« | »

Arovy ny kaontinao

2013-02-20 @ 00:11 in Informatika

Mirongatra izaitsizy tato ho ato ny mpangalatra kaonty amin'ny internet. Ny ao amin'ny facebook no tena misy lasibatra. Gaga ianao indraindray hoe fomba ahoana no hahatafidirany kanefa ny tenimiafina efa mba atao faran'izay sarotra ihany. Koa ireto misy torohevitra vitsivitsy hiarovana ny kaonty... indrindra ireo izay mametraka ny fiainany manontolo amin'ny facebook :-p

par Damian Gadal

Tsy holazaina intsony angamba ny hoe ataovy sarotra ny tenimiafina. Efa mba maro mantsy ny mahalala hoe tsy fampiasa ho tenimiafina intsony ny daty nahaterahana na ny anao na ny an'ny sipanao na vadinao na zanakao. Efa araky ny mpangalatra kaonty izany matetika ka na dia avadibadika aza dia mora ho azy ny manao kajy sy manao andrana an-tapitrisany mandrapahitany azy. Misy koa ireo tenimiafina izay teny heverina ho tsy misy mahalala kanefa fantatra ihany satria mbola teny hita anaty rakibolana sns.

Raha toa ka efa sarotra ary ny tenimiafina, nahoana no mbola misy tafiditra? 

Anisan'ny lesoka lehibe ihany, raha facebook no resahina, dia ny fampiasàna ny adiresy email mahazatra ho fanalahidy hidirana. Marina fa adiresy email no angatahan'ny facebook kanefa tsy vaotery ho adiresy email fampiasanao andavanandro izay fantatry ny olona maro no isoratanao anarana. Raha izany mantsy dia efa azon'ny olona mahalala ny adiresy email-nao andramana sahady ny miditra amin'ny kaontinao... ny tenimiafina sisa no ilainy.

Ny hadisoana matetika koa dia ny mampiasa tenimiafina tokana ho an'ny takelaka rehetra andehanana na email izany na facebook na ireo toerana hafa toy ny twitter, instagram sns. Raha sendra vaky mantsy ny fiarovana amin'ireo toerana hafa dia mivoha midanadana ho azy ny kaonty rehetra. Ny fomba fanaon'ny olona matetika, rehefa tsy te hitadidy tenimiafina maro, dia ny manasokajy ny takelaka hidirana arakaraka ny hasarobidiny. Ireo takelaka tsy dia maninona loatra na dia misy tafiditra aza dia omena tenimiafina mitovy. Ireo takelaka mirakitra zavatra sarobidy kokoa dia omena tenimiafina mitovy hafa noho iretsy aloha. Ary ny takelaka tena sarobidy toa ny banky sy ny resa-bola dia tenimiafina hafa mihitsy ihany koa, ary raha azo atao dia iray isaky ny takelaka.

Ny olana hafa dia mety ho hita amin'ny fampiasana internet any amin'ny cybercafé. Ny voalohany indrindra aloha dia raha toa ka olon-dratsy ilay mpandrindra ny cybercafé. Azony atao ny mitsikilo na mitahiry ny zavatra soratanao amin'ny ordinaterany. Zavatra mampigadra tanteraka izany kanefa mety misy manao. Mila mitandrina hatrany izany rehefa mandeha amin'ny cybercafé. Mba jerena izay azo itokisana. Matetika ny takelaka fandraisana tenimiafina sy ireo takelaka saro-pady toa ny banky sns dia manomboka amin'ny https:// (misy s) ny adiresy. httpsNy adiresy toa izany dia midika hoe adiresy azo antoka satria miafina ny anona rehetra mivoaka amin'ny ordinatera ka tsy azo fantarina. Koa mila jerena ihany koa sao dia tsy adiresy azo antoka no ampiasaina. Ankoatra izany, mbola any amin'ny cybercafé ihany, indrindra any Madagasikara, dia eo ny tsy fitandremana na ny fahamaizana. Vokatry ny fitsitsiana dia indraindray tsy voahidy tsara akory ny session ka mijanona misokatra azon'ny olona manaraka hidirana. Ho fisorohana izay olana izay dia misy ireo fitaovana fijerena internet izay tsy mitahiry ny mombamomba anao ao amin'ny ordinatera (navigation anonyme). Amin'ny google chrome ohatra dia rehefa manindry ny Ctrl+Maj+N dia manokatra varavarankely vaovao izy ka izay ampidirinao eo na adiresy na tenimiafina sns dia tsy voatahiry ao amin'ny ordinatera.

Tenimiafina tsy mora adino nefa sarotra vinaniana

Raha manana olana amin'ny fitadidiana ianao dia misy fomba iray ity izay natoron'ny olona mba hananana tenimiafina tsy mora adino nefa sarotra vinaniana. Raha toa ka tena zatra ianao mitahiry tenimiafina tokana ho an'ny takelaka rehetra dia iny tenimiafina iny no atao fototra. Fa avy eo izy afangaro amin'ny zavatra hafa amin'ialy takelaka hidirana (ohatra hoe ny renintsoratra rehetra na ny zanatsoratra rehetra na ny ampahany). Avy eo dia azonao ampiana marika izay mahaliana anao ihany koa. Ohatra hoe "rakoto" no tenimiafina mahazatra anao dia azonao atao hoe "gmrakoto13" ny tenimiafina fidirana amin'ny gmail.com (nasianao gm teo aloha ary 13 teo aoriana), "horakoto13" ny fidirana ao amin'ny hotmail, "yarakoto13" ny fidirana amin'ny yahoo sns. Betsaka ny zavatra azo afangaro hahazoana ilay tenimiafina hotadidiana, ohatra hoe atao sorabaventy (majuscule) ilay tapan'ny site "GMrakoto13", na ny renintsoratra ihany no atao sora-baventy "GMRaKoTo13" sns.

Farany, tsy voatery mitadidy tenimiafina rehetra ianao. Ny takelaka rehetra izay mangataka hampidirana tenimiafina dia misy hatrany ny fanoroana ny tokony hatao raha sendra very ny tenimiafina. Raha tena tsy hitanao izany ny tenimiafina dia afaka mandeha amin'iny. Tandremo anefa fa farafaharatsiny mba fantatrao ny tenimiafin'ny email izay andefasan'ilay takelaka ny fomba hakàna tenimiafina vaovao.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry