« | »

Don Bosco any Madagasikara: midika inona?

2012-08-25 @ 06:54 in Finoana sy Fivavahana

Miteraka resa-be ho an'ny tsy katolika, ary mety mampametra-panontaniana ho an'ny mpino katolika ihany koa, amin'izao fotoana izao ny fandalovan'ny sisan-taolan'i Don Bosco any Madagasikara. Tonga tao Toliara tamin'ny 16 aogositra lasa teo tokoa mantsy ny vata fitaratra misy ny sisan-taolan'i Md. Joany Bosco ka entina mitety ireo tanàna misy ny irak'asa ataon'ny Salezianina ao Madagasikara ka hipaka hatrany Antsiranana mandritra indrindra ny JMJ (Androm-pirenena ho an'ny tanora) amin'ny maha mpiaro manokana ny tanora azy. Katolika aho no manoratra, hevitra amin'ny maha katolika no zaraina ary fomba katolika no resahina. Noho izany mety tsy ho azon'ny tsy katolika mihitsy ny resaka. Na izany na tsy izany dia zaraina ho an'ny rehetra mba hahalalana hoe hay toa izany no fandraisana sy iainan'ny katolika izao hetsika lehibe izao.

Md. Don Bosco no namorona ny fikambanan'ny mompera Saleziana ny taona 1859 tao Turin. Feno 150 taona izany ny nijoroan'ny fikambanana tamin'ny 2009. Tamin'io taona 2009 io indrindra ara no nanapa-kevitra ny fikambanana ny handefasana ny sisan-taolan'i Don Bosco hitety ireo faritra iasan'izy ireo erantany. Izany dia hifarana ny 2015 izay mifanindry indrindra amin'ny tsingerin-taona faha 200 taona nahaterahan'i Don Bosco. Efa nitety faritra sy firenena maro ny sisan-taolan'i Don Bosco talohan'izao nahatongavany eto Madagasikara izao, ary fahasoavana lehibe hatrany no nandraisan'ireo mpino katolika azy.

Inona marina ary no dikan'ity fandalovan'ny sisan-taolan'i Don Bosco ao Madagasikara ity?

Momba ny sisan-taolan'olomasina

Voalohany indrindra dia fomba iray manan-danja eo amin'ny Katolika ny fanajana ny sisantaolan'olomasina (reliques). Ary tsy voatery ho sisantaolana ihany fa izay rehetra nifampikasokasoka tamin'ilay olomasina, na fitaovana, na trano, na soratra ihany koa. Ny foto-pinoana mikasika ny fanajana ireny sisan-taolana ireny dia tsy mivoana amin'ny foto-pinoana fanajana ny olomasina. Ireny no porofo mivaingana fa tena niaina teo anivon'ny olona tokoa ilay olomasina, ka mampatsiahy ny oha-piainana feno fahamasinana niainany sy mamporisika ny hiaina toa azy ihany koa. Sy ny fahatsapana fa vokatr'izay fahamasinana niainany izay dia eo anilan'Andriamanitra izy ka afaka miara-mivavaka sy manampy ny vavaka ataontsika ao amin'ny fiombonan'ny Olomasina.

Tsy manana fahamasinana manokana ny sisan-taolana fa ny hany fahamasinana ananany dia ny fahatsapàna fa nisy olona izay niezaka hatrany nanatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra ka neken'ny Fiangonana ho azo alain-tahaka. Ny katolika izany isaky ny mahita sisan-taolan'ny olomasina dia tsy mijanona amin'iny zavatra hitany iny fa mahita kosa ny ambadika fonosiny dia ilay toetra masina azo alain-tahaka sy atao modely nananan'ilay olona fony izy tety an-tany. Tsy manana hery manokana ihany koa, araka izany, ny sisan-taolana fa ny hery hany ananany dia ny fahatsapàna fa miaraka sy miombom-bavaka amintsika ilay olomasina, manampy ny vavaka izay ataontsika amin'i Jesoa.

Don Bosco

Fivahinianana masina

Ny fahatsapàna izany firaisam-po sy fiombonana amin'ny olomasina izany no mahatonga ny katolika mandeha mivahiny any amin'ireny toerana nahaterahan'ny olomasina ireny, na koa mijery ny toerana misy ny sisan-taolan'ny olomasina ireny. Fivahinianana masina na pélerinage no iantsoana izany dia izany. Tsy voatery afaka handeha hamonjy fivahinianana masina avokoa anefa ny olona rehetra ka dia nandray fanapahan-kevitra ny fikambanan'ny Saleziana hitondra ny sisan-taolan'i Don Bosco hivahiny indray any amin'ny olona. Izany hoe tsy ny mpino intsony no hifindra toerana hamonjy fivahinianana masina fa i Don Bosco no tonga manatona azy ireo. Io izany no antony voalohany.

Famangiana

Amin'ny maha lehibe mpanorina ny fikambanan'ny Saleziana an'i Don Bosco, toa ireo lehibem-pikambanana rehetra, dia endriky ny fitsidihany ny asan'ny misionera ihany koa izao fandalovan'ny sisan-taolan'i Don Bosco izao. Famelombelomana sy fanehoana ny asa vita sy ny mbola tokony hatao, ho voninahitr'Andriamanitra. Mandritra izao famangiana izao dia ny Fiangonana manontolo mihitsy no mitsidika sy mijery ireo toerana misy ny mompera sy masera saleziana. Miara-mivavaka amin'izy ireo sy mahita ny asa ataon'izy ireo. 

Fizaram-pahasoavana

Antony iray ihany koa dia ny fizaràna ny fahasoavana sy ny fifaliana azon'ireo izay mahita tsy tapaka isanandro ny sisantaolan'i Don Bosco ao amin'ny Basilika Marie Auxiliatrice ao Turin. Tsy notazomin'izy ireo ho azy irery izany fahasoavana izany fa nekeny hozaraina amin'ny kristianina hafa maneran-tany.

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry