« | »

"The tourist" (2010) Ao tsara

2011-03-29 @ 07:59 in Sarimihetsika

Na dia volana vitsivitsy aty aoriana aza dia miezaka mihitsy aho tsy miraty (teny Gasy avy amin'ny teny hoe mi-rater :-p) ny sarimihetsika lalaovin'i Angelina Jolie. Efa mikarakara an'ilay hoe "Cleopatre" izy fa amin'ny 2013 vao mivoaka, ka any indray isika mahita azy raha tsy tonga amin'ny 2012 ny farandro.Ny hitako farany androany taorian'ilay Salt (2010) dia ilay The tourist (2010). Misy mpilalao sarimihetsika fanta-daza maro ary teto Italie no nanaovana ny ankamaroan'ny nanodinana azy... tao Venise no marimarina kokoa. Johny Depp no mpilalao lohalaharana tao, fa nisy an'i Christian De Sica sy Raoul Bova koa ny Italiana.

Ny tantara dia ao tsara, suspense hatramin'ny farany na dia efa azoazoko antsaina hatramin'ny voalohany ihany aza ny mety ho farany (fahazaran-dratsy). Azo jerena fanindroany afaka herintaona any.

Hevitra

dain
za nefa tsy dia tia an'le tourist...
enfin, tsy hoe ratsy le izy fa otran'ny tsy dia tsara araka ny nantenaina @ le hoe calibre angelina jolie sy johny depp...
le izy koa previsible be ny tantara no sady tsy dia tena nisy hoe "chemistry" tsara teo @ mpilalao... no hoe anelanelany be le tantara hoe refa gidraka dia tokony atao gidraka sy combaka milay tsara moa refa tantaram-piainana sy drama dia tokony atao an'zay ihany koa fa le eo anelanelany hoe gidraka zara fa gidraka sy hoe drama kely tsy mampiotsona ny fo dia eee... pas bien, pas bien du tt!!

salt kosa anefa dia tena milay

Nampidirin'i simp @ 14:36, 2011-03-29 [Valio]

ary mba ndeha hijery aho...fa ny ahy i angelina jolie mihitsy no mahafinaritra ahy...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 15:41, 2011-03-29 [Valio]

asio famintinana kely hoe ilay tantara azafady ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:23, 2011-03-30 [Valio]

Kdaomba> Raha vao fintinina ilay izy dia manjary misy spoil be dia tsisy tsirony. Fa io video io mamintina azy

Nampidirin'i Hery @ 10:29, 2011-03-30 [Valio]

Tena mba niandry tantara tamin'ny RVG à 20h30 aho tamin'ny alarobia fa izay vao nisy ny aps gratuit pour androïd nefa dia nangaina. Fa angaha tsy misy intsony ireny ry Hery ?

Amboary ny haben'ny blaogin'i Hery fa tsy hita ilay ampahany ankavanana, sendra kely bolitika izao ilay "alefa" no voasikotro tao, asa fa OPERA koa ny navigateur ampiasaiko ka tsy haiko na mety ho izay ny antony na tsia.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 16:25, 2011-03-31 [Valio]

Fa io video io mamintina azy

Nampidirin'i casinobonusshop @ 12:55, 2012-08-07 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry