« | »

Karajia under attack

2011-02-23 @ 17:16 in Serasera.org

Niharan'ny fanafihana mahery vaika (lol) tato ho ato ny serveur irc-n'ny karajia.org. Mikolay daholo ny ankizy rehefa tena raikitra ilay izy. Eny e, tsy dia tena mahery vaika manao ahoana fa manelingelina fotsiny. Ary raha ny tokony ho izy ary dia tsy tokony hiseho akory ilay izy... fa izany hoe nisy.

Tsy tokony hiseho satria serveur privé ny karajia.org, tsy dia misy hoe olona hafa avy any ivelany mampiasa. Ny efitra ao dia ny an'ny serasera ny ankamaroany. Olona fantatra daholo na mifankahafantatra daholo (virtuellement) no tena ao. Noho izany tsy dia misy handany ron-doha hanafika ao satria tsy misy tombony. Izany rahateo no tsy nandaniako ron-doha hiaro be loatra an'ilay serveur. Mandany ressources sy fotoana fotsiny kanefa tsy hisy hanafika akory. Eritrereto hoe mipetraka any ambanivohitra lavitra andriana ianao, ianao sy ny fianakavianao irery no eo amin'ny tanàna... tsy manana harem-be sy ny sisa... dia matetika tsy manidy trano. Toa izany no niheverako ny karajia.org

Tato ho ato anefa dia tonga ny mpamosavy malemy. Ny ao antrano ihany no asiana. Araka io nolazaiko eo ambony io dia tsy olona avy any ivelany fa tsy maintsy izahay samy izahay ao ihany. Mampiasa izao fitaovana rehetra (andaniana vola mihitsy) hanafihana ny réseau karajia.org. Betsaka ny karazana attaque ataony amin'izany, flood, cycling, CTCP flooding any amin'ny mpitsaty hafa. Misy ny ankizy izay tsy tapaka matetika satria tonga dia mitobaka be ny tosaka alefany dia tapaka ny fifandraisana. Mamorona canal manokana mihitsy dia izy irery no mi-flood ao mba handavoana ny serveur.

Androany ary dia tafaresaka izahay roalahy (sa mianadahy satria tsy hay na lahy izy na vavy). Dia fanadrohadroana an-kolaka moa no nataony voalohany, toa ny hoe "reraka ve" sy ny hoe "hosakanana koa izany ity". Izaho kosa nanontany ny tena anton'ilay fanakorontanana. Nolazainy tamin'izany fa manandrana sy mianatra izy. Dia eto amin'ny serasera no mampiasa izay kely hainy. Dia nijanona tamin'ny "hahaha" sy ny "mdr" moa ny resaka nifanaovanay. Izaho rahateo amin'io sady miezaka misakana ny zavatra ataony atsy ambadika ihany.

Koa androany izany dia lany indray ny tapakandro hariva nametrahana tao amin'ny karajia.org ireo fiarovana rehetra tokony atao amin'ny reseau lehibe... na dia tsy lehibe aza ny karajia.org... vokatry ny nataon'olona iray. Manampy ahy hianatra be be kokoa koa izay... Tsiky dia ampy fa nandany fotoana sy ron-doha fotsiny.

Miandry ny tohiny indray izany izao.

Hevitra

tsssssssssssss, gaigy koa zany.
Dia mba ambeno tsara ihany koa ny blaogy anakiroa sefo fa sao averina h@ voalohany fanindroany eto indray ilay atsy andrefana ka tsy ho efa intsony kanouh

Nampidirin'i ikalamako @ 17:27, 2011-02-23 [Valio]

Ry loray ary tafiditra indray ny hafatra marobe napetrany koa .... asa lahy !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:05, 2011-02-23 [Valio]

Io mahavoa ny gasy tsy mahay io, satria sady tsy ampy fahaizana no tsy ampy traikefa no tsy ampy fahendrena dia any amin'ny misompatsompatra no hisehosehoana fa angamba izay no hiheveran'ny olona azy ho tompon'ny ady clé. Sahala amin'ilay bandy namorona an'ilay virus fozaorana e, miseho eny ihany ny toe-tsaim-poza! Ny karajia aloha no tafihina dia hoe mianatra hono, rehefa kelikely hanongam-panjakana dia na efa tonga amin'izay mba antonona azy aza ny toerana misy azy dia miseho eny foana ilay toetran'alika, toetrana foza.

Nampidirin'i Dôty @ 08:17, 2011-02-24 [Valio]

io ataky-ataky io mihitsy no mba tena atahorako amin'ny mi-tsaty. Sao dia mampidi-doza...^^

Nampidirin'i LhlTsr @ 11:33, 2011-02-24 [Valio]

aza ny ahy no ataony fa ataoko mamay

Aza ny asako no atao an'zany fa ataoko mamay. Lery ve tsy misy atao de ny serveur ko no floodé-ny. Zay zany le hoe mba te ho favy lery!. Maninn izy tsy mamorona serveur irc perso-ny de in no lalaoviny @ zay itiavana azy fa tsy ny an'olona amperinasa sy be mpampiasa no saboter-na. Tsy olana zany ra Hery fa ompiharo aminy fotsiny ny protocol na securité niv 1. Raha afaka an'io nedala arabaina ... mbola aiza vao niveau 100. lol fa le izy mandany ny andronareo no mandreraka kely. Fa nazany aza ze manao ihany no miatrika olana, ze tsy manao mo zany de avealo izy hitogaigy any, ze manimba kosa dia faizo!!! Revirevy
Nampidirin'i Revirevy @ 12:01, 2011-02-24 [Valio]

inn daholo ireo lamaody be ireo ? krkrkrkr
bikini, dress, jacket..any @ outlet ve zany ?

Nampidirin'i ikalamako @ 20:41, 2011-02-24 [Valio]

Hehe, hoan 'ireo zay manahy ny amin'ny hoe mety hiteraka voka-dratsy le "attack" (ra izay no malaza azy, tsy maninona), dia ilazana fa tsy mitombona izany. Fa "manala azy" fotsiny ireny, sady ilay izy rahateo ary niteraka fanatsarana hoan'ny serasera. dia zay... saika adinoko, jereo iany koa ity site ity www.***.mg/chat ,hahaha.

Nampidirin'i Dondavitra @ 17:38, 2011-02-25 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry