« | »

Objectif Zoom Hanimex 70-210 mm

2013-03-23 @ 21:23 in Izaho sy ny ahy, Sary

Tsy nisy objectif lava ny fakantsary reflex digital ampiasaiko (mbola EOS 350D). Tsara foana ny sary saingy vokatr'izay tsy dia afaka manalehibe zavatra lavitra. Mba hahafahana maka sary lavidavitra dia mila manana objectif mahataka-davitra kokoa, izany hoe lehibe kokoa ny Distance focale. Dia nitady tamin'ny internet fa hitako lafolafo daholo ilay izy raha vao mihoatra ny 200mm. Ny hevitra hita dia hoe hanandrana hampiasa an'ireo objectifs fampiasa amin'ny fakantsary Canon analogiques, izay mora kokoa, kanefa rehefa avy eo dia mila mividy adaptateur (fa tsy adapteur no fiteny) hahafahana mampiasa azy amin'ny EOS. Dia teo no nifanenako tamin'ity Hanimex 70-210mm ity izay novidina 30 Euros tao amin'ny Ebay.

Fitenin'ny olona matetika hoe ny objectifs no tokony handaniana vola satria iny no tena antoky ny sary tsara. Tena marina mihitsy io, saingy azo atao koa ny mahaso sary tsaratsara raha ohatra ka tena hay ny mikirakira ny objectif na dia tsy tena lafo vidy aza. Ity hanimex 70-210mm ity, ohatra, dia hitako fa afaka mamoaka sary tsara saingy mila fanandramana maromaro.

Tsy misy Auto-Focus ny Hanimex 70-210mm, izany hoe tsy afaka miantehitra aminy rehefa maka sary fa tsy maintsy mampiasa tanana. Mety ho mora manjavona izany ny sary raha tsy mahay. Misy safidy vitsivitsy kosa nefa eo amin'ny fisokafany ka ny mazava indrindra dia f/4.0 ary ny maizina indrindra dia f/22.

Toa izao ny vokatry ny fanandramana vitsivitsy. Azo tsindrina ny sary raha hijery ny dika lehibe kokoa.

Ireto aloha izany ny vokatra rehefa mampiasa an'ilay Objectif Canon 18-55mm AF. Natao automatique daholo.

Automatique 18mm (f/8, 1/1000sec)
Automatique 55mm (f/36, 1/30sec)

Io 55mm io izany no farany lehibe azo avy aminy.

Nony nampiasaina amin'izay ilay Hanimex dia toa izao ny vokatra azo tamin'ny safidy maromaro samihafa.

 

70mm, f/22, 1/30sec
70mm, f/22, 1/40sec

 

70mm, f/22, 1/50sec
70mm, f/22, 1/60sec

 

Nony naka 210mm dia hitako fa tsara kokoa raha atao maximum ny ouverture, izany hoe f/4 dia ny vitesse no natao haingana kokoa. Ny nampanjavona ny sary dia vokatry ny tsy nahazoana tsara ny focus na koa vokatry ny fangovitana tamin'ny nanapiaka azy.

 

210mm, f/4, 1/1000sec
210mm, f/4, 1/800sec

 

 

210mm, f/4, 1/500sec
210mm, f/4, 1/320sec

 

Toa izao kosa izy raha 210mm ihany fa ny ouverture atao faran'izay kely f/22 ka ny vitesse no natao miadana kokoa.

 

210mm, f/22, 1/50sec
210mm, f/22, 1/40sec

 

 

210mm, f/22, 1/30sec
210mm, f/22, 1/25sec

 

Famintinana.

Toa izao izany ny famintinana antsary ny fiantraikan'ny ouverture sy vitesse raha mampiasa an'ilay 18mm.

 

f/9, 1/1000sec
f/3.5, 1/1000sec

 

 

f/3.5, 1/2000sec
f/22, 1/2000sec

 

Hevitra

Mba azonao omena ve Hery ny toetr'andro sy ny Ora ary ny position-nao Rehefa naka ireo sary ireo? Ohatra fotsiny dia ampy fa tsy voatery homenao dahalo ny momba ny conditions nangalanao azy rehetra. Moa ve nihetsika ianao, nandeha fiara Ohatra, sa nampiasa trépied?
Misaotra mialoha

Nampidirin'i Paul Ad ANDRIANANTENAINA @ 23:46, 2013-03-23 [Valio]

Sary nalaina tamin'ny 11 ora maraina ka hatramin'ny 12 ora atoandro ireo. Nisy masoandro be na dia tsy tena manga aza ny lanitra. Tsy nampiasa trépied fa notazomina tanana avy eo ambaravaran-kely ary izay no nampanjavona (flou) ny sary sasany indrindra rehefa mampiasa distance focale ngeza.

Nampidirin'i Hery @ 07:41, 2013-03-24 [Valio]

Tandremo aza tsy ho lasa mpanao voyeurisme na apprenti espion eo am-baravarankely ...

Nampidirin'i Dot @ 06:02, 2013-03-25 [Valio]

milay le sary ka.
Mila mampiasa trepied angamba ra tena haka sary lavitra

Nampidirin'i news2dago @ 08:22, 2013-03-27 [Valio]

Hampiditra hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2017 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry