« | »

Felix Baumgartner, vitany ihany

2012-10-15 @ 07:17 in Vaovao

Tamin'ny 9 oktobra teo vao tena nalaza be ny anarana hoe Felix Baumgartner, lehilahy 43 taona avy any Autriche. Tamin'io daty io mantsy izy no hoe hitsambikina avy eny amin'ny 36 km, ary hiezaka hihoatra ny hafainganam-pandehan'ny feo hono. Tsy tanteraka izany tamin'iny daty iny ary betsaka no nieritreritra hoe tena resaka varotra ity satria ny Red Bull no manohana azy voalohany. Saingy omaly 14 oktobra dia tanteraka soa amantsara ihany izany ary nandritra ny fotoana nitsambikinany dia nahatratra 8 tapitrisa ireo nanaraka nijery teo amin'ny Youtube.

Anisan'ny nanaraka ilay horonantsary nandritra ny adin'ny roa sy sasany aho. Niandry ilay fotoana hialany ao anatin'ilay boaty nitondra azy niakatra. Nony nipaika ny 36km dia nieritreritra hoe hitsambikina amin'izay, kay teo vao nanomboka ny fanomanana farany rehetra nefa ilay ballon nitondra azy mbola niakatra ihany. Teo amin'ny 39 km vao nivoaka izy ary nitsambikina.

Nisy ahiahy kely hita soritra teny amin'ny mpanaraka rehetra nony nahita azy nivadibadika afaka 1 minitra nitsambikinana, ny hafainganam-pandeha nidina efa nahatratra 1000 km/ora. Fa nony avy eo voatazony nahitsy ihany ny tenany vao nisento ny mpijery. 

Toa izao ny famintinana ilay filatsahana avo indrindra

Dia tsy naharitra i Michel dia mba nanao koa :-)

 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry