« | »

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny)

Isan-taona dia mankalaza hatrany ny fetim-pirenena tahaka ny Malagasy rehetra koa ny Malagasy eto Italia, etsy ambany ny filazalazana izay efa nisy hatrizay. Koa tamin'ity dia nandefa hafatra ny tao amin'ny masoivoho hoe amin'ny 28 jiona no hanaovana izany fety izany. Nasiany fanamarihana kely moa ery ambany hoe "Fitafiana mihaja". Nahagaga ihany io fanamarihana io fa toa ny hoe manasa olona hamonjy mariazy ianao dia asianao soratra eny ambany hoe "Fitafiana mihaja". Nojereko ny tahirintsary fa toa mba mihajahaja ihany ny olona hatramin'izay. Tamin'ny réveillon aza (jereo eto) toa nihaja daholo ihany afatsy olona iray na roa (iza ary o?). Fa tsy any moa no resaka. Herinandro mahery taty aoriana anefa dia nilazana indray izahay fa noho ny antony manokana dia ahemotra ny 5 jolay ny fety. Dia samy naminavina hoe angamba tsy ho eo ny mpiandry raharaha (izay efa nilaza am-pahibemaso sy nivavaka mihitsy [sic!] tamin'ny fihaonana farany mba tsy ho eo intsony amin'ny 26 jiona... fa tsy neken'Andriamanitra angamba ny vavaka nataony, na mody nivavaka fotsiny). Dia raikitra izany fa ny 5 jolay. Ny sasany izay nanofa fitafy mihaja moa (satria raha mihaja noho izay efa nanaovana hatrizay angamba tsy maintsy hofaina fa tsy takatry ny vola loll) dia tsy maintsy nanova daty. Ireo efa nanamboatra fandaharam-potoana handeha hanao fialantsasatra volana jolay voatery manova fotoana na tsy afaka hiara-mankalaza... fa samy mbola nanontany hoe nahoana.

Andro vitsivitsy taty aoriana ny tao amin'ny masoivoho dia nandefa filazana (fampandrenesana) fa hoe ho avy handalo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Ary faly nilaza ny programany. Efa im-betsaka ihany no misy manam-pahefana mandalo teto (minisitra sns) fa tsy faly mampandre toa izany mihitsy ny ao amin'ny masoivoho raha tsy hoe angaha iantsoana ny Malagasy (toa ny tamin'ny fandalovan'ny Praiminisitra Jacques Sylla izay niantsoana ny Malagasy na andro fiasana aza jereo eto). Tamin'ity filazana ity andefa dia tsy nisy fiantsoana ny Malagasy hihaona amin'ny filoham-pirenena ka tsy dia hitako ny antony nandefasana azy ho an'ny rehetra.

Teo amin'izay vao samy nieritreritra hoe izay izany no antony nanemorana ny fankalazàna ny fetim-pirenena? Dia nahoana anefa no nahemotra? Tsy vao mainka aza ve azo araraotina ny nihaonana tamin'ny Malagasy rehetra eto Italia izay efa vonona hatrany rehefa fetim-pirenena? (sady efa hanao fitafiana mihaja ihany?) Tsy vao mainka aza ve fifaliana ho an'ny Filoham-pirenena no mihaona amin'ireo Malagasy aty an-tany lavitra aty tahaka ny raiamandreny mamangy zanaka mba tafavory amin'ny toerana iray? Sa ve tena feno be ny fandaharam-potoanan'ingahy Filoha ka tsy afaka handalo amin'ilay fetim-pirenena? Nefa raha misy fety angahga moa izy voatery hijanona ao mandritra ny fety iray manontolo fa na fifampiarahabana fotsiny aza? Sa ve sahirana mafy amin'ny fandraisana ny Filoha ireo ao amin'ny masoivoho ka tsy afaka hikarakara ilay fetim-pirenena? (Marihina fa ny fety tamin'ny réveillon dia tsy nianteherana masoivoho fa ny trano no nilaina taminy ka raha tena sahirana ry zareo dia afaka nokarakarain'ny Malagasy ny fety.) Sa ve mikorotandrotana fiaina ny Malagasy eto Italia ka tsy mendrika hihaona amin'ny Filoham-pireneny? Sa ve olona vitsivitsy (iza) ihany no tokony hihaona amin'ny Filoham-pirenen'ny Malagasy rehetra? Sa ve ? Sa ve? (Rehefa tsy misy fanazavana tsinona dia ny "Sa ve?" sy ny "hono hono" no tompon'ny laka.

Koa tsy anjaran'ny Malagasy eto Italia aloha izany no mihaona amin'ny Filoham-pireneny amin'ity indray mitoraka ity. Tsy mba tahaka izay nitranga tany "Frantsa" sy tany Johanesbourg sy ny hafa koa izay nandalovany ka niantsoany ny diaspora. Faharesena faharoa taorian'ny fahalatsahan'ny ekipan'i Italia tamin'ny amboara eran-tany (lolll).

(Mikatona ny fononteny)

Koa satria, hoy aho tetsy ambony, mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenena malagasy eto Italia dia ho fiarahabana antsika sy ho fiaraha-mifaly amintsika mankalaza izany androany dia ireto aseho eto ambany ireo sary mirakitra ny fankalazàna izany nandritra ny 10 taona izao (2004-2014). Tamin'ny taona 2008 no tsy nisy satria tsy mbola nahazo ambassadeur. Ny tamin'ny herintaona tsy nahazoana sary satria tsy nisy tany ny mpaka sarinay... moa ny tao amin'ny ambassade rahateo tsy nandefa sary.

 

2008

2008


Koa mirary fety sambatra ho antsika rehetra.

Ity blaogy ity araka ny nolazaiko ombieny ombieny dia toerana ahy manokana :-) filazako ny menomenoko, fifaliako, hatezerako, fideràko sy fitsikerako. Omena toerana ianao hamaliana eto ambany na himenomenonanao any amin'ny toeranao manokana ihany koa. 

Hevitra

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry