« | »

Ny fahotana sy ny fatiantoka

2012-05-24 @ 16:52 in Izaho sy ny ahy

Nisy fomba fiteny iray nanaitra ahy androany nahatonga ahy hampitaha ireo teny roa ireo. Cout d'opportunité no iantsoan'ny frantsay azy ary amin'ny resaka toe-karena no ahitana azy.


Hatramin'izay, ny famaritana ny fatiantoka dia hoe "ny masonkarena analàna ny vidy ivarotana". Mahazo tombony ny mpivarotra iray raha toa ka betsaka noho ny masonkarena ny vidy ivarotana. Maty antoka kosa izy raha mifanohitra amin'izay. Raha miverina fotsiny ny masonkarena dia azo heverina hoe tsy nahazo tombony izy no sady tsy maty antoka ihany koa. Eto indrindra no miseho ilay "coût d'opportunité". Raha toa ka nisy toombom-barotra tokony ho azo nefa tsy nalaina dia midika ho fatiantoka. Efa tokony ho anisan'ny nampitombo ny masonkarena nampiasaina tsinona iny saingy tsy niditra.

Dia toa izany koa ny resaka fahotana. Ny olona manao ratsy dia manota. Tsy ampy nefa ny tsy manao ratsy hahafahana miteny hoe tsy nanota. Fa manota koa ny olona tsy manao ny tsara tokony ho nataony. Io karazana fahotana io no antsoina hoe "péché par omission" boriborian'ny gasy hoe "adidy tsy vita".

Ny "péché par omission" izany dia fatiantoka vokatry ny "coût d'opportunité"

Hevitra

Ohatra hoe : non-assistance de personne en danger ;)

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 15:09, 2012-05-25 [Valio]

ka le izy na hoe tsy manao ny ratsy fotsiny aza dia efa sarotra be ny manatanteraka anazy ka aiza ary...
sady i A/tra ve dia hitsongoloka be otran'zao @ andro fitsarana?? ratsy toetra an ^^

Nampidirin'i simp @ 16:19, 2012-05-25 [Valio]

Marina mihintsy zany karazana manque à gagner koa.zay mihintsy ilay lazain i Albert Einstein hoe« Le monde ne sera pas détruit par ceux qui font le mal, mais par ceux qui les regardent sans rien faire. »

Nampidirin'i Voromailala @ 07:41, 2012-05-26 [Valio]

Izay tokoa angamba no mahatonga an'ilay hoe "tsy misy olona tonga lafatra"; satria na tsy manao ratsy aza izy, dia mbola azo atao ihany hoe "diso" satria tsy maintsy misy "zava-tsara" izay mbola tsy nataony. Lalina tokoa aloha ilay izy, satria tsy maintsy manompo misimisy kokoa hatrany hatrany izany ny tena fa raha tsy izany dia azo helohina foana...

Nampidirin'i raprôsy @ 17:31, 2012-05-26 [Valio]

andrana

Nampidirin'i hery @ 07:19, 2012-05-29 [Valio]

Oups...

Nampidirin'i hery @ 07:20, 2012-05-29 [Valio]

s par ceux qui les regardent sans rien faire. »SEO

Nampidirin'i SEO @ 08:05, 2012-06-30 [Valio]

Raha toa ka nisy toombom-barotra tokony ho azo nefa tsy nalaina dia midika ho fatiantoka. Efa tokony ho anisan'ny nampitombo ny masonkarena nampiasaina tsinona iny saingy tsy niditra.Flagstænger glasfiber

Nampidirin'i SEO Florida @ 12:42, 2012-06-30 [Valio]

tsy nataony. Lalina tokoa aloha ilay izy, satria tsy maintsy manompo misimisy kokoa hatrany hatrany izany ny tena fa raha tsy izany dia azo helohina foana...
SEO Agency

Nampidirin'i SEO Agency @ 09:57, 2012-08-24 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry