« | »

Hiova ny abidy malagasy?

2013-03-19 @ 15:20 in Kolotsaina

Lala sy Nuru

 Manaraka ny asa ataon'ny Akademia Malagasy momba ny "fanatsarana" ny teny malagasy aho ka amin'izao fotoana izao dia eo amin'ny momba ny Handrafetana (indray) ny abidia malagasy ry zareo. Nadikako ato moa ilay izy na dia tao amin'ny lisitra serasera izay hita ato aza no tena nandefasany ny resaka.


Mahaliana ahy aloha ny fomba fitondrany ny resaka satria mamaly avy hatrany ireo efa nanakiana azy tao amin'ny serasera sy ny fisalasalana mety hisy izy. Na izany aza anefa dia apetrako eto ihany ireo hevitra izay manitikitika ahy ka inoako fa hamaly izy.

1. Ny fitsipika hoe feo iray ho an'ny litera iray, ary litera iray ho an'ny feo iray.

Misy teny malagasy vitsivitsy izay sarotra fehezina amin'io. Misy ireo teny malagasy izay tiana hamoaka feo [o] no tsy tena mitovy. Ohatra ny teny "noana" (tsy ampy sakafo) sy ny "naona" (fitaraindrainana). Ny "loaka" sy ny "laoka". Amin'ny ara-peo ireo teny roa ireo dia samy mamoaka feo [o] avokoa saingy ny fifamadihan'ny "a" sy ny "o" no hahenoana kely ny fahasamihafany.  

2. Fampidirana litera vaovao sy fanatsoahana litera nampiasaina

Hitako ao amin'ilay rindra-kevitra fa hampidirina ny "u" ary hoesorina ny "y". Izany rahateo hoy izy dia fiverenana amin'ny firafitry ny abidia malagasy hatramin'ny voalohany raha ny tantara no jerena. Araka izany dia ny "u" no misolo ny feo [ou] izay ampiasaina amin'ny "o" amin'izao fotoana izao, ary ny "o" kosa dia manjary manana feo [o] toa ny an'ny teny frantsay.

Iriko mba hojeren'ny Akademia Malagasy tsirairay ny teny malagasy rehetra misy ny litera "o" ka ezahiny ampiharina io fampidirana litera vaovao io. Ankoatra ny mety hisian'ilay olana eo amin'ny fitsipika voalaza etsy ambony mikasika ireo zanatsoratra roa (oa sy ao) izay samy mahafehy feo irao ([o]) dia mety hifanehitra amina teny vitsivitsy izay manaraka fitsipika malagasy izy. Ka anisan'izany ohatra ireto fanamarihana ireto:

  • Faran-teny: Ny ankamaroan'ny teny malagasy dia tsy tononina ny teny farany. Ny teny hoe "rano" ohatra dia vakiana fotsiny hoe "Ran" saingy heno kely ihany ny litera farany. Hanaraka izay fitsipika izay ve ny fametrahana ny "u" ho faran-teny? Toy ny hoe "Tuntulu" na koa "Mululu".
  • Tsindrim-peo: Mifanohitra amin'izay, ahoana kosa no atao raha toa ka faran-teny misy tsindrim-peo ? Ny faran-teny mamoaka feo [ou] dia maro no ampiasàna tsindrim-peo toa ny hoe "Mankato", "Filazana manjò", "Afa-po", "fo", "lo". Indraindray moa dia misy mihitsy ny mametraka ny tsindripeo amin'ny "o" farany ka lasa "ò". Dia ho toa izay koa no handraisana ny "u" ? Sa manjary hasiana "a" faran-teny? Misy tokoa mantsy ny manoratra hoe "Mankatoa". I Solonavalona aza moa manoratra hoe "Abidia" fa tsy hoe "Abidì".

3. Fehiny

Mino aho fa tsy ho maimaika hamoaka lalàna mikasika ity firafitry ny "abidy" ity ny ao amin'ny Akademia Malagasy fa handinika tsara ny teny tsirairay mety hiantraikan'izany na ny avy ao afovoantany izany na ny avy any antsiraka. 

(Sary: Boky Lala sy Noro)

 

Hevitra

Nofinofy izany fa sarotra dia sarotra ny hanatanterahana azy. Vao maika koa mampisalasala ny fanesorana ny y sy ny fampidirana ny u. Hanasaro-javatra io ary mety vao maika hanosika ny olona tsy hitia ny teny Malagasy. Ny hiafaran'io ho lasa oul ihany ny olona fa tsy ol...

maika loatra ny haka tahaka frantsay ilay izy nefa ny au sy ny eau ary ny o aza toa mitovy fanonona ihany.

Tsy haiko aloha fa sarotra ho'aho izany manova zavatra efa mipetraka tsara izany

Nampidirin'i jentilisa @ 19:28, 2013-03-19 [Valio]

Toa a,'i jentilisa, mbola ho henjana sy sarotra ! Ny eo aza tsy voafehiko akory, raha izaho no lazaiko !

Nampidirin'i Fahamarinana Maharitra @ 20:16, 2013-03-19 [Valio]

tena tsy mety ity fikasana ity amiko satria mety hamono ny teny malagasy mihitsy aza any aorina. Izao ary mbola maro ny olona mandiso tsipelina ko vao maika hanova any @ fotony dia asa angamba

Nampidirin'i news2dago @ 07:03, 2013-03-20 [Valio]

Miarahaba ni mpampiditra hevitra rehetra!

Mahaliana tukua ni fifanakaluzankevitra etu amin'ni serasera.org.
1. Tena ilaina ni hisian'ni fanuvana ni abidia na dia hu antsika sami gasi ihani aza.
2. Tena ilaina kua ni fanauvana lahakevitra miankina amina lalatsaina efa eken'ni maru an'isa.
3. Mbula meti hisi ve uluna mazutu hiara-mandinika iu paika iu? Raha eni ni valini, dia mahafantatra uluna ni tenaku meti hanume tuerana azu ivuriana.

Nampidirin'i i_raStefa @ 20:25, 2013-03-20 [Valio]

Hiteny "Swahili " izany isika malagasy atsy ho atsy,
raha ny fandehan'izao fanovana izao no jerena.Miray hevitra amin'ireo namana sasany namaly tetsy ambony ny tenako,amin'ny fomba ahoana moa no ahafahana "manavao" raha ny efa teo aza tsy mbola voafehy?
"Ny eo am-bilia tsy lany ny any am-bilany takarina?"
Anisany ny fepetra takiana ao anatin'ny ilay hoe fivoarana ve izany sa sodòka ny te hitovy amin'ny hafa fotsiny ihany?
Iangaviana ry zareo ao amin'ny Akademia malagasy mba tsy hanaonao foana fa handinika tsara aloha vao mitsabatsabaka sao hanenina.
Tsy aleo ve ny efa eo aloha no hamafisina atao matotra tsara.
Loza hoan'ireo taranaka faramandimby izany koa! sady efa ho very Tanindrazana ny ho mbola very tenindrazana ihany koa.
"Inona ary izao no maha-Gasy anao?"
Inuna ari izau no maha-gasi anau?

Nampidirin'i Gasyjean @ 20:09, 2013-03-21 [Valio]

tsy nampoiziko hoe ny akademia no hanana io eritreritra io

Nampidirin'i jombilo @ 05:12, 2013-03-23 [Valio]

Nampiditra ilay lahatsoratra "Fandrafetana abidia (1)" tokoa aho tamin'ny 15/03/2013.
Misaotra anareo etsy ambony namaly sy misaotra ny mpiandrakitra ny blaogy nampita tamiko ireo valinteny ireo.
Ho valiana daholo ireo fa mialoha, mila fanomanana dia indro ny tohiny: "Fandrafetana abidia (2)", ity moa ny ahy alefako maily ao amin'ny Serasera@yahoogroupes.fr ka ho hitanareo ao.
Misaotra

Nampidirin'i Nav @ 14:16, 2013-04-06 [Valio]

Valiteny ho an’i Jentilisa Blaogy
Raha tsy diso aho toa mipetraka eto Antananarivo ianao. Tsy fantatro raha nanatrika ny velakevitra nataoko tao amin’ny Akademia Malagasy ianao raha toa teto tamin’ny 7 Febroary sy 7 Marsa 2013 momba ny « Fandrafetana abidia ho an’ny teny malagasy ».
Anisan’ny nahita ny lahatsoratra momba io abidia malagasy io ihany koa ianao, lahatsoratra nalefako ho an’ny mpikambana ao amin’ny Kianja Serasera, mitondra ny lohateny hoe : « Ity teny malagasy ity (7) ».
Nohazavaiko tao amin’ny Akademia sy tao amin’ny lahatsoratra Ity teny malagasy ity (7) ny tantara sy ny lalàna mifehy io problema io : Fifandraisan’ny Feo – Litera amin’ny fandraiketana an-tsoratra ny teny iray (toy izao mitranga amin’ny teny malagasy izao : amin’ny 26 Marsa 1823 isika izao) :
Lalàna :
Feo iray – Litera iray ihany
ARY
Litera iray – Feo iray ihany
Io no lalàna fototra mifehy ny fananganana ny teny malagasy (ary marim-pototra ho an’ny teny rehetra na iza na iza) ary mihodina amin’io ny adihevitra rehetra eto amin’ity fanadihadiana momba ny teny malagasy ity.
Ity ny fanontaniana ho anareo rehetra ary ho anao manokana :
Fanontaniana A :
 Ankatoavinao ve io lalàna io ?
 Raha tsia, inona no lalàna atolotrao ?
Hoy ianao etsy ambony amin’ny blaogy :
Fitanisana :
Vao maika koa mampisalasala ny fanesorana ny y sy ny fampidirana ny u.
Tapitra ny fitanisana
Vao avy nanamarina aho fa hitanao ny lahatsoratra voalohany nahatonga ity blaogy ity : Fandrafetana abidia (1) : 15/03/2013.
Voarainao koa tao amin’ny Kianja Serasera io lahatsoratra io ary voalaza ao indrindra ny tantara namoronana ireo Zanatsoratra voalohany izay milaza indrindra ny momba ny « ou » (« u »).
Angatahina ianao hiverina hijery ny tantara.
26 Marsa 1823 : Hoy ny Mpanjaka Radama I tamin’i David Jones (efa nolazaiko imbetsaka fa ny mamerina indroa manana ny antitra, hoy ny fitenenana) :
His Majesty said : « I have changed my mind since yesterday. I now appoint the French vowels and English consonnants to write my language ».
Io no Didy nanapahana ny Zanatsoratra tamin’ny teny malagasy :
a, e, i, o, ou (u)
Ity ny fanontaniana anao :
Fanontaniana B :
 Ekenao ve ireo zanatsoratra ireo ?
 Raha tsia, inona ny zanatsoratra arosonao ? Omeo ny antony hanohananao ny hevitrao.
Tsy hanontany momba ireo fanambaràna hafa nataonao manaraka aho fa ireo fanontaniana 2 ireo no angatahina ho valianao.
Nav

Nampidirin'i Nav @ 15:33, 2013-04-08 [Valio]

Salamelayukaum!
Mankasitraka ireu rehetra efa nanume ny heviny, fa raha ny ahy sy ireu manudidina any dia efa niuva ny abidia. Tsy mbula misy fitsipika raikitra, fa ny mumba izany dia mivuatra tsikelikely eu ihany. Ny abidia eritreretiku sy eken'ny saiku dia ny abidia mifanaraka amin'ny an'ireu maru an'isa au amin'ny fianakaviana Malay. Any nu tukuny ifanakekezantsika fa tsy hangala-tahaka be fahatany ny an'ny tandrefana.
Raha raisiku uhatra futsiny izau ny anaran'uluna iray izay mahazatra hue "Randrianantoanina", ny mahazatra ny Malagasy maru amin'ny famantarana ny fiavian'iu anarana iu dia ny hue: "Antoine", ny marina dia mituvy dika sy fihaviana amin'ny teny SEA (sud est asiatique) hue "tuhan" (Dieu). Ny tiaku ahatungavana dia tsutra: raha tantua (tentua= bien sur) isika ka mituhy manalavitra ny SEA dia tsy hu very tsikelikely eu amin'ny valalabemandry ny dikan'ny teny, tsy hu fantatra intsuny ny tena dikan'itsy na irua. Uhatra amin'izany, mba misy mahafantatra ve ny dikan'ny hue "bakaru" (naha Alatsinainy bakaru an'alatsinainy bakaru)?, misy mahafantatra ve ny nihavian'ny teny hue Besarety? (Bediabe ve ny sarety tau?), Ary farany (miala tsiny)Mihinan'ny amaniny ve nu izy sa minuman'ny amaniny?
Mbula maru dia maru ny uhatra ahafahana manindrihindry fa tsy afa-miala amin'ny SEA isika raha te hiveluna ara-kulumpitenenana. Ka huy ahu hue, aleu hendry ary mitsutra, fa tsy henatra ny mifanakaiky amin'ny an'ny tena dia ny SEA izany.
Misautra Tumpuku. ( Izany akury tsy mandrisika antsika ny hanuva ny "Misautra" amin'ny "Terimakasih").

Nampidirin'i Rainisalama @ 07:21, 2014-09-02 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry