« | »

Fony i papa toa ahy

2012-12-31 @ 11:38 in Mozika


Anisan'ny tena nahalasa eritreritra ahy tamin'ity vanin'andro androany ity hoe tamin'i papanay nanana izao taonako izao dia inona avy no efa vitany taminay zanany?

Efa teraka daholo izahay 6 mianadahy. Ny faravavy efa 5 taona tamin'izany ary ny lahimatoa efa hifindra kilasy famaranana. Mbola erotrerony tamin'ny asa izy.

Efa betsaka koa ny fandraisana anjara nataonay teo anivon'ny fiaraha-monina... izay namolavolany anay. Ny chorale, ny skoty, ny fikambanana teny am-piangonana, ny lomano, ny judo, ets.

Nahavita zavatra goavana sahady izy, indrindra ho an'ny zanany, efa azo lazaina mihitsy hoe nahalehibe satria kely sisa aho tamin'izany dia afaka bacc. 

Dia mieritreritra ny mba vitako amin'izay aho vao tonga saina hoe nahavita be ny ray amandreny taloha. Zaza iray ara ny anay no velomina, mbola tsy firy taona akory dia efa miha fotsy ny volo ary miha sola ny loha. Marina fa sarotra ny fiainana, nefa na izany aza.

Koa natokako indray ity andro androany ity hisaorana ireo ray aman-dreniko tamin'ny zavatra efa vitany sy mbola ataony amin'izao fotoana izao. Misaotra fa nahavita ny adidinareo ianareo... dia tsofy rano tsara izahay mba hahavita mihoatra izay vitanareo ihany koa amin'ny taranaka amam-para.




Hevitra

Hery,
dia tena voalazan'i Hery tokoa ny zavabitan'ireo Ray aman-dRenintsika. Iderako an'i Hery manokana anefa ny fitodihan'i Hery any amin'izy ireo amin'ity andro androany ity, izay raha ny mahazatra dia ny tompom-pety no mangataka ho ivon'ny fankalazana.
mirary soa ho an'i Hery koa amin'izao fotoana lehibe ho an'i Hery izao. Andriamanitra anie homba an'i hery sy ny ankohonan'i Hery manontolo.
Hasy.

Nampidirin'i dadasy @ 01:37, 2013-01-02 [Valio]

tena nahavita ny taloha ka fa rahatrizay koa isika mba ho lazainy ny ankizy oe nanao be tokoa ry zala taloha zany an

Nampidirin'i news2dago @ 10:40, 2013-01-08 [Valio]

Na izaho koa aza rehefa mandinika ny vitan'i Mamanay tamin'ny nananany izao taonako izao dia toa variana be fotsiny. hoatra ahy izao izy efa niteraka 9 ary ny farany efa 4 taona tamin'izany. Velony tsara izahay ary vitany koa ny nampianatra anay!
Fampianarana ho antsika rehetra ny ray aman-dreny e

Nampidirin'i Fifaliana @ 12:15, 2013-02-14 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry