« | »

Tapitra tarangana

2011-11-16 @ 18:26 in Eritreritra mandalo

altMisy hetsika goavana sy fanentanana maharitra amin'izao fotoana izao momba ny hiaroovana ireo karazam-biby izay efa miha vitsy isa amin'izao fotooana izao.

Voalaza fa ny 40%-n'ireo "reptiles" dia ahiana ho lany taranaka. Ny antony voalohany moa dia ny fanimban'ny olombelona nyu tontolo manodidina azy. Ny fandoroana tanety, ny fambolena, ny fanajariana ny tany sns.

Fa misy antony faharoa kosa izay antony natoraly. Miha tsy zakan'izy ireo intsony ny vanim-ptoana amin'izao fotoana izao. Tsy noho ny fanimbana ataon'ny olona loatra fa vokatry ny fivooatry ny tontolo mihitsy. Lany, ohatra, na nihavitsy ny sakafo fihinan'ireny biby ireny. Miha-tery tsy azony onenana intsony ny toerana misy azy noho ny fitombon'ny biby hafa izay miroborobo kokoa. Raha fintinina dia efa tsy vanim-potoana tokony hahavelomany intsony izao.

Eo indrindra no mampisalasala ahy hanao ny fanentanana sanatria sao dia mitazona ny efa tokony ho lany tarangana. Misy fotoanany daholo ny zavatra rehetra. Misy ny taranaka mandalo eto antany. Ny dinozoro ohatra dia efa nahavita ny anjarany. Marina fa rava'ny meteorita nilatsaka teto an-tany, hono, no naha-fongana azy, saingy lalana natoraly ihany. Angamba ho sahirana ihany nyolombelona raha mbola nisy dinozaoro nandehandeha sy velona amin'izao fotoana izao. Misy koa ny taranaka voatery nivoatra sy nihavao. Ny olom-belona, ohatra, dia anisan'ireo karazana izay nivoatra miandalana nanaraka ny toetr'andro.

Koa angamba tsara ihany raha avela hidina ny natiora. Ireo karazan-java-boahary izay efa tsy afaka hiaina intsony dia avela handeha amin-kalalahana. Hain'ny biby, raha mbola tokony ho velona izy, ny maka volontany. Izany hoe miezaka miaina amin'ny zava-misy manodidina azy (toe-tany, toetr'andro) fa matoa ny biby tsy afaka mivelona intsony dia tsy zakany. Fitiavan-tenan'ny olombelona, fifalian'ny maso sa inona, fotsiny ny fanerena azy ireo hiaina amin'ny toerana tsy zakany.


Inviato con Windows Mobile�.

Hevitra

KA izao ilay olana, raha atao hoe ireny zavaboahary ireny dia efa tapitra ny vanim-potoany, eo aloha mety fa ny tsy hety tsy eken'y olombelona dia ireny no iaiainany, mivelona amin'ireny izy : fitadiavana, sakafo, ampiasaina, sns. Ny olana mipetra izany dia tsy misy solony ireny fa izay lasa dia any, tsy misy zava-baovao manolo azy ka manjary misy banga eo amin'ny fiainana.

Manginy fotsiny koa etsy andaniny dia nataon'ny olombelona fitadiavam-bola ny fitazomana ireny taranaka ireny, andaniana vola be tokoa ny siansa itadiavana ny fomba mbola hampiroborobo azy, indrisy fa na ny olombelona ary dia tsy andaniana vola toy izany.

Fa dia miombon-kevitra aminao aho : tout passe sans que rien n'y fasse !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 04:40, 2011-11-17 [Valio]

Ka Andriamanitra aza namonjy antsika ihany nefa isika koa mba efa cas desespere koa hi hi hi

Nampidirin'i pissoa @ 09:17, 2011-11-18 [Valio]

Isika olombelona koa efa azo lazaina hoe maro loatra raha oharina amin'ny sakafo azontsika ho enti-mivelona anie e. Izay no mahatonga an'ilay hoe ny olona miaina ao ambanin'ny "seuil de la pauvreté" indray no maro an'isa lavitra noho ny olona manana ny anjara ampy hoenti-miaina.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 10:25, 2011-11-18 [Valio]

misy an'zay serie hoe terranova izay... hoe alefa any @ ere an'ny dinozaoro ny olona... interessant...
ny tsy dia tena mapitovy azy fotsiny dia noentiny niaraka taminy ny teknolojia...

sinon mety ny fisian'ny zanak'olombelona mihintsy no remise en question ra ohatra ka hoe nitohy nisy ny dinozaoro... ny lalanan'ny natiora manko dia hoe didin'ny be sandy/saina foana no manjaka raha tsy misy ny katastraofy natoraly... dia izay no mba hoe te hampiavaka ny olona hoe tsy hanao "saim-biby" fa na dia hita fa resy aza izy dia avela hiaina satria... ny fiarovana ny ecosysteme tsy hiova be sy haingana loatra dia anisan'ny mampijanona antsika elaela kokoa eto... ny inevitable tsiny efa fantatra fa na mi-muter ho @ kreatira manantsaina sy ngoza vatana kokoa isika na lasa andevon'ny extraterrestre na lany tamingana @ voa-janahary, tsy voatery hoe meteorite na hoe planeta midofotra eto ihany fa indrindra ny hoe global warming...
tsika anefa mbola tsy nahavita vingtaine de millions d'annees akoriny... dia ho ambakain'ny dinozaoro eto ve??

:-)

Nampidirin'i simp @ 17:09, 2011-11-19 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry