« | »

Io famadihana io

2011-07-26 @ 07:04 in Izaho sy ny ahy

Zavatra iray izay iainan'ny tena mivantana mikasika ity resaka famadihana ity no nanosika ahy hanoratra sy hamerina handinika indray hoe inona marina no mbola mahatonga ny Malagasy hamadika.

Fotoanan'ny famadihana tokoa izao. Ho an'izay tsy mahalala dia fomban'ny Malagasy sasany amin'ny faritra afovoan-tany izany. Fanokafana ny fasana sy famonosan-damba indray ny razana. Matetika mantsy dia itambarana hatramin'ny razam-be mifandimby ny fasana... Io ilay hoe "Maty iray fasana", ka nilaina ny fandaminana ny razana mba tsy ho feno vetivety. Angonina sy averina fonosina ho kelikely kokoa mba hahafahana mitsitsy toerana. Tsy atao matetika io fa isaky ny dimy na fito taona, arakaraka ny fomba. Noho izany dia ilazana daholo ny taranaka amin'ilay fotoana fisokafan'ny fasana mba samy handamina ny razambeny. Manana adidy ny tsirairay satria fasana iombonana.

Vokatr'io fanasana ny taranaka rehetra io dia tsy maintsy nisy ny fiaraha-misakafo. Ary mandritra ny andro vitsivitsy izany, fotoana izay maha eo an-toerana ny rehetra. Mba hialana amin'ny fandaniana be loatra dia ny eo an-toerana no mikarakara ny sakafo itambarana. Kisoa na omby no vonoina amin'izany arakaraka ny habetsaky ny olona. Mazava ho azy fa samy mandray anjara amin'ny vidin-tsakafo ny fianakaviana izay tonga.

Famadihana iray
Famadihana manoloana ny fasana (Sary Andry Rungi (c))


Taty aoriana dia niha nivelatra be ny fianakaviana. Nitombo koa noho izany ny fiaraha-misakafo ka nanjary lanonana manokana mihitsy. Nitombo ny vola hampiasaina. Nanjary laza sy rehareha nitsarana ny mpikarakara ny hoe "nahavoky olona". Nanjary nisy ny fifaninanana sy fisehosehoana. Nanjary fandaniam-be ny famadihana. Nanjary nametra-panontaniana ny taranaka aty aoriana hoe ilaina ve ny famadihana? Nahoana no voatery hanao fandaniana? Maninona no tsy omena ny velona izay miha-mahantra ny lany amin'ny famadihana ny maty izay tsy mila izany intsony?

Mba nandalo tao antsaiko koa izany fanontaniana izany. Marina fa nahafinaritra hatrany ny famadihana. Fihaonana amin'ny fianakaviana rehetra, sakafo be, fety, hiragasy... Saingy hitako fa vola be foana koa no lany. Ankoatra ny saran-dalana, ny vidin'ny lamba mena izay lafo tokoa, ny fikarakarana isankarazany, dia teo koa ny adidy "atero ka alao" izay vola tsy maintsy omena. Ary tsy maintsy atao lanja miakatra, izany hoe mihoatra kely noho izay nomen'ny olona anao no omenao olona. Koa tamin'ity taona ity, izay ny fianakaviako mihitsy no anisan'ny handray tantana satria ny raibe no havadika, dia mbola naveriko tamin'ireo ray aman-dreniko indray hoe nahoana no tsy maintsy hanao izany fomba izany?

Ny tena nanaitra ahy tamin'ny valiny azoko dia hoe i mama no tena namaly sy nanazava azy. Izy anefa dia avy amin'ny fianakaviana tsy mamadika. Izany hoe nahalala tsara ny antony tsy namadihany, ary hatramin'izao dia mbola tsy mamadika ny avy any aminy. Ka ho azy dia zavatra roa no nanosika azy. Eo aloha ny faharesen-dahatra vokatry ny firaisan'ny mpivady. Raha mbola i papa no resy lahatra dia tsy maintsy hanao koa i mama. Io aloha dia hiderako an'i mama amin'ny lafiny rehetra. Tsy ilay hoe manak'efa fotsiny, fa mandray ilay faharesen-dahatra ho azy mihitsy. Efa nasehony izany amin'ny resaka finoana. Na dia protestanta aza izy talohan'ny nivadiandry zareo dia izy indray izao no anisan'ny tena katoloka mafana fo ao an-trano. Dia toa izany koa, inoako, no anisan'ny nijereny akaiky ity resaka famadihana ity ka nanomezany ahy ireto antony ireto:

- Fifankatiavana. I papa, dia ao anatin'ny fianakaviana misy 6 mianadahy. Raha manapa-kevitra ny 5 mianadahy ka tsy resiny lahatra tsy hanao ilay famadihana dia mba hanehoana ny fitiavany ireo mpiray tam-po aminy dia miaraka amin'izy ireo izy.
- Adidy: anisan'ny mikarakara sy mandray ny vokatra amin'ny ampaha-eniny amin'ny tanim-bary sy tany any ny fianakaviana, ka manana ny adidy mifandraika amin'izay ihany koa.
- Tanindrazana: any no mbola tanindrazana. Misy ny fananan'ny tena. Tsy afaka ny hiolonolona satria ny olona eo an-toerana ihany no karamaina matetika rehefa mikarakara ny tany.
- Fasan-drazana: any no toerana hilevenana. Raha mbola tsy vonona hisaraka amin'ny mpiray tampo, hanao fasana manokana, dia mila mandray anjara amin'izay hetsika momba ny fasan-drazana.
- Mbola vita: Raha tsy dia lafo loatra fa mbola vita dia tsy mampaninona loatra. Efa nifidy ny fomba tsotra sy mora indrindra izy ireo.
- Tsy ho an'ny maty loatra: mikorotandrontana ny mpiray tampo ka fomba iray hivondronan'ny rehetra io.

Koa dia tapa-kevitra izany fa handray anjara amin'ny famadihana ny fianakaviana.

Hevitra

Ny hitako tamin'ny mpiray tanàna amiko dia isan-taona ry zareo no mamadika hatrany... Mahazaka izy ho'ho. Vakinankaratra ry zareo... Miverina avy any dia toy ny vao manangana varotra indray sady miainga tsikelikely miverina hatramin'ny voalohany mihitsy. Mpivarotra mofogasy sy dite kafe manko.

Ilay mpivarotra teo akaikiny anefa efa nahazo Mazda mihitsy fa ry zareo indray tsy mamadika...

Nampidirin'i jentilisa @ 14:11, 2011-07-26 [Valio]

oui,
natao hampihavana no tena fototra ijoroany voalohany indrindra...
indrisy anefa fa indraindray mety vao mia manasaraka sy mampiady kokoa...

Nampidirin'i simp @ 14:25, 2011-07-26 [Valio]

ilay famadihana koa ve tsy azo atao hoe hanaovana ménage ao anaty fasana e ? Satria ahorona ireo vovoka efa maina dia atao anaty lamba kelikely dia afaka atambatra amin'ny fandriana iray ny razana maina telo sy efatra mba hahazoana fandriana roa malalaka raha sanatria misy hiditra ao indray.
Anisany hoy aho an, fa tsy hoe antony manokana ;)

Nampidirin'i ikalamako @ 23:06, 2011-07-28 [Valio]

antony

Ny maty ve no mamory ny velona ?

Nampidirin'i sendramandalo @ 17:52, 2011-07-31 [Valio]

Teneno ikala Andry io hoe tsara be hono hoe ilay sary nalainy.

Nampidirin'i DotMG @ 11:37, 2011-08-02 [Valio]

Mbola mitady ny tena anton'ny nanaovan'ny nanao azy io voalohany mihintsy aho mba hahafahana mamakafaka marina ny tena mbola tokony hanaovana azy na tsy tokony hanaovana azy intsony amin'ny zava misy ankehitriny.
Toa manahirantsaina ihany ny mahita hoe maka artiste goavana maro ary camion'ny star no mitondra ny THB any ambanivolo lavitra be any hanaovana famadihana ... nefa ny havana akaiky maro mety na kapa aza tsy voavidy
Mila jerena akaiky ihany ... mbola tsy miresaka ny hoe andro tsara sy ratsy eee, sy ny mifanaraka amizany

Nampidirin'i dadafara @ 17:42, 2011-08-11 [Valio]

Izy io otrany hoe fombandrazana tsy dia hita izay maharatsy azy, ho an'izay mankasitra azy, fa betsaka kosa ny maharatsy azy ho an'izay tsy mankasitraka!

Nampidirin'i Recrutement @ 06:26, 2011-08-16 [Valio]

Raha ny lova-tsofina henoko sy ny tantara izay voavakiko dia samy manana ny filazany ny amin'ny anton'ny famadihana.
Fa toy ny zavatra rehetra dia misy foana ny lafy ratsiny sy tsara aminy.
Amiko koa anefa, isika velon'aina izao dia anisan'ny mpanoratra ny tantaran'ny Malagasy sy mpitahiry/mpamelona ny soa toaviny. Anjarantsika izany no manao safidy araka ny fahendreny avy na hanamafy na tsia ny tokony hanohizana na hanitsiana io fomban-drazana iray io.

Nampidirin'i Rakoto Za @ 17:34, 2011-08-29 [Valio]

tsy aleo ilay velona

raha izaho aloha dia aleoko momba ilay nandresy ny fasana dia Jesosy, Ity Mpanajaka ny Mpanjaka no sady Andriamanitr`i ny velona.
Ilay mamadika, dia araka izany voam-bolana izany fa dia mankasitraka an`i Jodasy izay namadika an`i Jesosy sady dia mbola mamadika mandraka ankehitriny, aleoko nateraka indray mba tsy ho taranak`ity mpamadika ity fa taranak`Ilay Marina dia Jesosy

Nampidirin'i Roger @ 13:09, 2011-09-06 [Valio]

Roger> Tsy azoko hoe inona no idiran'ny hoe "aleoko" amin'izany.

Angaha io safidy hoe iza no tianao manao famadihana sa Jesosy?...

Nampidirin'i hery @ 13:13, 2011-09-06 [Valio]

hafatra ho an`ny jiaby

Raha dinihiko ny lahatsoratara ato amin`ity blaogy ity dia,mahatsapa aho fa tokony heverina tsara daholo izay tokny atao. Tokony manavao saina hahalala ny sitrapon`Andriamanitra ny olona rehetra, vao manao zavatra, sao manao ny sitrapon`i devoly (io mantsy mpamono olona) ka raha manao ny sitrapon`io dia mazava ho azy fa dia betsaka ny ringana. Zavatra hita mantsy rehefa eo am-pamadihana dia voalaohany tsy maintsy misy toaka eo, kanefa ny sitrapon`Andriamanitra dia tsy mandova fiainana mandrakizay ny mpisotro toaka, amin`io fotoana io anefa hita eo misy mpitondra fivavavhana tsy milaza an`izany hoe tsy sitrak`Andriamanitra ny misotro toaka fa kanosa be, matahotra ho voapitika eo amin`ny toerany.Jereo anie ny salamo 88 e! Tsy toriana any am-pasana tokoa ny tenin`Andriamanitra, kanefa rehefa misy fahafatesana dia misy mitory eny am-pasana ohatran`nydia hiakatra velona nefa manohitra ny sitrapon`Andriamanitra, avy manaonona hoe fiadanana kanefa rehefa dinihina tsy hita izay fiadanana eo fa milahatra aza ny maty rehefa afaka andro vitsy.Betsaka ny zavatra hitako fa raha ireto hevitra maromaro ireto dia resy lahatra aho amin`ny tenein`Andriamanitra hoe: fantaro ny zavatra rehetra dia tano mafy izay tsara. Koa raha izaho dia aleoko manaraka ny voalazan`ity roger ity, tiako ho fantatra io Jesosy izay lazainy io izay nanaome azy izao hevitra tsara izao, hiallan`ny olona tsy hanao ny sitrapon`ilay manana ny herin`ny fahafatesana. Ny vola lany, ny fotoana lany, ny tena simba, ny fanahy manakaiky ny vavahadin`ny fianan-tsihita...Marin`izany, aleo Ilay velona.

Nampidirin'i AVEC vous @ 13:27, 2011-09-06 [Valio]

Misy toaka any amin'ny famadihana, fa tsy izay mamonjy famadihana rehetra no misotro toaka.

Ary tsy any amin'ny famadihana ihany no misy toaka.

- Tokony tsy hisy koa ny reveillon satria misy misotro toaka?
- Tokony tsy hisy koa ny 26 juin satria raha vao 26 juin dia misy resaka toaka koa ao izay?

Dia averiko indray, raha misy ny safidy hoe hanao famadihana sa Jesoa... dia mazava ho azy fa Jesoa no ho valiny. Na hisy safidy aza hoe hiditra am-piangonana sa Jesoa, dia mbola Jesoa koa ny valiny.

Saingy tsy mipetraka ilay safidy eto.

Hoy Jesoa hoe ny didy lehibe indrindra dia hoe "Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo" ka raha miteraka fifankatiavana tokoa ny famadihana dia ireo olona ireo izany no tena manaja ny didy voalohany indrindra.

Tandremo ary sao dia tonga amin'ilay hoe ny mpivaro-tena sy ny jentilisa no ho tonga alohanareo any an-danitra.

Nampidirin'i Hery @ 13:48, 2011-09-06 [Valio]

Ho ahy dia manaraka ny hevitr'i Hery ny tenako .Ny anampiako azy fotsiny: dia miara-mahalala tsara isika raha samy Kristiana daholo fa i Jeso no tonga olom-belona ,na de tsy voafaritra mazava ao amin'ny Baiboly aza izany de nandalo ny lalam-piainana rehetra teto an-tany hafatsy ny hoe ny fanambadina sy ny sasasasany ihany angamba.Ny tiko tenenina raha manaraka tsara ny ny testamenta misy ny tantara ny Jeso isika dia tsy misy mihitsy mintsy ao ny filazany Jesoa fa tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny fikarakarana sy ny fikolokolona ny razana.Ny notsindriany mafy sy naverimberiny matetika tamin'ny vaovao mahafaly nozarainy dia ny mahakasika ny tokony hialana amin'ny fanom-poantsampy na ny finoana 'ireo Andriamanidiso.Ka raha ny famadihana ataon'ny Malagasy manokana dia tsikaritra fa Kristianina maro no manantontosa izany ka ny ankamaroany dia tsy manadino ny vavaka atao sy ny fanggataha-tso-drano mandritra izany.Eny, ekeko fa amin'ireny de misy tokoa ny fampiasana toaka ;saingy tsy ny olona rehetra no midoroka izany fa matetika ireo olona izay efa voagejany ihany no mikasika azy.Hamehezako azy: de tsy ratsy ny famadihana fa ny fomba fanantarehana aza hoan'ireo fianakaviana sasany sy ny mpanantanteraka azy no maha indro kely izany indraindray. De ny fampiasana ny toaka sy ny fidorahana izany ka tokony hialana sy hofoanan izany.

Nampidirin'i JULES ULRICH @ 15:03, 2013-06-18 [Valio]

Anehoana fihavanana sy fifankatiavana eo @ taranaka amam-para no anisan'ny anton'ny famadihana. Tsy mbola misy lanonam-pifaliana mahavory olona maro, eny fokonolona mihitsy aza, mihoatran'ny famadihana. Eo no ahitana ireo lafikavana maro, sy hava-tetezana maro avy aty afara (zanaka, zafy, vinanto,....) Fanaporofoana fa misy firaisankina ny taranaka izay velona iray trano ary maty iray fasana izany fotoana izany, ary tsy hitsitsin-karena io satria fahasoavana ny harena. Fahasoavana avy @ zanahary nahary ny lanitra sy ny tany, zanahary mandray ireo vavaka entin'ireo razana eo aminy. Ny famadihana koa no "amadihana" ireo faty (décédé) ho razana (ancêtre) manakaiky an'i Zanahary (Dieu créateur), ka ireo razana ireo no mangataka fitahiana ho an'ireo taranany @ i Zanahary. Sahala aminay katôlika mangataka vavaka @ i Masina Maria (vavaka fiarahaban'ny anjely"... Masina Maria renin'Andriamanitra mivavaha ho anay mpanota"), sy @ ireo olo-masina mpiaro, no angatahan'ireo Taranaka vavaka @ ireo razana efa voavadika. @ finoana malagasy, raha mbola tsy voavadika ny faty dia mbola tsy mitahy ka izay no antony hanaovana lanonambe rehefa manao famadihan-drazana satria miandrandra fitahiana, vavaka entin'i Dada, Neny, Zoky eo @ Zanahary.
Antony iray hamadihana koa dia ireo razana ireo dia tokony lolohavin'ireo taranaka mifandimby no ireo anjara lova (trano, tany, tanimbary,fiara...) sy mamy navelany ho azy ireo, indrindra ny AINA; raha tsy nisy ireo razambe tsy nisy ny taranaka, mafy ho antsika olombelona izany hoe tsy miteraka, tsy manan-taranaka, hihary ho an'iza tokoa moa re.
Ny maha-kristianina tokony tsy ho sakana velively amin'ny tsy hamadihan-drazana. Izaho dia sahy mirehareha fa gasy ary katôlika

Nampidirin'i Fière d'être gasy et catholique @ 12:35, 2016-09-15 [Valio]

Aiza tao @ baiboly, na testamenta taloha, na testamenta vaovao no milaza fa mahazo mivady ny lahy sy ny lahy, na vavy sy ny vavy, kanefa misy fiangonana mahasahy manamasina mariazy lahy sy lahy, vavy sy vavy. Aiza ao koa no milaza fa fanompoan-tsampy ny famadihana, i Jôsefa aza maty tany Egypte, nalevina tany, nefa navadika nody an-tanindrazana ny razany. Tempolin'Andriamanitra no nahariana antsika, tsy hoe maty isika dia vita hatreo ny mahazanak'andriamanitra antsika ka tsy olana na very taolampaty, na miparitaka, ...

Nampidirin'i Dadafely @ 12:50, 2016-09-15 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry