy amiraly ary iny atidoha be, tsy tafody tsony, koa maika fa ravalo na ny miteny frantsay aza tsy ahiny, tena mahamenatra,fa ny azo atao zao dia ny anasorana ahingana an'io jiolahim-boto kely io de mitady dada hafa fa raha lery efa vitamatavy iny,za tsy mila an'i tgv fa tsy mahay mitondra vahoaka iny fa zany we i dada nandra matoa boakely tsy mahalala izay momban'ny politika akory dia nanongotra azy teo,ny tanjona zao dia miala tgv ary tsy mila an'dada tsony ny vahoaka fa aleo i paoly ndray no andrasana @manaraka na i dadapaoly

Nampidirin'i tsikafona @ 23:10, 2011-02-21 [Valio]

Tsy i Ravalo no mamparary fo ahy ka. Tsy mba nomen'i leiry na inona na inona akory na izaho na ny fianakaviako donc tsisy blemko na very any aza izy... raha izy amin'ny maha-ravalo azy.

Fa ny mankarary ny foko dia ilay fanosihosena ilay principe hoe Olona voafidy no eo amin'ny fitondrana dia tonga ianao amin'ny miaramila misy basy dia maka fitondrana.

Jereo toa ny tany Tunisie sy Egypte sns izay nahenika faritra sy maro niaraka amin'olona antapitrisany dia tsy ny Miaramila mihitsy no nanongana ny filoha fa hitany hoe tsy tafa dia niala izy. Ny miaramila dia nijanona ho neutre foana.

Ny an'ny gasy saika tsy tafa raha tsy nisy miaramila atria tsy nahatratra ilay antapitrisany ilaina...

Nampidirin'i Hery @ 23:18, 2011-02-21 [Valio]

partie remise fotsiny iny ee...
mety mbola ho avy koa ny anjaran'i tgv :-)

manetsabe mbola avy
diavolan-kolava, lalao mbola ho ela

Nampidirin'i simp @ 18:40, 2011-02-22 [Valio]

fa nga moa tsy ny filoha no mibaiko ny miaramila,fa maninona no nanaiky nobaikon'ilay foza orana kely iny ny miaramila ? zany we nisy fitavozavozana hiany zany nataon'i dada matoa tsy nanaiky azy ny miaramila,tsara hoan'i dada kaloha ny maka aina kely any an-tanin'olona any fa raha mbola tahaka izany ny fomba fiasany dia ho mora ho an'i foza kely ny mandefa azy any tsiafahy;io mintsy no antony nahatahorany fa tsy we pataty e patata e

Nampidirin'i tsikafona @ 22:58, 2011-02-22 [Valio]

Miala bala

Nampidirin'i tsss @ 04:23, 2011-03-05 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry