« | »

Novonoina ho faty alina i Troy Davis

2011-09-22 @ 08:16 in Eritreritra mandalo

Na dia teo aza ny fanentanana, maneran-tany mihitsy, hanavotana ny ain'i Troy Davis dia novonoina ho faty tamin'ny tsindrona ihany izy alina. Tsy nihemotra, noho izany, ny daty farany novinavinaina namonoana azy. Efa in'efatra izy no saika hovonoina fa nisy hatrany ny sakana vokatry ny sakana noho ny fangatahan'ny mpiaro azy sy ny fisehoan'ny porofo vaovao.

Vigil for Troy Davis, Brussels, Belgium Mahalasa saina ihany ny fanamelohana ho faty toa izao satria hatramin'ny farany dia tsy nihaiky ny heloka vitany i Troy Davis ary mbola betsaka ny fisalasalana. Tsy nisy porofo tena mazava fa niankina tanteraka tamin'ny filazan'ny vavolombelona no nanamelohana azy. Ary ny ankamaroan'ireo vavolombelona aza taty aoriana dia niova hevitra sy niteny hoe vokatry ny fanerena nataon'ny polisy azy no nahatonga azy nijoro ho vavolombelona. Nisy mihitsy aza ny vavolombelona sasany no nijoro vavolombelona nilaza zavatra hafa sy nanameloka olona hafa indray.

Mahasahy ihany ny fanjakana amerikana izay lazaina fa mivoatra sy manana ny maha izy azy kanefa mbola manana lalàna mirakitra famonoana olona toa izany.

Dia an'iza indray no manaraka? Olo-meloka sa tsy manantsiny? Dia an'iza ny aina? 

Izaho aloha, na ny namonoana an'i Saddam Hussein aza dia tsy nankasitrahako mihitsy satria misy ny fomba hafa azo atao. Toa ny gadra mandrapahafaty dia tena mandrapahafaty tokoa fa tsy avoaka rehefa elaela... Soa ihany fa efa mivoatra ny any Madagasikara ka tsy misy fanamelohana ho faty... mivoatra noho i Amerika isika amin'io lafiny io.

Hevitra

Mbola misy fa saingy nahantona fotsiny

Peine de mort : Suspendue
Date de la dernière execution : 1958
A Madagascar, sont des délits capitaux les crimes contre l'État et plusieurs crimes prévus dans le Code pénal. La dernière exécution par fusillade remonte à 1958, alors que le pays était encore sous le régime colonial français.
Depuis l'indépendance en 1960, il n'y avait eu que deux condamnations à mort, qui ont été commuées. Mais en 2005, 11 personnes ont été condamnées à mort par un tribunal, pour le même crime.

Nampidirin'i mpandalo @ 13:10, 2011-09-22 [Valio]

Ohatran'ny mieritreritra aho hoe tena tsy izy no namono ilay polisy fotsy hoditra. Mahagaga ilay olombelona : izay namono olona vonoina, nefa avy eo miaraka mamono olona indray .... impunément ! Mampalahelo. Misy koa ny mpamono olona psychopathes sy ny karazany nefa dia gadraina fontsiny fa inty olona 1 fontsiny no maty ka ataoko fa tena fanavakavaham-bolokoditra tokoa ve io ? Asa anefa, Andriamanitra no hitsara !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 18:52, 2011-09-22 [Valio]

Testamenta taloha

Anisan'ireo lohalaharana eto an-tany eo amin'ny fampielezana ny filazan-tsara sy ny Baiboly ny amerikana . Ny zavatra filazany matetika dia ny tsy fisian'ny famelan-keloka amin'ny fivavahana hafa toy ny islamo . Atao ahoana anefa ny hanaparitaka ny tenin'Andriamanitra izay mandrisika antsika mpino hifamela heloka sy hifankatia raha ka ny maso soloina maso , ny nify soloina nify ka valifaty lalandava no aseho ?

Ny famonjena azon'ny mpino anefa tsy inona fa vokatry ny famindram-pon'Andriamanitra .

Nampidirin'i mpandalo @ 19:40, 2011-09-22 [Valio]

Mampalahelo

Ie, Andriamanitra aza tsy naka ny ainy, dia isika indray no mandidy alohany hoe "vonoy io" ! Marina izany, Andriamanitra no hitsara ity ataontsika ity...

Nampidirin'i Nannie @ 05:32, 2011-09-23 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry