« | »

Silvia ilay mpitandro filaminana

2014-04-09 @ 08:58 in Eritreritra mandalo

Tadidinareo angamba ilay nitranga tamin'ny volana janoary lasa teo tetsy Vatican taorian'ny vavaka "angelus" nataon'ny Papa. Rehefa vita ny vavaka dia nandefa voromailala fotsy anakiroa ny Papa. Vao niainga anefa ilay voromailala dia notafihan'ny vorona roa lehibe. Niteraka resa-be sy fanitarana ary fihomehezana ilay izy. Nisy koa ireo niezaka nitady ny hevitry ny zava-niseho ka niteny hoe resin'ny ratsy ve ny "fiadanana"? Ny fanazavàna voaray dia hoe niavaka loatra ireo voromailala fotsy ka mora ho an'ireo vorom-be no nanao azy ho haza. Misy voromailala maro ihany eto Roma saingy mainty sy mivolondavenona izy ireo ka tsy hitan'ny vorona hafa satria mifangaro amin'ny lokon'ny arabe. Fa ireto voromailala fotsy mariky ny fiadanana ireto kosa dia mora lasibatra. Izy ireo rahateo dia inoana fa vorona tsy zatra nirenireny ka tsy afaka niaro tena firy.

Koa nanapa-kevitra ara ny tao Vatican fa hiaro ny voromailala alefan'ny Papa ka tsy hisy intsony ny tahaka ireny. Amin'ny fotoanan'ny Paka izao tokoa mantsy dia mbola hisy ny voromailala maromaro halefa hanidina ho mariky ny fiadanana sy fandriam-pahalemana. Ny hevitra hitan'izy ireo tamin'izany dia ny hamoaka ihany koa voromahery iray izay efa voabaiko ka hanenjika ireo vorona izay mitady hanafika ny voromailala. Ny anaran'io voromahery io dia "Silvia" ary vorona izay atahoran'ireo takatra sy goaika. 

Marefo tokoa ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, mora simban'ny faharatsiana... ka mila tandrovana sy arovana.

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry