« | »

Hitako ihany... finalement

2011-04-20 @ 15:08 in Sarimihetsika

Misy zavatra indraindray irina hojerena nandritra ny fotoana maharitra fa tsy mety hita mihitsy... satria tsy nanam-potoana naharitra hakàna fy azy, na koa tsy mbola nahita an'ilay tena qualité tsara. Fa tamin'ity kosa dia hitako ihany na dia efa 2 taona aza angamba izay no nilazana azy tetsy sy teroa.

Tena marina, ary mety mampihomehy fa androany aho vao nahita an'ilay film hoe Avatar. Niniako tsy nojerena mihitsy raha tsy tena azoko alalina fy tanteraka... Fa tena naka fy tanteraka tao anatin'ny ora vitsivitsy. Tsy noeritreretiko hoe ho tsara ihany ilay izy. Ilay imagination tena nankafiziko. Be dia be ny zavatra tsy takatry ny sain'ny olona tsy poety no navoakany tao. Ilay hazavana miseho amin'ny hazo, ny biby, ny olona sns. Ilay endriky ny biby ao anatiny ohatry ny mampatahotra nefa mifandanja tsara.

Fehiny: Tiako ilay izy... "I see you"

Hevitra

Mba hijery koa aho angambany raha izany fa efa ela no tao anaty ordinateur-nay io film io ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:51, 2011-04-21 [Valio]

Izahay nefa somary diso fanantenana ihany nijery azy io. Tsy haiko hoe naninona, angamba voan'ilay nijery ankamehana tokoa hi hi

Nampidirin'i pissoa @ 15:10, 2011-04-21 [Valio]

salama e

Nalaza tokoa izy io, ary toa hoe nandaniana vola be hono.

Na izany aza, ilay hoe film "tsara" na "ratsy" dia miankina amin'ny sokajina film tian'ny tsirairay :).

Ho ahy tsy dia tia fiction (sa fantastic moa zany izy io) loatra dia "teo ho eo" ihany ny fitiavako azy iny.

Nampidirin'i Tokinao @ 00:43, 2011-04-22 [Valio]

Tokinao> Ie, arakarak'ilay zavatra tadiavina ao anatiny tokoa no itiavana na tsia azy. Ny ahy ireny fiction ireny misy tiako satria izaho tena mankafy hoe ahoana marina no tena hanamboarandry zalahy ny effets speciaux ao anatiny. Tiako ilay fahaizandry zalahy mamorona zavatra. Tia ilay kanto ao anatiny izany e.

Fa ny tantara amin'ilay izy dia tantara normal be.

Nampidirin'i Hery @ 04:31, 2011-04-22 [Valio]

Générique

Générique ve moa izany hira izany sa ao amin'ny bande annonce-ny ? Ny ahy ilay hira io no tena tiako. Ohatran'ny hoe i Tony Braxton izany ilay mihira. Fa ilay film koa aloha hitako foana sady reko ny lazany saingy mbola tsy nanaraka aho fa ohatran'ny sarotra arahina be izany ilay izy dia farany ... resin-tory aho !!!

Nampidirin'i Nannie @ 05:33, 2011-04-22 [Valio]

Ny tsy mampazoto ahy hijery ilay film h@ izao dia satria ratsy tarehy be ilay personnages rehetra itako ao.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 19:18, 2011-04-24 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry