« | »

Mba tsy hitady ny very

Rehefa tsy mifanerasera amin'ny ankizy miteny malagasy ny zaza malagasy fa ny ray aman-dreniny sy ny olon-dehibe manodidina azy ihany no miteny malagasy miaraka aminy dia mihena be dia be ny voambolana ananany. Hafa mihitsy mantsy hoe samy ankizy dia voambolan'ny ankizy no henony dia mitombo tsikelikely izy. Mba tsy ho very izany ny teny malagasy ao amin'ny ankizy teraka taty an-dafy dia mila ampilomanosina ao anaty tontolon'ny ankizy malagasy izy. Tokony hisy fotoana maharitra hampiainana azy ny tontolon'ny ankizy malagasy ka na ny ray aman-dreny no midina ho ankizy mandritra io fotoana io na izy asaina mijery na mihaino sarimihetsika na feo misy resaky ny ankizy tena malagasy.

Ilay hoe ny ray amandreny no midina ho ankizy malagasy dia tsy midika akory hoe manao fibadabada rehefa miteny (izay miteraka fifangaroana voambolana indray) fa miezaka kosa maka sary antsaina hoe raha ankizy malagasy daholo no manodidina ny zaza iray dia inona no mba vetin-dresaky ry zareo, inona ny kilalao lalaoviny, inona no manaitaitra azy sns. Ny teny malagasy mantsy dia tsy voambolana sy fanabeazam-bohon-teny ihany fa kolontsaina manontolo mihitsy. 

Hevitra

iee rehefa mbola hatreo @ T4 any ho any dia mbola voasintona @ zay, fa rehefa manomboka misy mokon-doha @ zay annn.... aoka marina eeee.
Fa tsy ilay izy efa misy mokondoha ihany fa rehefa manomboka hitany hoe tsy mitovy amin'ny gasy petaka ny filanton'ny fiteniny (accent) dia manomboka sadaikatra izy (na misy na tsy misy mihomehy azy).
Izaho aloha mitsotra fa isan'ny nanome tsiny ireo ray aman-dreny manan-janaka tsy miteny gasy, fa ny tsapako dia arakarak'ilay zaza io aloha voalohany indrindra. Tsy azo ambanana basy ilay zaza hoe mitenena teny gasy koh. Ary raha misy olon-kafa somary manery azy hoe mitenena teny gasy indry fa raha tsy zany tsy valiako dia avelany eo ann, tsy raharahany na tsy hamaly azy aza ianao.
Betsaka ny antony mahatonga ilay "olana" fa tamiko aloha ny olana voalohany dia ny tsy fahafahako nitondra azy tany Madagasikara matetika. Tena ilaina lay ataon'ny vazaha hoe "bain linguistique".
Ny zavadehibe amiko fotsiny izao dia hoe voatahiry ao anaty lohany ao daholo ny teny gasy, ka raha tena voatery tsy hampiasa afa-tsy teny gasy izy indray andro noho ny antony tsy haiko, dia milamina ny saiko fa afaka hiteny io. Ary tsy azo ambakaina sy tsy azo ompaina io fa hainy hatramin'ny teny ratsy noheveriko tsy hainy - mdr (nefa zah tsy hoe mpiteny ratsy mankaiza fa mba rehefa manala azy @ akama isak'zay mahatsiaro fotsiny hihihihi)

Nampidirin'i ikalamako @ 09:07, 2015-06-18 [Valio]

Lasa verin'ilay mahafatifaty daholo ny resaka etsy ambony hihihi.

Nampidirin'i Pissoa @ 10:08, 2015-06-18 [Valio]

tena marina! ny zanako miteny gasy daholo izy 4 mianadahy rehefa miresaka (rehefa avy averina im polo hoe "miteny gasy ato antrano ô), fa vao milalao tonga dia mivadika teny frantsay : ahoana tokoa moa no itenenany ny hoe " Attaqueeez!!!" vrooom " départ, fonces, arrivée " amin ny teny gasy?

Nanandrana hevitra hafa indray hoe mijery vaovao amin ny teny malagasy eo am "internet", tsy haiko nareo fa hitako hoe tsy teny gasy ilay faheno mahazatra no ampiasain ny mpanao gazety ao amin ny fahitalavitra!

Raha misy rohy ahitana ankizy miteny gasy dia tena liana izahay!

Nampidirin'i rvk @ 13:05, 2015-06-18 [Valio]

tena marina! ny zanako miteny gasy daholo izy 4 mianadahy rehefa miresaka (rehefa avy averina im polo hoe "miteny gasy ato antrano ô), fa vao milalao tonga dia mivadika teny frantsay : ahoana tokoa moa no itenenany ny hoe " Attaqueeez!!!" vrooom " départ, fonces, arrivée " amin ny teny gasy?

Nanandrana hevitra hafa indray hoe mijery vaovao amin ny teny malagasy eo am "internet", tsy haiko nareo fa hitako hoe tsy teny gasy ilay faheno mahazatra no ampiasain ny mpanao gazety ao amin ny fahitalavitra!

Raha misy rohy ahitana ankizy miteny gasy dia tena liana izahay!

Nampidirin'i rvk @ 17:33, 2015-06-18 [Valio]
Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2018 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry