« | »

Dahalo dahalo

2012-09-07 @ 19:52 in Politika, Fiaraha-monina

Samy nahita an'ireny sary mandratra maso sy fo nipaaritaka etsy sy eroa ireny Agaamba ny Gasy manana internet. Sary mampiseho olona vitsivitsy mitsirara, efa tsy misy aina intsony, novonoin'ny fokonolona satria hono dahalo. Nafatotra tamin'ny bao toa tsy misy lanjany sy tsy misy hasiny amin'ny maha olona azy.

Raha ny tena izy aloha dia tsy tokony hiseho ireny sary ireny. Rahefa mampiseho sary misy olona maty amin'ny sehatra azon'ny rehetra jerena dia tokony hafenina sy takonana hatrany ny endrika sy ny ratra mba tsy hanohina ny mpamaky sy ho fanajana ny momba ilay maty.

Voaporofo ihany taty aoriana fa tena dahalo ireo novonoina ireo araka ny fitantarana ny zava-misy nataon'i Vola Rotsy, tovovavy kely vao 14 taona monja, anisaan'ireo dahalo nanafika.

Sazy henjana indrindra no nanjo ireto dahalo satria fanamelohana ho faty avy hatrany tsy nandalo fitsarana. Tsy afaka niaro tena na farafaharatsiny nanazava ny antony akory. Fa fahavoazana ho an'ny fokonolona ihany koa satria tsy afaka nanao fanadihadiana tsara akory ny fanjakana mba hahafahana misambotra ny dahalo hafa. Ny maty hono mantsy tsy miteny. Ka mbola mety hisy dahalo hafa ho tonga hanafika azy indray. Mety hanao valifaty mahery vaika koa ny dahalo ka tsy haharo tena intsony ny Fokonolona. Fihetsika tsy voahevitra ihany izany ireny nitranga ireny ka anjaran'ny tsirairay no misoroka azy tsy hiverina intsony.

Fa ny toe-javatra toa ireny matetika dia taratry ny fanjakana tsy milamina. Tadidiko ny fotoanan'ny 1991 izay nisian'ny fitsaram-bahoaka be tao Antananarivo. Tsy azo nitokisana intsony ny polisy sy ny zandary ka raha vao misy olona tratra mangarom-paosy fotsiny dia avy hatrany dia doran'ny olona. Tsy azo natao mihitsy tamin'izany ny mihazakazaka sao misy manao antsoantso dia enjehin'ny olona. Dia izany koa no atahorana hitranga, tondro molotra dia mety hahafaty. Ka na tena dahalo na tsy dahalo fa misy mpankahala dia tsy handalo fanadihadiana sy tsy ho afaka hiaro tena akory.

Asa rahoviana vao hilamina.

Hevitra

Ny zava-mitranga toy izao dia endrika iray mampiseho fa tsy mahafehy, na tsy miraharaha, na manao fanahy iniana mihintsy ny lazaina fa manam-pahefana eo @ fitondrana, ny dahalo ve moa tsy efa nisy hatrizay? fa ireto mpitondra tetezamita ity no tena raindahiny, inona no mba ataontsika vahoaka Malagasy mba hahatsiarovan'ireo saina? Simba ny firenena rey olona a!

Nampidirin'i limena @ 21:42, 2012-09-07 [Valio]

Mijereva liveleak.com raha te hahita ny zava-mitranga eto an-tany. Rehefa ny lohany no mibolila, tsy maintsy miaro tena ny vahoaka.
Ahoana ireo mopera tao Antsirabe mpamono sy mivarotra taovan'olona? Mba nomena ny fitsarana, nefa toa izy ireo indray no mirehareha eraky ny tanĂ na fa afaka? Tsy naleo ve novonoin'ny vahoaka?

Nampidirin'i sitl @ 02:48, 2012-09-08 [Valio]

Ry malagasy! vaosiosy tanteraka n hasina;manao izay mety @ avokoa n eo fitondrana ka manjaka n halatra ny herisetra . . . s n jiolahy.fa saody r zareo ao @ fitondrana ihany ar le lehiben'ny jiolahy.
Tsy miey intsony n hasina maha olona fa ny vola no ambony.*

Nampidirin'i afatra @ 11:15, 2012-09-12 [Valio]

amiko aloha dia tsy fankasitrahana ny mpitondra fanjakana @zao no mampisy ny tsy fandriam-pahalemana eto @ firenena. Izany hoe ao ambadik'izao tsy filaminana misy eto izao dia misy mpanao politika mpanam-bola miezaka mampiasa ny volany entina hanankorontanana mba hamiliana ny mason'izao tontolo izao fa tsy milamina ny firenena, tsy mahafehy fanjakana ny mpitondra, dia foronina daholo zao fanakorotanana rehetra izao. Efa nisy ohatra izao ny sakan-dalana, ny halatr'olona t@faritra sasany, ny club satanique, izao 'ndray ny dahalo ........... santionany ireo fa raha ny fahitako azy dia tsy hisy mihintsy ny filaminana eto madagasikara raha tsy lany ny volan'io mpanao politika io, fa dia hitady ny fomba rehetra hanaratsiana ny fitondrana misy foana io olona io ary ny vahoaka no mimbaby ny hagegeny.

Nampidirin'i Veloma @ 12:53, 2012-09-30 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry