« | »

Izay ilay politika

2012-01-21 @ 16:24 in Politika

Nisy sarimihetsika "The ides of March" izay vao nivoaka tamin'iny 2011 iny izay resaka politika avo lenta no tena ao anatiny. Na dia fitapitaka maloto sy mahafanina aza ilay izy dia mahaliana satria tena ady sy kajy politika. Fa nony nahita ity zava-niseho androany ity aho dia niaiky fa efa manomboka mahay politika ny HAT. Mino aho aloha fa misy mpanolotsaina matevina ao ambadik'i Rajoelina satria tsy eritreretiko ho izy no hahay zavatra toa izay nitranga androany.

Voafitak'i Rajoelina daholo androany na ny Communauté Internationale, SADC, na Ravalomanana mianakavy, na ny Mouvances Ravalomanana izay niandry tao amin'ny salon d'honneur, na ny governemanta Beriziky, na ny mpitandro ny filaminana (afats'i Gal Ravalomanana sy izay niaraka taminy).

Nesoriny hatry ny ela ny NOTAM satria tsy ara-dalàna ny fisian'ny NOTAM lava reny, na dia hoe efa nohavaozina kely aza. Fantany fa raha mamoaka NOTAM mialoha izy dia hosakanan'ny Governemanta sy hofaizin'ny SADC. Tsy mety aminy mihitsy anefa ny hiverenan-dRavalo dia navelany ihany hiainga ny fiaramanidina. Rehefa teny am-panidinana dia nohidiany ny seranana teny Ivato. Torohevitra avy aminy manokana mihitsy ilay NOTAM fa tsy tamin'ny Governemanta akory (Misy soratra mazava hoe PHAT INSTRUCTION). Natao haharitra adin'ny telo fotsiny izany NOTAM izany ary nolazaina tamin'ny fiaramanidina nitondra an-dRavalo hoe aiza izy no afaka mipetraka. Ny antony dia mba hanatanterahana ny fisamborana (Hoy ny minisitry ny serasera). Mazava ho azy fa niverin-dalana ny fiaramanidina nony nahita ilay NOTAM.

Ny zavatra nahaliana dia efa nisodisody teny Arivonimamo nandritra iny  herinandro iny ny mpitandro ny filaminana. Ny sasany nihevitra hoe mety Ravalomanana no hidina tampoka eny Arivonimamo dia nojerena ny fahafahan'ny fiaramanidina midina eny. Kay ry zalahy mihitsy no nanomana an'ilay hoe havily any ny fiaramanidinay.

Ny zavatra nahaliana anakiray koa dia ny Jeneraly Ravalomanana niteny hoe hitsena an-dRavalomanana kanefa izy tsy teny Ivato. Mazava izany fa toerana hafa no saika hitsenany an-dRavalomanana.

Dia inona no mety ho tohiny?

Henjan-droa ny tady. Efa miely be amin'izao fa tsy navelan'ny FT (tsy FAT intsony hono) higadona ao Madagasikara ny fiaramanidina. Ry zareo ao amin'ny mpitatitra an'habakabaka SAA - Airlink dia nanao filazana hoe nohidiana ny habakabaka Malagasy, ary tsy nolazaina azy hoe inona ny antony. Tsy hijanona amin'izany fotsiny izy ireo fa tsy maintsy hisy vokany izany. Efa miakapeo i Fransman fa hampiakarina eo anivon'ny UA na ny vondrona afrikanina ny resaka. Hitohy izany ny dinidinika saingy efa hita ihany koa ny fahefan'ny Tetezamita tsy hanaiky ny hidiran-dRavalo ka tsy maintsy hotohizany izany.

Ny hany herin-dRavalo?

Mody antsokosoko sisa no azon-dRavalo atao. Raha mody amin'ny zotra ara-dalàna tahaka ny androany izy dia tsy maintsy hisy NOTAM hisakana foana. Raha mody amin'ny fiaramanidina manokana indray izy ka fantatra mialoha dia mety vao maika hosamborina na ho zavatra hafa ny hanjo. Koa tsy maintsy tahaka izay fomba nialany tao Madagasikara ihany sisa no hidirany ao. Tsy nisy nahalala ny nialany tao Madagasikara sy ny nikarakara izany, ka azony atao koa ny tsy mampahafantatra ny fomba sy ny fotoana hiverenany. 

Hevitra

vao hoe tonga hatr@ hoe mivavaka manokana hoan'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana atao @ vavaka hariva any antokatrano ana-olona tsy dia tena fan-club taloha akoriny ary dia eeee... tsisy fika io wa fa ra vao tafiditra eto @ tanana dia mangoron'etana wazy ny PHAT...

mety nanana an'le eritreritra hoe aleo hody izy dia gadraina zao ny HAT fa vao nahita ny habetsaky ny pokona dia eee... saina tonga wazy hoe sao dia ho latsain'ny karatra eto fa aleo hilamina, ny tany hindramina...

Zavatra iray aloha no tena mazava @ izao, tsy tokony mampiasa airlink intsony ra8.... ary possible mihintsy tsy maintsy faintena ny HAT vao tafody eo izy...

Dans tout les cas, otran'ny toa malaza wazy tao lery, hifindra hitongilana any aminy wazy le majoritE silencieuse nohon'ny havendranan'ny HAT...

Ra tsisy ny sampona tena mety @ 2013 marina farafahahainga vao hilamina ity kozy ity... dia tsy maintsy ho i Maihol no lany ho ho ho

Nampidirin'i simp @ 11:15, 2012-01-22 [Valio]

Tena henjana mihitsy ny filalaovan'ireo mpanao politika ny politika, hihihi! samy mitady ny tombotsoany avy dia mandeha daholo ny ady sy kajikajy politika, ampiasaina ny vahoaka ahazoana mahatratra ny tanjona!!??.

Tena fetsy mihitsy koa lé Rajoelina, 10 minitra alohan'ny higadonan'ny voromby vao nampahafantariny ny NOTAM, @zay hoe lany kerosène!! mety anisan'ny fikany koa zany, tena tssss. Mafy ihany zany fatahorana an-dRa8 zany!!

Nampidirin'i mammysou @ 15:58, 2012-01-22 [Valio]

Raha ny fireharehan-dRavalo dia tsy hiditra an-tsokosoko izany izy.

Ireny zava-nitranga ireny dia ahitana soritra mazava fa mizara karatra tanteraka ny mpitandro ny filaminana, matoa tsy nety ny fisamborana azy tao Ivato. Tsy ny hamaroan'ny olona no olana fa ireo mpitandro filaminana miaro an-dRavalo izay mety niteraka fifandonana teo amin'ny samy mpitandro ny filaminana.Karazana "fampisehoan-kery" fotsiny ihany ny olona fa tsy mahavita na inona na inona.

Ny mampalahelo ahy mafy dia ireo mpandeha hafa (ny niara-dia tamin-dRavalo sy ireo nikasa handray ilay fiaramanidina ho any Johannesburg). Matetika dia misy fahamehana amin'ireny kanefa indrisy fa noho ny fahadalan'ny mpanao politika dia tsy tontosa ara-potoana ny diany

Nampidirin'i LazaDaddy @ 04:29, 2012-01-23 [Valio]

Mbola tsy tafavory ny fepetra

Ny fahitako azy indray dia toa maika loatra Ravalo, toa ny sarety indray no apetraka alohan'ny omby.
Ny fepetra rehetra hampiharana ny tondro zotra dia tsy mbola tafavory daholo, izy anefa tonga dia nanao hitsin-dalana.
Tsapako fa mafy anie izany te-hody an-tanindrazana izany.

Fomban-dRavalo taloha fony izy nitondra io manapotsitra voalobo-jaza io mitady izay hahamasaka azy maika.Toa mbola tsy niova ihany ny lehilahy .Telo taona an-tsesitany.

Tsy mbola fantatra ny laharapahamehana amin'ny fampiharana ny tondro zotra ....tsy afak miara-mitranga daholo akory ireo fa tokony hisy lamina .

Nampidirin'i mpitady ny soa @ 19:17, 2012-01-23 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry