Fiomanana noely 2020

2020-12-12 @ 10:00 in Izaho sy ny ahy, Fiaraha-monina

Ny firariana dia hoe hijanona ho fahatsiarovana ity taona 2020 anisan'ny nanahirana an'izao tontolo izao ity. Tamin'ny herintaona tahaka izao tokoa dia tsy nisy nieritreritra hoe ho tahaka izao ny fiafaran'ity taona 2020 izay nolazaina hoe 20/20 ity. Ravan'ny COVID19 ny ankamaroan'ny tetikasa rehetra. Betsaka ny lasa tsy an'asa. Fa anisan'ny mampalahelo dia tsy voafehy ilay fiparitahan'ny valan'aretina ka na ny fetin'ny faran'ny taona aza dia tsizarizary.

Tsy dia tena ifanomezantsiny nefa na izany aza dia tsara ihany tsiahivina ho anatra ho an'ny sisa (sy ho an'ny hafa) fa ny tsy fitandremantenan'ny tsirairay no mahatonga an'izao fitarazohan'ny valan'aretina izao. Ady be mihitsy vao mahavita mandresy lahatra ny tsirairay hoe mampiasà masques, tandremo ny fifaneraserana, manasà tanana matetika sns. Nandritra ny vakansy jolay sy aogositra dia tahaka ny hoe tsy nisy valan'aretina atahorana na dia naverimberina foana aza hoe tsy mbola tapitra ny fifindran'ny aretina. Toa izay miteny foana no diso. Tsy eo no ho eo koa moa ilay fahavoazana dia tsy tsapan'ny tsy tonga saina. Raha ohatra ka hoe vao tsy mitandrina tonga dia mikohaka, mety ho betsaka ihany no nitandrina.

Jereo anefa ny any Chine amin'izao, tany no nipoiran'ny aretina kanefa amin'izao tsy nisy deuxième vague tany. Satria mafy be mihitsy ny fepetra noraisin'izy ireo tamin'ny fiarovana.

Ny hany azo atao dia ny manaiky izay fepetra mitranga eo. Misy fanantenana kely koa noho ny fisian'ny vakisiny kanefa izao dia efa betsaka sahady indray no miezaka manohitra. Fikafika fotsiny hono ny vaksiny e, resaka politika e. Ny sasany aza moa dia mieritreritra hoe misy fifandraisany ny 5G sy ny vakisiny.

Ny fepetra noraisin'ny fanjakana frantsay izany amin'izao noely izao dia ny couvre-feu manomboka amin'ny 20h hatramin'ny 6h, ka tsy hisy indra fo ho an'izay tratra. Mbola betsaka koa ny toerana mihidy ho fitsinjovana ny fivezivezena sy fifampikasohana. Dia miandry ny fivorany.

 

Fanabeazana diso tarigetra

2019-04-13 @ 12:38 in Fiaraha-monina

Sary roa nanamarika iny herinandro iny eo amin’ny lafiny ara-piaraha-monina teto Madagasikara ireo napetrako ireo. Ny sary voalohany dia mametraka ny hevitra niseho tao amin’ny rindrin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, izay toa efa nofafainy taorian’ny resaky ny olona, mikasika indrindra ny fomba fitafy ho an’ny vehivavy. Ny sary faharoa kosa dia mikasika tovovavy kely iray vao 9 taona monja nisy nanolana. Araka ny resaka dia hoe nandeha nandihy alina niaraka tamin’ny namany izy izao nisy nanolana izao.

Ny fifandraisan’ireo sary roa ireo dia ny fahitana amin’ny ankapobeny ny toe-tsaina manomboka voizina na efa mipaka anaty mihitsy aza ao Madagasikara. Tsy ny tompon-keloka intsony no melohina fa ny nahatonga ny tompon-keloka nanao ny heloka. Ny ao amin’ny ministeran’ny fanabeazana dia manainga ny raiamandrenin’ny tovovavy hanabe azy ireo hitondra fitafy maotina satria hono izany no hampihena ny filan-dratsin’ny lehilahy. Hadisoan’ny ray amandreny na ny tovovavy indray izany raha toa ka iharan’ny filan-dratsin’ny lehilahy izy ireo. Toa alàna tsiny avy hatrany ny filan-dratsy. Toa tafapaka avy hatrany amin’ny toe-tsain’ny ankamaroan’ireo nanome hevitra mikasika ilay tovovavy kely nisy nanolana sahady izany. Ny renin’ity tovovavy kely ity indray no tena nahazo tsiny satria toa noho ny nataony no naha voaolana ny zanany. Zazavavy kely vao 9 taona ve dia alefa handiny amin’ny alina. Toa alàna tsiny ilay lehilahy nanolana.

Diso lasibatra tanteraka ny toe-tsaina tahaka izany raha tohizana. Marina fa amporisihina ny olona hanao fitafy maotina, tsara, ary tenenina ny ray aman-dreny hitaiza tsara ny zanany, fa tsy tokony hanala tsiny ireo mpanao ratsy izany. Raha misy ny tokony mila fanabeazana na famaizana dia ireo mpanao ratsy na ireo mirona tsikelikely amin’ny fanaovan-dratsy.

Diso foana ny lehilahy mpanolana, ka tokony hofaizina, na inona na inona ny akanjo anaovan’ny vehivavy.

 

Ny hevitro momba ity Francophonie ity

2016-11-16 @ 10:53 in Fiaraha-monina

Nohazavaiko nandritra ny 3 minitra tao amin'ity video ity ny hevitro momba ny Francophonie izay hatao ato ho ato. Betsaka tsinona ireo hevitra misavorovoro mikasika azy ity, misy ny mankasitraka, misy ny  mitsipaka sy mitady hisakana mihitsy.

Tokony hararaotina ihany ny fanamboarana sy fanadiovana ary fanatsaràna tahaka izao dieny mbola manao ny fanjakàna. Satria raha mbola izao politika izao dia tsy hisy intsony indray ny fanamboarana raha tsy any aoriana be any. 

Araka ny vaovao voaray, ny antony tsy hianaran'ny mpianatra dia ny mba hahafahan'ny  mpampianatra azy ireo mitsidika eny amin'ny tananan'ny Francophonie ihany koa.

 

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus

Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo
hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.

Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana.
Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.

Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.

Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :

- Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza.
Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary

tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

- Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny
teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.

Satria tsy ho vita anaty Telo Minitra ny miresaka ny antsipirihan’ny momba ny fikambanana dia azonareo atao tsara ny mitsidika ny tranokalany : www.mademada.org na ny pejy facebook “Maison des Enfants Onlus” (https://www.facebook.com/maisonsdesenfantsonlus/?fref=ts)

Marihina fa ireo sary nampirantiana tao dia sangan’asan’i Ny Aina (Ny Aina Andriamampianina)

 

 

Ny hevitro momba ny fiaraha-miasa Sinoa ao Madagasikara

2016-10-23 @ 05:46 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Hita amin'ny vaovao sy amin'ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin'ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit'asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin'ny fambolena sy fiompiana koa.

Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.

Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?

Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.

  • Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
  • Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
  • Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
  • Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?

Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.

 

Indro ny horonantsary 

Education for Madagascar tao amin'ny serasera 3 min

2016-10-19 @ 22:24 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Nanam-bahiny aho tao amin'ny serasera 3 min androany, izany rahateo moa ny serasera 3 minitra, resadresaka mikasika ny zavatra mahaliana ahy sy tiako zaraina amin'ny hafa amin'ny video. Naseho tao izany Ramatoa Jackie Randriantsoa filohan'ny fikambanana Education for Madagascar.

Ny Education for Madagascar dia fikambanana mikarakara mikasika indrindra ny fanabeazana. Eny Ambohibe ilafy eny no foibeny. Tamin’ny 2010 izy ireo no nanomboka ary ankizy 20 no nobeaziny tamin’izany, amin’izao dia efa mahatratra 50 izany ary tsy mitsahatra mitombo ireo mangataka hiditra. Efa mahatratra 750 any. Dia izany indrindra no nahatonga andry zareo hanorina ity fikambanana ity mba hahafahana mandritra ny fitantanana sy mangataka ihany koa fanampiana avy amin’ny malala-tanana.
Marihina fa tsy miankina sy tsy mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana ity fikambanana ity fa dia miantehitra tanteraka amin’ny fanampian’ny malala-tanana sy ireo tsara sitra-po izay manampy rehefa misy ny ilàna azy.
Araka izany dia ny fanabeazana ny ankizy, izay eo amin’ny 13 taona eo ny salan-taonany, no tena sahanin’ity Fikambanana ity. Eo amin’ny taona maha-sarotra ny fanabeazana indrindra. Ka ezahina ny hanome azy ireo araka izay tratra, ny karazam-panabeazana sy fampianarana mba tsy hampibirioka azy. Anisan’izany ohatra ny fampianarana teny vahiny amin’ny alalan’ny internet. Ny fampianarana mamaky teny ihany koa. Ary tsy very lanja ihany koa ny zava-kanto toa ny fampianarana hosodoko, mozika, dihy ary fikarakarana zaridaina.
Ny andinindininy rehetra moa araka ny voalaza teo dia ao amin’ny takelaka educationsformadagascar.org no hahitantsika azy.

 

Indro ny fandaharana:

Nahoana no dorana ny JIRAMA

2016-10-17 @ 07:55 in Fiaraha-monina, Serasera 3 minitra

Mampalahelo ihany ny vaovao niseho androany hoe nodoran'ny vahoaka ny JIRAMA ao Farafangana. Mila vahaolana malaky ny tahaka izao mba tsy hiparitaka ho zary vahaolana ho an'ny rehetra. 

Voalohany indrindra aloha dia hatezerana fa tsy fisainana no nentin'ny olona nandoro JIRAMA tao Farafangana. Rehefa mafy loatra tokoa ny fijaliana manjo ny olona iray dia mahavita zavatra tsy am-pisainana izy. Ny mahatonga ny olona ho tezitra dia ny tsy fisian'ny fangaraharana sy fifampiresahana. Azo atao tsara ny manazava ny sain'ny olona amin'ny mangarahara hoe inona ny olana ary rahoviana no hivaha. Ahoana tokoa moa no hinoana hoe misy ny olana raha ohatra ka ny sasany ihany no mijaly fa ny hafa miha manana foana? 

Indro velabelariko mandritra ny 3 minitra amin'ity vlog ity izany.

Delestazy sy ampoule

2016-10-15 @ 07:26 in Fiaraha-monina

Nanapa-kevitra aho hoe atao 3 minitra ny vlog fanaoko isanandro. Tena ezahina fa tsy atao tahaka any an'ilay rangahy iray iry nanao fampanantenan'ny mpisotro toaka hoe 3 volana nefa hatramin'izao tsy hita ihany... resaka delestazy io :-)

Fa miresaka delestazy ihany. Mijaly tokoa ny olona hatramin'izay efa firy taona izao nefa mbola tsisy varany ihany ity delestazy ity. Isaorana aloha ireo mitady vahaolana n'aiza n'aiza atolotra ny Gasy. Saingy misy ihany koa ireo mpanararaotra. Vao hita tsy ela tamin'ny Facebook izao ilay ampoule lazaina fa tsofina dia mandeha, tsy mila angovo intsony. Dia misy koa hoe mandeha amin'ny rano. Dia izay no velabelariko amin'ity video ity.

Arolozan'ny fifamoivoizana - Inona no hatao

2016-04-29 @ 19:31 in Fiaraha-monina

Vao hitako nanoratra atsy ambadika atsy i Jentilisa mikasika ny mety hatao mikasika ity lozam-pifamoivoizana mitranga matetika ao Madagasikara ity. Tohina mihitsy moa ny fo tamin'ny zavatra niseho androany fa toa efa halohalika ny ranom-bary. Tsy afaka hiandry fanjakana isika, be izay efa tsy nataony izay koa samia mitady hevitra hiarovana ny aina. Sosokevitra iray izay ampiharin'ny olona amin'ny firenena sasany no arosoko. Fehezina amin'ny hoe "ny mpandeha" (ny mpanjifa) no tokony ho tompom-pahefana.

Ny mpandeha dia mandoa vola fa tsy entina maimaim-poana. Ary efa vidina lafo mihitsy ny fitaterana amin'izao fotoana izao raha miohatra amin'ny fidiram-bolan'ny tsirairay. Koa tahaka ny varotra rehetra dia izay tsara sy  hitanao mahasoa no vidina. Inona no mifandrindra amin'izany resaka tolotra sy tinady izany eo amin'ny fitaterana:

- Anontaniana mialoha ilay mpamily raha handeha mafy izy na tsia, indrindra ho an'ny taxi-brousse mandeha lavitra. Azavaina aminy mihitsy fa raha handeha mafy izy dia aleo hifidy taxi-brousse iray hafa izay vonona hanaja lalàna. Tokony ho azo atao izany satria ifandrotehana ny mpandeha rehefa eo amin'ny Stationnement.

- Raha vao manomboka mandeha mafimafy mihoatra ny tokony ho izy ny mpamily dia tenenina avy hatrany. Afaka mangataka ny hijanona mihitsy na miantso zandary amin'ny antso an-taroby. Fa tsy hoe faly rehefa mandeha mafimafy ny mpamily. 

- Tsy avelavela fotsiny amin'izao raha nisy ny tsy fanarahan-dalàna teny an-dalana (mpamily nandeha mafy sns) fa resahina avy hatrany amin'ny mpitandro filaminana rehefa tonga.

- Ampitampitaina amin'ny hafa amin'ny fomba samihafa (groupe F.E.M eo amin'ny facebook na fitaovana hafa) ireo fiara, mpamily, kaoperativa izay tsy manara-dalàna toy ny mpamily mifoka sigara, mandeha mafy, sns.

Inoako fa raha samy mandray ny andraikiny ny mpandeha tsirairay dia mety hisy ihany ny aina ho voavonjy. Dia andao hiara-mitady vahaolana mandra-pahatongan'ny fitondrana saina.

 

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina

2015-06-19 @ 08:07 in Politika, Fiaraha-monina

N'aiza n'aiza, amin'ny firenena misy demokrasia dia manana zo hitokona ny mpiasa. Ny mifanohitra amin'izany dia fambara ho an'ny firenena misy jadona. Eken'ny lalàna soa amantsara ny fitokonana manara-pitsipika. Eny, hatramin'ny fitokonana heverina ho tsy manara-dalàna aza dia toa mbola eken'ny lalàna ihany. Anisan'izany ny fitokonana tsy misy ilay fetran'ny asa farafahakeliny (service minimun), ny fitokonana tsy misy daty fiafarany. Ny mpanamory tao amin'ny Air France, ohatra, dia nanao fitokonana tsy misy fetra mandra-pahazony izay notadiaviny.

Amin'izao fotoana fitokanan'ny mpiasan'ny Air Madagascar izao dia tena ao anaty fitsipika sy zo mifehy ny mpiasa tokoa ry zareo. Zo fototra ho an'ireo sindikan'ny mpiasa izay mahatsapa ny tsy mety ny migrevy ary tsy voatery hisy fetrany izany satria miankina tanteraka amin'ny feon'ny fieritreretany ny hanaovany ny asa farafahakeliny na ny halavan'ny fitokonana. Saingy... saingy... saingy...

Ny fitokonana dia natao ho an'ny olona misaina. Izany hoe misaina ny mpitokona ary misaina koa ny olona itakiana ny zavatra, izany hoe ny fanjakana izany amin'ity trangan'ny Air Madagascar ity. Ny mpitokona misaina dia mahita hoe hatraiza no fetran'ny tokony hitokonana ka hanimba ny hoaviny... satria fijerena ny hoavy no antony hitokonana. Ary ny fanjakana koa raha misaina dia mahita hoe hatraiza no tokony mila mandray andraikitra sao hanimba ny hoaviny. Fa amin'izao fotoana izao dia vondrona roa samy tsy misaina no idiran'ny fitokonana ka ny azo antoka dia samy ho very fihinanana ireo.

Ny mpitokona ao amin'ny Air Madagascar dia mahatsapa fa raha tsy mihodina tanteraka ny orinasa dia ho fatiantoka tanteraka. Ka na tsy amin'izao fotoana izao aza dia hisy fiantraikany (amin'ny fomba ara-dalàna) ho an'ny mpiasa tsirairay. Tsy ho gaga mihitsy isika raha hisy ny fandroahana teknika rehefa milamindamina ny raharaha, tahaka izay nahazo ny tany Ambatovy farany teo. Fandroahana ara-dalàna satria misy antony voaporofo. Tsy adalan'ny mpitokona amin'ny toerana hafa ny manao izay sady hampiodina kely ihany ny orinasa tsy ho faty antoka. Mahatsapa izany izy ireo raha misaina.

Ny mpitondra koa dia tsy mahatsapa hoe mampidina be ny sary asehony ny fisian'ny fitokonana lavareny. Midika ho tsy fahafahana mamaha olana izany, ary midika indrindra indrindra tsy fahaiza-mitantana. Ankoatr'ireo olona voakasiky ny vokatry ny fitokonana mivantana, dia misy koa ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola izay miandry kendry tohana amin'izay hetsika hatao na tsy hataon'ny fanjakana hanalàna ny fitokisana aminy. Tsy adalan'ny fitondrana hafa ny manao famoizana tombotsoa sasany (sacrifice) mba hamahàna fitokonana lava reny... na dia hisy talé sy sekretera tsy maintsy hoesorina amin'ny toerany aza. Mahatsapa izany izy raha misaina.

Amin'izao fotoana izao dia miandry ny vokany sisa isika. Tsy vokatra fohiezaka izay mety hamaha olana vetivety fotsiny fa ny fiantraikan'izao krizy izao lavitrezaka eo amin'ny toekarena, ny fizahan-tany, ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny mihitsy.

 

Ny fetim-pirenena Malagasy eto Roma Italia

Update 27/06/2014 Araka ny vaovao vao tonga izao hariva izao dia maniry ny hihaona amin'ny Malagasy eto Roma ny filoham-pirenena ka niantso ny Malagasy ho tonga eny amin'ny masoivoho. 

Koa satria mbola amin'ny 5 jolay ny fankalazana ny fetim-pirenenay eto italia dia (andraso aloha, fa maninona no amin'ny 5 jolay ny anareo ny fetim-pirenena? Ok ok, aleo izany asiana resaka kely fa rehefa avy eo vao tohizana ny tena tiana holazaina :-) )

Fetim-pirenena Malagasy eto Italia

(Misokatra ny fonon-teny) (tohiny)

Fanarahan-dalàna ao Antananarivo

2014-06-19 @ 12:56 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Mafanafana fo indray ny ao Antananarivo renivohitra ao satria manomboka hentitra amin'ny fampiharana ny lalàna (efa nisy taloha na vao napetraka) ny ao am in'ny Kaominina. Nisesisesy mihitsy izy tato ho ato taorian'ny gaboraraky ny Tetezamita. Nanomboka tamin'ny fandrodànana trano, fandraràna fivarotana toaka amin'ny ora sasany, fandroahana ny mpivaro-tena tsy ampy taona, fanadiovana ny mpivarotra amoron-dalana, ny fanamboarana ny laharan'ny fiara sns. Mahafinaritra aloha ny mahita ny fanarahan-dalàna tahaka izao saingy misy tsetsatsetsa tsy aritra roa.

Antananarivo

 (tohiny)

Fiantsoana any Madagasikara lasa lafo be?

2014-06-17 @ 08:42 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Teo alohaloha teo rehefa miantso an-taroby mandeha any Madagasikara dia ny skype no nampiasaiko na dia somary lafo noho ny tolotra sasany aza satria tamin'izany dia teo amin'ny 0,33 EUR eo ny 1 minitra. Fa tamin'ny fetin'ny reny teo dia niantso nampiasa skype indray dia akory ny hagagàna fa tapaka sahady ilay izy nefa tsy mbola niresaka firy akory. Niverina nijery ny tarif aho vao tonga saina fa nisondrotra avo telo heny ny saran'ny fiantsoana amin'ny skype any Madagasikara. Ary ny mahagaga dia tsy ny skype ihany no nisondrotra fa ireo mpifanandrina aminy hafa. Niezaka nijery ireo fampiasa hatr'izay ary aho ka dia ireto hozaraina aminareo ireto hoe iza no mora indrindra. Raha manana hafa moa dia ilazalazao. Alahatro avy amin'ny mora indrindra.

1. Rebtel

Ny Rebtel no hitako mora indrindra amin'izao fotoana izao satria dia 0,34 EUR /min no aloanao raha hiantso any Madagasikara. Ary raha mampiasa ity rohy ity ianao dia hahazo fihenam-bidy ary maimaim-poana ny antso voalohany http://reb.tl/1vyszmS

Rebtel

Marihina fa misy application amin'ny finday koa io rebtel io.

 (tohiny)

Malagasy voafitaka

2014-03-14 @ 16:12 in Fiaraha-monina

Tandremo sao voafitaka ianao fa heno izao fa efa Malagasy maro no voafitaka tsy misy indrafo, lehilahy no ankamaroany, ary rehefa tratrany dia mijafajafa mihitsy. Tsy Malagasy ihany fa ny vazaha koa indrindra indrindra. Amin'ny voalohany aloha ianao ampisehoany zavatra mbola tsy hitanao mihitsy toa tena mahaliana kay fitaka... (Teny fampidirana fotsiny io mba hiseho eo amin'ilay teny famintinana any amin'ny facebook)

Fitaka voalohany.  (tohiny)

Sigaretta Elettronica

2013-04-15 @ 17:54 in Eritreritra mandalo, Fiaraha-monina

Fampidirana kely tsy misy idirany mihitsy. Samy naheno ny vaovao politika omaly hariva avy any Afrika Atsimo ny ankamaroan'ny Malagasy. Nipoaka be ilay vaovao ho an'ny sasany, tsy nampoizina ho an'ny hafa, fa maro koa no efa nanampo. Lalao Ravalomanana izany no natolotry ny vadiny hirotsaka ho fidina ho filoham-pirenena amin'ny fifidianana manaraka izay mbola tsy tena fantatra hoe rahoviana. Politika avo lenta indray io ka tsy idirako lalina fa na izany na tsy izany dia mahafaly ahy rehefa vehivavy na iza na iza no sahy mijoro. Miandry mafy an'i Onitiana Realy koa ny tenanay ankoatra an'i Brigitte Rasamoelina sy SGR dia ho hita izay tena vehivavy nosoran-dreniny menaka. Maninona moa raha tonga dia hoe amin'ny fifidianana manaraka tsy mahazo milatsaka hofidina ny lehilahy e? :-)

 (tohiny)

Namono olona ny JIRAMA ?

2013-04-12 @ 09:04 in Vaovao, Fiaraha-monina

Trano may tao Toamasina

Fampidirana kely an'ity vaovao mampalahelo holazaiko ity. Vao omaly mihitsy aho no nilaza tao amin'ny twitter hoe raha tany amin'ny toerana hafa (na firenena hafa) no nisy an'izao zava-mitranga ataon'ny JIRAMA ao Toamasina izao dia ho lasa JIRAMAY io. Androany maraina dia indrisy fa tsy ny Jirama no may fa olona tsy manan-tsiny. Tsy rariny ary tena tsy rariny mihitsy ny fisian'ny tanàna lehibe toa an'i Toamasina no zara raha misy jiro ao anatin'ny 24 ora, ary maharitra andro maromaro. Simba na ny fifandraisana, na ny fitehirizan-tsakafo, na ny tsena, sns. Ingahy Rolland Ratsiraka moa no kandidà avy ao izay efa nahatafiditra ny filatsahan-kofidina any amin'ny CES koa tokony izy no korontanina voalohany satria dia tsy hisy hifidy azy ny zanak'i Toamasina raha izao no tsy voalamina. (tohiny)

Distance de sécurité

Fampidirana lava be :-) Ohatry ny efa mahazatra ahy ilay manao fampidirana lavalava alohan'ny tena resaka. Sady coup de gueule ihany koa indraindray. Ka alohan'ny hilazako ny tena foto-dresaky ny distance de sécurité tiako lazaina dia hiresaka ny tena distance de sécurité aho Tongue out. Misoratra tsara ao anaty lalàm-pifamoivoizana ny fanajàna ny distance de sécurité, izay fitazomana ny elanelana misy eo aminao sy ny fiara eo alohanao mba tsy hisy ny loza raha sendra mijanona na tafajanona tampoka izy. Ny formula ampiasaina dia ilay atao hoe "5/9". Izany hoe ny hafainganam-pandehanao ampitomboina 5/9 no tokony ho elanelana eo aminao sy ny fiara eo aloha. Raha mandeha 100km/h ianao dia tokony ho 100 x 5 / 9 = 55,5m eo ny elanelana. Ny olana sady faran'izay mandreraka eto Italia dia raha vao manaja an'io elanelana io ianao dia mety tsy hihetsika intsony mihitsy ny fiara. Satria tonga dia songonan'ny olona avy hatrany, dia voatery mihemotra ianao hanaja ny elanelanao amin'ilay vao nisongona, dia misy misongona hafa indray. Raha vao misy elanelana kely hidiran'ny fiara fotsiny eo alohanao dia tonga ny mpisongona na dia samy mandeha mafy izao ihany aza.  (tohiny)

8 mars et inégalité

2013-03-08 @ 08:57 in Fiaraha-monina

Ceci est un article que j'ai écrit en 2006 dans un autre blog. Je vais le reproduire ici parce que rien n'est changé en 6 ans.

Je ne sais pas pourquoi les femmes sont fières de maintenir ce jour de 8 mars une journée pour les femmes. Ne sont-elles pas conscientes qu’en célébrant cette journée comme journée particulière, elles s’éloignent de plus en plus de leur idéal sur l’égalité de sexe… l’égalité au travail, l’égalité pour l’engagement des femmes en politique etc? Je préfèrerais qu’elles disent qu’elles n’ont pas besoin d’une journée particulière pour lutter. Qu’elles doivent lutter 365jours/ an… et que comme les hommes, elles ont droit au repos journalier, au repas quotidien, au travail… et tout cela tous les jours.


Dahalo dahalo

2012-09-07 @ 19:52 in Politika, Fiaraha-monina

Samy nahita an'ireny sary mandratra maso sy fo nipaaritaka etsy sy eroa ireny Agaamba ny Gasy manana internet. Sary mampiseho olona vitsivitsy mitsirara, efa tsy misy aina intsony, novonoin'ny fokonolona satria hono dahalo. Nafatotra tamin'ny bao toa tsy misy lanjany sy tsy misy hasiny amin'ny maha olona azy.

Raha ny tena izy aloha dia tsy tokony hiseho ireny sary ireny. Rahefa mampiseho sary misy olona maty amin'ny sehatra azon'ny rehetra jerena dia tokony hafenina sy takonana hatrany ny endrika sy ny ratra mba tsy hanohina ny mpamaky sy ho fanajana ny momba ilay maty.

Voaporofo ihany taty aoriana fa tena dahalo ireo novonoina ireo araka ny fitantarana ny zava-misy nataon'i Vola Rotsy, tovovavy kely vao 14 taona monja, anisaan'ireo dahalo nanafika.

Sazy henjana indrindra no nanjo ireto dahalo satria fanamelohana ho faty avy hatrany tsy nandalo fitsarana. Tsy afaka niaro tena na farafaharatsiny nanazava ny antony akory. Fa fahavoazana ho an'ny fokonolona ihany koa satria tsy afaka nanao fanadihadiana tsara akory ny fanjakana mba hahafahana misambotra ny dahalo hafa. Ny maty hono mantsy tsy miteny. Ka mbola mety hisy dahalo hafa ho tonga hanafika azy indray. Mety hanao valifaty mahery vaika koa ny dahalo ka tsy haharo tena intsony ny Fokonolona. Fihetsika tsy voahevitra ihany izany ireny nitranga ireny ka anjaran'ny tsirairay no misoroka azy tsy hiverina intsony.

Fa ny toe-javatra toa ireny matetika dia taratry ny fanjakana tsy milamina. Tadidiko ny fotoanan'ny 1991 izay nisian'ny fitsaram-bahoaka be tao Antananarivo. Tsy azo nitokisana intsony ny polisy sy ny zandary ka raha vao misy olona tratra mangarom-paosy fotsiny dia avy hatrany dia doran'ny olona. Tsy azo natao mihitsy tamin'izany ny mihazakazaka sao misy manao antsoantso dia enjehin'ny olona. Dia izany koa no atahorana hitranga, tondro molotra dia mety hahafaty. Ka na tena dahalo na tsy dahalo fa misy mpankahala dia tsy handalo fanadihadiana sy tsy ho afaka hiaro tena akory.

Asa rahoviana vao hilamina.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry