« | »

Paka, i Jesoa no nitsangana (fa tsy bitro na atody)

 

Paka indray ny andro, fety sy fifaliana no mameno ny fo taorian'iny karemy, 40 andro, izay nandinihana ny fijalian'i Kristy iny. Alohan'ny resa-bitro dia tantaraiko kely ny fety taty. Nanomboka tamin'ny 11 alina ny lamesa. Na dia avy be aza ny orana alina dia feno ihany ny fiangonana ka tsy afaka nipetraka ny lehibe... raha tsy faram-parany. Nitontona tsara tamin'ny 12 alina ny hira voninahitra izay nampanenoana ny lakolosy lava reny. Tomombana ny feo ka nazava tsara daholo ny vakiteny 8 nitantara ny tantaram-pamonjena sy evanjely. Ny toritenin'ilay mompera koa nanentanentana na dia efa dilan'ny sasakalina aza. Fa ny tena nanoratako dia momba ity resa-bitro mandritra ny Paka ity.


Mahagaga tokoa mantsy fa lasa fetim-bitro sy fetin'atody fotsiny sisa ny Paka ho an'ny ankamaroan'ny olona. Tsy voatonona mihitsy aza indraindray ilay Kristy nitsangan-ko velona. 

Momba ny fetim-bitro. Tany Alsace (France) hono no niatombohan'ity resa-bitro ity taloha elabe. Angano iray mitantara renim-pianakaviana mahantra izay tsy afaka nanolotra "chocolats" ho an'ny zanany nandritra ny Paka. Dia atody no nolokolokoiny sy noravahany ka napetrany tao an-jaridaina. Hitan'ireo zanany ny atody ary hitany koa nisy bitro sendra nandalo dia noheverin'izy ireo ho ilay bitro no namoaka ny atody. Dia nanomboka tamin'izay hono isaky ny paka dia niandry an'ilay bitro hanatody ry zareo. Niparitaka eran'i Allemagne ilay fomba ary tonga hatrany Etazonia. Dia mazava ho azy fa rehefa zavatra no tonga any etazonia dia lasa manan-danja be :-). Lasa ilay atodim-bitro indray no nalaza sy nandrasana isaky ny Paka fa tsy ilay fitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty intsony.

Momba ny fetin'ny atody kosa indray dia azo lazaina misy ifandraisany amin'ny maha Kristianina ihany. Manambara ny nisokafan'ny fasana nilevenan'i Jesoa sy ny nitsanganany tamin'ny maty, toa ny akohokely mivoaka avy ao anty atody. Misy lovantsofina avy amin'ny Kristianina Ortodoksa aza milaza fa rehefa nandeha niteny tany amin'ny amperora Tiberiosy i Maria Magdalena (izay nitondra atody) hoe nitsangana tamin'ny maty i Jesoa dia tsy nino ilay amperora ka niova loko lasa menamena ny atody teny an-tanany. Fa na io famantarana momba ny atody io ara dia tsy voatantara intsony ankehitriny fa lasa atodin'ny atsapaka sisa ilay atody. 

Koa adidiko sy adidin'ny Kristianina ny manambara amin'izao Paka izao ny tena dikany izay fototry ny finoan'ny Kristianina. Mamerina ilay hiakam-pifaliana naverimberin'ny Kristianina voalohany hoe I Jesoa dia nofantsihina ka maty, fa nitsangan-kovelona tamin'ny andro fahatelo ary izahay no vavolombelon'izany.  

Tratry ny Paka daholo.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry