« | »

Hitan'i Google+ ny fika

2011-07-23 @ 15:02 in Izaho sy ny ahy

Ity angamba ny lahatsoratra voalohany amin'ny teny malagasy mikasika ny Google+ izay nisokatra ny 28 jiona lasa teo. Mbola vaovao ho an'ny maro tokoa ity G+ ity na dia efa ela aza no niketrehan'i Google azy, ary efa fantatra fa tsy maintsy ho avy masiaka(1).

Fa inona tokoa ilay G+? Tambazotra fifaneraserana iray na ilay antsoin'ny maro amin'ny teny vahiny hoe "social network" ny G+. Hahafahanao mizara lahatsoratra, sary, sarimihetsika, eritreritra mandalo, ho an'ny namana vitsivitsy, na vondrona iray na maro, na koa ho an'ny rehetra. Ny Facebook ohatra dia anisan'ny tambazotram-pifandraisana. Ny namana.serasera.org ihany koa dia noforonina ho toa izany. Amin'izao fotoana izao dia mihoatra ny 750 tapitrisa ny mpokambana ao amin'ny Facebook. Manjaka tokana amin'io sehatra io izy hatreto. Koa efa noheverina fa tsy maintsy hisy ngeza toa an'i Microsoft na Google hifaninana aminy. Dia indro tokoa i Google niaraka tamin'ny Google+.

Gplus stream
Google+ Stream


Betsaka ireo zavatra mampiavaka ny Google+ amin'ireo tambazotram-pifandraisana hafa. Fa ny zava-dehibe, ary hita hoe ho hery goavana entiny mifanandrina amin'ny Facebook dia ny fiarovana ny fiainana manokan'ny mpikambana. Ao amin'ny G+ tokoa mantsy dia ny mpikambana no mifehy tanteraka ny momba azy. Ary anisan'ny foto-kevitra ijoroany ny hoe "Data Liberation" izay hahafahan'ny tsirairay maka, mitahiry amin'ny toerana hafa, na mamafa ny momba azy manontolo. Ao amin'ny G+ koa, ihavahany amin'i Facebook, fa itovizany amin'ny namana.serasera.org sy ny twitter.com dia ilay fifandraisana mandeha zotra tokana (unidirectionnel hoy i DotMG). Izany hoe ny olona fidinao hizarana ny momba anao dia tsy voatery hfidy anao ho namana. Ianao no mifidy ny olona tianao hanaraka anao(2), na ireo olona tianao hizarana ny lahatsoratrao, ary tsy mila fankatoavana avy aminy izany. Mazava ho azy, rehefa tsy te handray sy hamaky anao izy dia tsy manaraka anao. Ianao koa no mifidy izay olona tianao harahina, ary tsy mila fankatoavana na fandavana avy aminy izany satria izay zavatra avelany hozaraina aminao ihany no ho hitanao. Ny olona iray izay manaraka olona 1000 izany dia tsy midika hoe arahin'ny olona 1000. Ao amin'ny FB mantsy, matoa namanao ny olona iray, ka afaka manaraka azy ianao, dia satria efa nekeny ho namany koa ianao.

Ny Faribolana (circles) no entin'i G+ mandrindra io fifandraisana io. Rehefa misy olona iray tianao harahina sy hahita ny zavatra apetrakao dia ampidirinao ao anaty Faribolana iray. Afaka manana Faribolana maromaro ianao, noho izany, ohatra hoe Faribolana fianakaviana, Faribolana namana, Faribolana mpiara-miasa. Ny mpikambana iray dia afaka ampidirina anaty faribolana maromaro. Raha manana Faribolana fianakaviana ianao, dia manana Faribolana Malagasy sy Hatsikana, dia azonao ampidirina ao amin'ireo ny rahalahinao izay mahazo teny malagasy sady mankafy hatsikana. Ny olona irayy manaraka anao dia azonao ampidirina amin'ny Faribolana heverinao fa tokony hisy azy.

Google + circles
Google+ circles


Rehefa mizara lahatsoratra na sarimihetsika na sary izany ianao dia afaka mifidy izay Faribolana tianao hahita azy. Ny rediredy sy vazivazy amin'ny teny malagasy amin'izay fotoana izay dia tsy ho hitan'ny mpampiasa anao... Satria tsy tafiditra ao anaty Faribolana rediredy sy malagasy izy. Manana safidy koa ianao hizara ho an'ny rehetra na dia tsy ao anaty Faribolana aza. Ny Faribolana izany no entinao mamaritra ny fanomezan-dalana hijery ny zavatra atolotrao.

Ny zavatra iray mampiavaka ny G+ koa dia ilay antsoiny hoe "Hangout" izay ihaonanao antsary amin'ny namana iray na maromaro nofidinao. Ilay teny hoe "maromaro" eto no tena manan-danja satria afaka mahita ny sary sy mifampiresaka amin'ny olona maro tokoa. Toa ireny manao famelabelaran-kevitra antsary ireny izay ahitana antsary, amin'ny alalan'ny webcam, ny mpandray anjara rehetra, ahafahana mangataka fitenenana sy miresaka. Mazava ho azy fa toy ny fivoriana rehetra dia misy ny fanomanana mialoha sy ny mpandrindra ny fivoriana toa izany.

Tao anatin'izay 3 herinandro nisokafan'ny Google+ izay dia efa nahatratra 20 tapitrisa ireo mpikambana ao anatiny. Hatramin'izao aloha dia ireo olona zatra mikirakira ordinatera no tena betsaka ao. Mbola tsy misokatra tanteraka ho an'ny rehetra izy satria mbola anaty andrana ihany. Na izany aza anefa dia tsy sarotra ny mahazo alalana hiditra ao. Mila fanasana avy amin'ny mpikambana efa ao anatiny fotsiny. Efa misy Malagasy maromaro ihany koa mampiasa G+ na dia mbola tsy misy aza statistika mazava. Eo andalam-pijerena akaiky ny mety ho fivoaran'ny G+ rahateo ny ankamaroan'nyy olona.

N.b. Finday no nanoratana ity ka mbola tsyy afaka nampiditra sary fa hapetrko ny sary rahariva.

(1) Ho avy hivatravatra.
(2) Voambolana matetika ampiasaina amin'ny tambazotram-pifandraisana ny hoe arahina, follow, suivre.

Hevitra

Tsy mety mampiditra ahy i google+ ry Hery a, asainy mametraka adiresy mail za hoe andefasany invitation hono. ary hoy ny zanako anroany hoe lasa manamboatra² endrika i fb izany de nijery aho dia gaga tokoa !!! miady ny samy masiaka izany.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:27, 2011-07-23 [Valio]

ny tena hitako ho manja aminy dia ny hoe izay faux-pas hoe tsapa fa tsy tokony ho natao t@ fb rehetra dia azo eviter-na doly @ izay @ G+... ny resaka privacy sy ny hoe fandrindrana ny namana izany...
otran'ny hoe fanombohana vaovao izany...

Nampidirin'i simp @ 19:34, 2011-07-23 [Valio]

Google G+

ohatra ny ho tiako ilay G+ raha izany ah!. Ahoana ry Hery ny fidirana ao aminy???

Nampidirin'i RAHELY @ 15:37, 2011-07-24 [Valio]

Ohatry ny mahaliana tokoa izany Google+ izany ry Hery. Indindra indrindra ilay hoe "fahafahan'ny tsirairay mifehy bebe kokoa ny momba azy".
Tadidiko efa nisy ihany mantsy ilay hoe "Google Buzz" teo aloha, fa toa tsy dia namokatra firy. Ity Google+ kosa izany no antenaina fa ho tsara kokoa.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 16:57, 2011-07-24 [Valio]

andefaso invitation aho Hery a !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 17:11, 2011-07-24 [Valio]

kdaombaramita>

sy izay mila invitation.

Alefaso email amin'ny hery@serasera.org ny adiresy gmail-nareo na ny compte google-nareo.

Hery

Nampidirin'i Hery @ 22:05, 2011-07-24 [Valio]

Inona no misakana anao tsy hi-G+ ? hi hi hi. Vive google :-P

Nampidirin'i pissoa @ 07:13, 2011-07-25 [Valio]

MERCHIIII Hery, tafiditra aho !!!!!!

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 10:41, 2011-07-26 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry