« | »

Matoa aho nijaly sy maty sy nasandratra ho olontsambatra i JPII...

2011-05-08 @ 19:45 in Izaho sy ny ahy

Hira anakiray azo atao amin'ny Karemy sy fiandrasana ny  Paka ity anakiray ity. Matoa aho nijaly sy maty. Mampiseho ny anton'ny fanoloran-tenan'i Jesoa sy ny fandreseny. Nahafinaritra ahy ny nilalao "effets" vitsivitsy tamin'ilay video, mety tsy nivoaka tsara fa rehefa manana ordinatera matanjaka aho mety hilay ihany. Ity ary ilay Video...

Fa alohan'izany dia asiako resaka kely satria zava-dehibe tokoa ny nitranga tamin'ny 1 mey lasa teo. Nasandratra ho olontsambatra ny Papa Joany Paoly II. Imbetsaka no misy fanandratana ho olontsambatra na fananganana ho olomasina toa itony eto Roma fa tamin'ity, noho i Papa Joany Paoly II fantatry ny olona rehetra, hatramin'ny tsy mpino, dia betsaka no liana na tamin'ny fety izany na tamin'ny fotokevitra. Hetsika goavana rahateo ilay izy (olona an-tapitrisany no teto Roma) ka rariny raha asiana resaka kely eto amin'ny blaogy. Zava-dehibe ho an'ny Katolika angamba no marimarina kokoa... fa ny nanaitra ahy, dia ny resaka nitranga maromaro tao amin'ny forum.serasera.org, ao amin'ny lohahevitra Fivavahana sy finoana, nampiakatra afo ireo tsy katolika sasany tamin'iny fety iny. Ny zavatra tsy azoko fotsiny dia hoe inona ary no mankararirary azy ireo toa izany? Tsy mpivavaka ao aminy, tsy finoany, tsy mpitondra fivavahany, koa inona no ivakiana loha amin'izay ataony any na dia hanompo sampy aza? Ny finoany sy ny fivavahany no tokony hataony izay hahatsara azy. Izaho ve dia hivaky loha raha misy sekta manao krismasy indimy isantaona (tsy fantatro na misy izany na tsy misy satria tsy mivaky loha aho)... satria tsy finoako, tsy iainako. Ny ataoko dia manazava ny finoako, manazava fa tsy mandresy lahatra, dia afaka manao toa izany koa ny hafa.

Ity ary ny video...

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry