« | »

Tsy maintsy manohy tetezamita Hery Rajao

2014-01-23 @ 13:41 in Politika

Dia i Hery Rajaonarimampianina izany no lasa filoham-pirenena ara-dalàna amin'izao Repoblika faha-4 izao. Marihina fotsiny hoe ny atsasaky ny Malagasy no tsy nifidy, ary mbola atsasaky ny Malagasy ihany noa no tsy nandàny izany Repoblika faha-4 izany. Tamin'ireo nifidy dia nolazaina fa nahazo 54% i Hery R. ary betsaka ireo nilaza hoe nangala-bato izy. Izany hoe raha tena be indrindra dia 25%-n'ny Malagasy no nifidy azy. Fa tsy maninona izany, aoka fotsiny tsy hisy hitaraina :-)

Hery Rajaonarimampianina

Tsy tokony hitaraina tokoa satria efa tara loatra ihany izany nefa hita sahady fa ho betsaka ny diso fanantenana. Hita sahady tokoa fa tsy maintsy ho fanohizana ny fanonganam-panjakana sy ny tetezamita niainana nandritra ny 4 taona no hitohy. Tsy afa-miala amin'izany mihitsy i Hery Rajao. satria niray petsapetsa tamin'izy ireo tao. Tsy afaka handà ireo mpitaky valisoa isan-karazany izy. Hanomboka hatramin'ny miaramila izany, izay tsy maintsy hampatsiahy ny nanaovany an-dRavalo. Indrindra fa ireo miaramila izay mbola mifandray tendro tanteraka amin'i Rajoelina.

Tsy afaka ny hisambotra ireo izay nangalatra sy nanodikodina harem-pirenena tamin'ny tetezamita izy satria efa mazava izao ny fomba fanao. Mora ny manakipaka filoha rehefa misy ny vola... ary mora koa ny mametraka filoham-pirenena vaovao rehefa misy ny vola.

Tsy afaka hiala amin'ireo mpanam-bola sy be afera Malagasy sy Karana izy na dia hampitombo ny harenany amin'ny fambotriana ny Malagasy aza no hataon'ireo satria afaka manapaka ny rambony koa ireo mpanambola ireo.

Tsy ho hery vaovao mihitsy izany i Hery Rajao. Niankin-doha tanteraka tamin'ny mpamatsy sy mpanosika azy izy ka tsy maintsy mamerim-pitia ho azy ireo raha tsy izany dia hiala na halàna mora foana eo amin'ny fitondràna. 

Izay no mety ho nahatsara ny olona tsy notohanan'ny mpanan-karena, mpanam-pahefana sy mpanana basy, mba hahafahana mipetraka ho filoham-pirenena mahaleo tena tokoa.

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry