Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 234

Warning: preg_replace(): The /e modifier is no longer supported, use preg_replace_callback instead in /home/blaogycom/public_html/class/data/textfilter.class.php on line 235
« | »

Fandraisana ny Papa Fransoà

2013-03-13 @ 23:31 in Izaho sy ny ahy, Finoana sy Fivavahana

Dia isaorana an'Andriamanitra fa mbola teny amin'ny Bazilikan'i Md Piera teny Vatican indray koa aho tamin'ny nandraisana an'i Papa Fransoà, toy ny tamin'ny andron'i Benoà XVI.... efa nampoizipoiziko ihany, na dia be aza ireo mpanakivy, fa androany no ho voatendry ny Papa vaovao. Ny tany am-piasàna dia gaga hoe tena ho eny ve aho satria vatrako ny naka congé tapakandro hariva kanefa mety tsy hisy Papa mbola hivoaka akory. Zoma avokoa no noeritreretin'ny olona. Fa izaho nanantena ihany hoe tsy hiandry ela izany ny Kardinaly.

Tamin'ny 7 sy 10 ary no nivoaka ny setroka fotsy. Nifanesika ny olona nameno ny tokotany malalak'i Md Piera. Tsy nisy nihemorana sy nivoahana intsony mihitsy satria tsy avelan'ny olona hivezivezy fa manakona hono. Soa ihany fa efa tsy avy intsony ny orana satria izay nampiakatra saina na elo dia nihorahan'ny tany aoriana satria tsy mahita hono ry zareo. Henoko ombieny ombieny tamin'ireo mpitsidika sy mpivahiny nanodidina ahy ny hoe "Faly aho fa eto na dia efa adin'ny telo aza no nijoro", sy ny hoe "Tsy mbola tonga saina mihitsy aho hoe eto Vatican amin'izao fotoana izao". 

         

Tamin'ny valo mahery kely dia nirehitra daholo ny jiro tao amin'ny ambony rihana tao amin'ny bazilika, rehefa avy eo dia efa hita nanangasanga teo amin'ny varavaran-kely andaniny avy ny kardinaly maro. Efa antomotra izy izany, hoy izahay. Inona tokoa fa tsy ela dia nivoaka ilay kardinaly Jean-Louis Tauran nilaza ny "Habemus Papam". Nihoraka sy nitehaka ny olona. Nolazainy ny anarany rehefa avy eo... heno tsara ihany ilay Jorge Mario fa ny tohiny no tsy heno. Nifampitodika nifanontany daholo ny teo amin'ny manodidina fa tsy nisy nahalala afatsy ry zareo niteny espanola teo anilanay no gaga hoe ohatry ny hoe Bergoglio, avy any Argentine. Na ry zareo aza tsy de nino tsara raha tsy nandre hoe Jorge Mario ny fanampin'anarana, minitra 2 na 3 vao tonga ny vaovao niampita hoe Francesco no anarana nofidiny. Tsy dia tena nihoraka ny teo satria tsy nampoizina ilay anarana. Nandritra izany dia nihidy ny lambam-baravarana... dia niandry minitra vitsivitsy indray. Nipoitra amin'izay ny Papa, izay vao tena nihoraka ny olona. Papa mbola tanora no fijery azy ary sariaka nefa matotra. Fa ny tena nambabo dia ny fahatsorany tamin'ny zavatra noteneniny.

Naverimberiny ny maha Eveka azy, Evekan'i Roma. Niverimberina koa ny hoe "Fratelanza" na firahalahiana izay fifandraisana tokony hisy eo amin'ny Eveka sy ny vahoaka hoy izy. Nanaitra koa ny fanentanany teo amin'ny vavaka. Teo aloha ny vavaka miaraka, tamin'ny teny Italiana, ho an'i Papa Benoa XVI, dia teo koa alohan'ny tso-drano ny nanentanany ny vahoaka hangina hiara-mivavaka ho azy. Dia tena nivavaka tokoa ny olona. 

           

Taorian'ny tso-drano moa dia "Buona notte" sy "buon riposo" hoy ny Papa dia nitodi-doha nody ny olona an'hetsiny maro. Feo heno teny ambavan'ny maro nandritra ny kilometatra vitsivitsy ny hoe "Isaorana Andriamanitra nanome Papa tsara", "Papa be fanetren-tena", "Hitondra rivo-baovao", Koa dia apetraka eo antanan'Andriamanitra izay tena tompon'ny Fiangonana ity Papa Fransoà ity. Ho modely amin'ny fitiavana ary ho mpitarika feno fahendrena.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry