« | »

Getting it out : manala azy

2011-05-01 @ 21:00 in Izaho sy ny ahy

Nampidiriko tato amin'ny blaogy ity video ity fa nijanona ela tato anaty ordi tato. Tamin'ny telo taona lasa izy izay, raha tsy diso aho, no nanaovako azy ity. Nisy bandy izay niara-nipetraka taminay dia tsy mahay mahandro vary hono izy. Dia nanao ity video ity aho, izay tsy hitany akory, nanandrana izany hoe fomba fandrahoana vary araka ny maha Malagasy :-)

Aza mieritreritra hoe "tutorial" fandrahoana vary io... fa mba manala azy fotsiny. Ialana tsiny ny korontana mety ho hitanareo ao anatiny ao. Ataovy mahafa-po fotsiny ny mieritreritra hoe efa 3 taona lasa io farafaha haingany... izany hoe efa mba nivoatra nahavidy fihogo, sy nahabango volo aho.

Farany, ilay mozika dia nampidirina taty aoriana. Hitako nitendritendry piano teto i Aina dia nalaiko feo... dia nampidiriko niaraka tamin'ilay video. Aza omena tsiny fa efa kely sisa i leiry dia hahay lol. 

Ity ilay video fa lava loatra... hamoaka video clip hiram-pivavahana ihany aho rehefa avy eo ka.

Hevitra

Mampiasa autocuiseur ("rice cooker" vita sinoa)io rakoto dia vita a ! Arahina tsara fontsiny ny isan'ny kapoaka sy ny haavon'ny rano ao anatiny arakaraky ny isan'ny vary nafatra tamin'ny kapoaka.

Efa misy koa ilay fandrahoana varin'ny tupperware atao anaty microonde mety tsara.

Manala azy an !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 04:08, 2011-05-02 [Valio]

Mahandro vary a la Pissoa :-P

Arehitra ny fatana (maximum).
Alefa mafy be ny rano mafana ery amin'ny evier (atao mafy be, amin'izay mora mamay be).
Fafana tsara ny vody vilany (Manimba sofina be ilay rano kely manenoneno iny, dia aleo fafana ho maina tsara hi hi).
Arotsaka ao anaty vilany ny rano.
Rehefa mangotraka ny rano dia arotsaka ny vary. Tsy sasana an, arotsaka fotsiny. Haroina tsara dia jerena ny fatrany, toy ilay ataon'i Hery io ihany.
Saromana kely, andrasana hiverina hangotrangotraka be.
Raha mila sasana ny vary dia eo no sasana (Mbola mafy be). Atao amin'ny rano mamay be ihany, dia tatavanina amin'ny passoire.
Averina ao anaty vilany, asiana rano mamay be, atao eo ambony fatana, andrasana hangotraka be, dia ahena amin'izay ny afo.
Tsy saromana ny vilany satria eto no fotoana handehanana mijery film, na manao tricot any amin'ny chambre :P Rehefa maheno fofona vary may be dia mitsangana amin'izay fa masaka ny sakafo hi hi hi.

Manala azy

Nampidirin'i Pissoa @ 08:49, 2011-05-02 [Valio]

Fa i Aina aloha toa efa mahay e ! hi hi

Nampidirin'i Pissoa @ 08:49, 2011-05-02 [Valio]

Pissoa> mitovitovy ihany marina zany :-p

Tena gaga koa aho hoe rehefa henoina manokana ilay fitendrin'i Aina ohatran'ny milay lolll.

Nampidirin'i Hery @ 09:04, 2011-05-02 [Valio]

itan'i Hery ve ilay hafatro ho anao ao amin'ny sujet BITSIKa atsy e ? ilay mp3

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 16:58, 2011-05-02 [Valio]

kiiiiiii
video ana-kaly atao ry hery fa vary ve dia tsy hohainay a tssssssssssssssss

:-p

Nampidirin'i simp @ 17:00, 2011-05-02 [Valio]

raha zah i Hery dia ilay vilany gasy no andrahoana vary dia sady atao 'à la malgache' ny fanaovana azy fa tsy tahaka izao hihi, izany hoe: sasana ny vary dia atao anaty vilany dia rarahana rano, ny fetrany dia sahabo ho atsasaky ny fanondro lava raha atao eo ambony vary ny tanana, dia izayyy, fa tsy atao ohatran'io fa manjary ohatran'ny miraikitra avy eo hihih tsy haiko aloha e! samy manana ny fanaony marina tokoa,

raha misy vary mangatsiaka koa dia azo sasana miaraka @ vary mbola manta iny dia miaraka arotsaka ao anaty vilany

Nampidirin'i sipagasy @ 22:06, 2011-06-02 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry