« | »

Ny fahalanian'i Obama tsy mitondra soa ho an'i #Madagasikara

2012-11-07 @ 08:13 in Ankapobeny, Politika

Satria efa tsy nitondra soa nandritra izay 4 taona nisian'ny krizy politika teto Madagasikara izay.... Io ny valiny mivantana (noho ity lahatsoratra ity miseho any amin'ny twitter) fa velabelariko eto ambany ny fanazavana.

Obama dia avy ao amin'ny antoko demokraty... azo raisina hoe antoko havia. Izany hoe mitady ny tombontsoa tanteraka ho an'ny madinika, ary tsy dia miraharaha loatra ireo izay efa manana. Nandritra iny efa-taona iny ohatra dia nimasoany ny resaka fahasalamana, ny fanomezana asa ireo madinika, ny famelomana indray ireo orinasa izay maty na niha nalemy (mba hitsiinjovana ireo madinika hatrany). Vokany dia nitombo ny fitiavan'ny sarambabem-bahoaka Amerikana azy satria tena nitsinjo ny Amerikana maro an'isa tokoa izy. Dia efa azo antsaina ihany fa tsy maintsy ho lany indray Obama satria mbola ireo olona notohanany ka afa-nitraka ara-pivelomana ireo no maro an'isa nifidy azy.

Ny vokany anakiray anefa dia tsy dia nidiran'i Obama lalina ireo fahasahiranan'ny firenena hafa. Nahena be ny teti-bola miasa ho an'ireo firenena izay idiran'i Amerika lalina (Irak sy Afghanistan) ka nahena ny isan'ny miaramila Amerikana any. Nitombo be koa ny tsy firaharahian'ny Amerikana ireo firenena izay tsy ahitan'i Amerika tombontsoa manokana. Rariny izany satria tsy ampy amin'izany intsony ny teti-bola izay efa bahanan'ny raharaha anatiny toa ny fahasalamana sy fanabeazana ary ny ekonomia. Dia tafiditra ao anatin'io i Madagasikara.

Ny vaindohan-draharahan'ny antoko havia (toa ny demokraty Amerikana sy ny sosialista Frantsay) izany dia ny resaka ara-tsosialy ao amin'ny fireneny aloha vao ny resaka ara-tsosialy any amin'ny firenena hafa. Koa tsy dia manana fananenana firy aho ny mbola handraisan'i Amerika anjara mivatana kokoa amin'ny famahana ny krizy ao Madagasikara. Koa mifalia indray ry TGV fa mbola manana fotoana lavalava hijanona eo amin'ny tetezamita(tra) ianareo... noho i Obama. Ary ianareo zanak'i Dada indray dia mitadiava lalana hafa fa tsy atakalon'i Obama ireo Amerikana sahirana maro mbola tsy maintsy avotany ny Malagasy.

 

Hevitra

Tena mitovy hevitra aminao aho ny momba an'i Obama sy ny fireneny. Saingy ny resaka sosialista frantsay kosa dia mbola manohy ny asan'ilay fohy kely, vokany : tsy niova ny zava-misy ao Dago satria mbola manohana an-kolaka io puchista io izy. De toute façon, tsy maintsy mitady harena hafa any amin'ny firenena mahantra io tany iray faharoa io, ka tsy ho afa-bela i Madagasikara raha mbola eo i Obama. Manindry mafy ny amerikana mantsy ny frantsay @ resaka anciens colonies ka tsy afaka manohatra. Isika koa tsy manana fitaovana sy fahaizana mi-exploiter ny harena ao amintsika, fa samy maka ho azy, didin'ny be sandry sy be vola. Tsy misy fika !

Nampidirin'i Kdaombaramita @ 13:26, 2012-11-08 [Valio]

izay aho vao nandalo teto fa dia mitovitovy amin'io ihany koa ny hevitro

Nampidirin'i jentilisa @ 19:04, 2012-11-20 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry