« | »

Stella Maris

2011-04-17 @ 23:27 in Mozika

Nandalo tany Toamasina izahay tamin'ny volana janoary 2011 teo, dia nandalo an'izany Stella Maris... dia nanandrana nihira an'ity hira iray ity. Kintan'ny ranomasina, na Stella maris, no lohaneniny. Mbola video vita roa andro ihany ity na dia niteny aza aho tamin'ny farany hoe hatao mba matomatotra amin'izay ny video manomboka amin'izao. Tiako halefa daholo aloha izay sary taloha voatahiry ato amiko ato dia manomboka sary vaovao amin'izay rehefa avy eo.

Fa hitako koa fa ny sary ataoko amin'ny video somary ratsiratsy daholo, somary manjavona. Ny video-n'ny ankizy sasany ao amin'ny Youtube mantsy hitako mazava kokoa ny sary. Inoako fa vokatry ny hatsaran'ny fitaovana no anton'izany. Amin'izao fotoana izao mantsy dia efa HD daholo ny video camera. Ny ahy dia mbola ilay Sony DCD-DVD106 sady mbola natao LP ihany koa. Amin'ny manaraka dia hatao SP aloha hijerena raha miha tsara ny sary... alohan'ny hidirana amin'ny HD.

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry