« | »

Le complexe su Castor (2011)

2011-10-26 @ 04:26 in Sarimihetsika

Mr. Beaver PosterMitady torimaso ety ambony bus dia manoratra eto amin'ny blaogy vetivety. Tiako tehirizina ato fotsiny ilay film hoe "The Beaver" na "Le complexe du castor" (2011) tontosain'i Jodie Foster, ary lalaoviny miaraka amin'i Mel Gibson. Nety tsara mihitsy ny casting, ary tena efa mahay i Jodie Foster fa nivoaka tsara ilay izy.

(Attention, spoiler)
Mitantara ny dingana fanasitranan-tena (process of auto-healing) nataon'ny lehilahy iray izay tratran'ny depression ilay izy. Mba hahafahany manao ny asany sy ny fiainany ara-dalana dia nandray personnage hafa izy (castor) ka iny no nentiny nahatafita indray ny orinasa. Ny olany manokana, eo anivon'ny fianakaviany, izay tsy manaiky ny fisian'ilay "castor", anefa tsy mety mivaha. Dia io no votoatin'ny tantara.

Nety tamin'i Jodie Foster mihitsy ny "role" noraisiny, renim-pianakaviana be adintsaina (toy ny mahazatra), ary i Mel Gibson koa tsy nandisso fanantenana na dia somary mi-exagérer ihany aza izy. Fa misy an'ilay sipa iray iny (hjereko amin'ny internet refaveo ny anarany fa milalao amin'ny X-Men izy Jennifer Lawrence) hitako hoe tsara safidy koa. Misy mantsy tsy dia tafiditra loatra amin'ny personnage entiny.

Any am-piasana apetrak ny sary.

Inviato con Windows Mobile�.

Hevitra

Ny mba mahavariana ahy @ casting dia raha eritreretiko ho olona tsy dia malaza ny acteurs voafidy, dia sûre mihitsy aho fa tsy nilay ilay film, tsy nalaza ary tsy ho be mpijery. Izany hoe ilay acteurs no tena jerena fa tsy ny votoatin'ilay tantara ve ?
Raha resaka film nojereko farany dia "slumdog millionnaire", sendra nijerijery film tao anaty ordi aho dia tafajanona teo, tsy tia film indien aho fa toa nanintona ahy ilay izy, mba tsy nisy chorégraphie mihitsy fa nampalahelo sy niafara t@ tsara toy ny tantara rehetra e ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 09:01, 2011-10-26 [Valio]

kdaombaramita> Lojika be ilay izy. Ny artista malaza dia matetika tsy hanao film fantany mialoha hoe tsy hahazoany vola be. Ny realisateurs nefa dia tsy ho sahy handrotsaka vola be raha tsy fantany hoe tsara sy hahazo vola ilay film.

Dia tsy maintsy film tsara izany matetika no lalaovin'ny artiste malaza.

Nampidirin'i Hery @ 10:07, 2011-10-26 [Valio]

NON, na film ratsy be izao ary anie ka sendra ilay malaza ireny no manao azy dia toy ny tsara foana e ! Andramo anie mieritreritra film iray tena tianao ny olona tao anatiny dia eritrereto hoe olona tsy fantatra no mi-jouer raha tsy ho ketraka kely ny saina e, na inverser-o : film tsara fa olona tsy mamely no ao anatiny dia toy ny tsy dia mamely firy ! Il y a toujours une excuse.

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 17:00, 2011-10-26 [Valio]

Tsia ka ! Izaho manokana aloha dia misy mihitsy ny film tsy tiako lalaovin'ny olo-malaza e, ary maro koa ny film lalaovin'ny mpilalao mbola tsy malaza fa dia ankafiziko tokoa. Miankina amin'ny karazana film tian'ny tsirairay angamba io. Fa amin'ny ankapobeny dia marina ny tenin'i Hery. Raha film tsy heverina hahazoana vola be tokoa ve moa, inona no antony hanakaramana olo-malaza mitaky karama be hilalao ao ?

Nampidirin'i pissoa @ 07:31, 2011-10-27 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry