« | »

Italia sy ny fandraisana vahiny

2011-04-06 @ 23:28 in Eritreritra mandalo, ItaliAfrika

Efa firesako eto amin'ny blaogy matetika ny teny hoe Italiafrika izay iantsoako an'ity firenena ipetrahako ity. Italiafrika satria na dia aty Europa aza izy dia mbola toe-tsaina Afrikana ihany no ao anatiny. Ary tena Afrikana tokoa na amin'ny ratsy na amin'ny tsara.

Anisan'io lafiny tsara io indrindra ny fahaizana mandray vahiny. Marina fa betsaka ny resaka heno sy hita hoe mpanavakavaka volon-koditra sns ny Italiana. Toa fiarovan-tena amin'ny fari-pananan'ny tena anefa no tena anton'iny. Ilay hambom-po tiana aseho ety ivelany amin'ny maha Eoropeana fotsiny. Fa ao anatiny, tena lalina, dia tia mandray vahiny ny Italiana... Tahaka ny Afrikana.

Aiza tokoa moa eto Eoropa afatsy eto Italia no misy hoe tsy manana taratasy ianao miditra eto fa rehefa mahita asa dia mahazo taratasy ara-dalana indray? Isan-taona izao dia misy fomba hahafhan'ny vahiny monina tsy ara-dalana mahazo taratasy ara-dalana. Ireny olona tonga amin'ny sambo tsy nilentika hitanareo amin'ny fahitalavitra rehetra ireny, sy ireo tonga ara-dalana fa avy eo nanao sambo nilentika tsy niverina nody intsony, dia betsaka no efa manana taratasy fijanonana aty ara-dalana, ary ireo mbola tsy nahazo dia manana fanantenana fa mbola ho avy ny anjarany. Eto Italia izany dia mbola misy foana ny fanantenana fa tsy toy ny any amin'ny tany hafa.

Toa izany koa amin'izao fotoana fitobaha'ny Toniziana sy Libiana miditra eto Italia izao dia mbola hita taratra indray ilay toetra mpandray vahiny. Izay tonga eto Italia dia raisina aloha dia avy eo vao dinihina hoe atao ahoana. Karakaraina, anamboarana fialofana, omena sakafo... Tambatambazana hihinana mihitsy aza ny sasany. Hita tamin'ny vaovao ireo Toniziana omena "pates" sy trondro dia mimenomenona hoe misy fofona. Dia niezaka nandresy lahatra mihitsy ilay nizara an'ilay sakafo nihinana sy nampiseho hoe tsy ratsy ilay sakafo. Raha olon-kafa dia angamba nanompa mihitsy satria efa sady tsy ara-dalana no mbola iantohana sakafo maimaim-poana, no mbola be menomenona ihany. Ary hita taratra izany satria ireo izay miezaka mitsoaka any Frantsa dia tsy voaray toa izany. Izay tratra tonga dia averiny aty Italia.

Mandrayvahiny ihany izany ny Italiana...

Fa hafa mihitsy, efa hain'i Aina sahady indray ny tapany voalohany amin'ny hiram-pirenena Italiana. Mikoropaka noho izany izahay ka nanapa-kevitra handefa tsy ankijanona ny "Ry tanindrazanay malala" amin'ity herinandro ity.

Hevitra

Mendri-piderana mihitsy izany fahaiza-mandray vahiny any Italia izany.
Angamba kosa mitsinjo ny "ho avy" (avenir) ry zareo matoa manao an'izany.
Ny eto amin-dry lhltsr mantsy, mihabetsaka hatrany ny beantitra misotro ronono, ary mihavitsy hatrany ny zaza teraka, hany ka ny vola mivoaka amin'ny fanjakana indray no betsaka lavitra noho ny vola miditra amin'ny alalan'ny hetra alohan'ny tanora amperinasa.
Noho izany toe-javatra izany, dia nanomboka nasiana fiheverana ny hamenoana ny banga amin'ny alalan'ny fanamorana ny fidiran'ny vahiny izay hiasa, satria amin'izay dia hitombo isa ny mpandoa hetra, ka ho tombontsoa ho an'ny fanjakana izany.
Mety ho toy izany koa ve no antony mahatonga ny ao Italia mahay vahiny?

Nampidirin'i lhltsr @ 02:32, 2011-04-07 [Valio]

hihihi resin'i Aina fa ny ahy ny fehezanteny roa voalohany ihany no haiko amin'ny hirampirenena italianina...soa fa haiko tsara ny ry tanindrazanay malala :-P

Nampidirin'i ikalamako @ 19:45, 2011-04-07 [Valio]

Izaho tena gaga mits @ ireny olona tonga @ sambo raisina ao Italie ireny, tsy eto France vely2 no hanao toy izany na de efa antitra ary ny mponina.
Fa aiza ko izany tany hafa mandray vahiny zany fa tina mba andefasana fianakans ra ahitana asa ho azy ireo ?

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 11:32, 2011-04-08 [Valio]

hevitra

Angamba ataoko fa mbola tsy tara zao na d 1 an aty aoriananareo aza aho vao maneho hevitra.Gaga ihany tko alo za tam fotoana nandalovako tany fa otran somary bordel kely le any Italie satria misy mpivarotra eny an-dalana otran le any dago reny ary vahiny toy ny afrikana sy avy any bengladesh no maro an'isa amin'izy reny fa tsy haiko oe, ty mba manenjika anzareo nga ny mpiasan commune. Tsy haiko oe efa fiainan-dry zareo hatramzay v io sa nikorosy fahana ny italiana nefa firenena nanana ny lazany ihany, raha tsy diso aho d tao anatin G7 izy taloha ireo pays 7 manakarena eran-tany. Eo amin le resaka transport ndrindra, na tsy mandoa frais aza le ol sy tsy manana le carte iny d tsy miteny ny chauffeur. Nefa ny any am firenena sasany na d heverina ho anisan mahantra ao Eoropa aza d toa mbola manana metro sy bus tsara noho i Italie ary tsy miandry ela b zany enao d mahazo,tany italie za niandry ef aho 10mn ngamba vo nahazo metro sady tsy d confrtable loatra. Fa na izany na tsy zany manakarena ara.tanntara izy ary tian ny mpizaha tany

Nampidirin'i Namana @ 23:40, 2012-03-19 [Valio]

hevitra

Mety tsara ny nataonareo mivady ka, tiako b mitsy le fikoropahanareo nampianareo ny zanakareo ny hiram-pirenena malagasy fa d ny an tena ndray tko v no ariana? Toraka vonikazo manokana ho anareo mitsam.

Nampidirin'i Tovovavy Malagasy @ 21:13, 2012-03-31 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry