Nampihomehy ahy ny zavatra nitranga androany. Efa hitako matetika fa ny ankamaroan'ny tononkira mitranga ao amin'ny GasyKaManja dia notrohana avy ao amin'ny tononkira.serasera.org avokoa. Tsy tompon'ny hira aho ka nikimpiako. Ny nanaitra dia mahasahy mampidi-bola betsaka ry zareo amin'ny resaka tononkira (misy publicités Google betsaka sy manelingelina), nefa na izaho aza tsy dia tena mahasahy manararaotra manao azy io ho fivelomana. Fa ny mampihomehy ahy sy mahakamo ahy dia ny ahita hoe dika-petaka be fahatany ilay izy, ka voadika hatramin'ny zavatra diso. Raha mba mitady tononkira izany ny olona, dia tononkira diso no hitany amin'ny site roa satria ilay efa diso taty amin'ny tononkira.serasera.org no notrohina nentina tatsy ampita.
Nitranga izao izany androany tamin'ny hiran'i Ndondolah sy Tahiry hoe Tojo namana. Nampidirina tamin'ny taona 2009 tao amin'ny tononkira.serasera.org nisy diso.
Dia iny koa no mipetraka ao amin'ny GasyKaManja.
Dia raha mijery ny hira maro ao dia tahaka izany daholo. Tsy miova hatramin'ny faingo, elanelana, teboka. Satria angamba tsy dika petaka fotsiny fa tena notrohana ara-teknika mihitsy.
Dia izay ry zalahy no mahatonga ahy tsy mizara firy satria manjary ataonareo fitadiavam-bola indray ilay izy avy eo.
NB. Efa nahitsy ilay Tojo Namana an'i Ndondolah sy Tahiry fa ovay koa ny any aminareo ry GKM :-)
Mifangaroharo loatra sy mibosesika hevitra ny ao antsaina manaraka an'ity vaovao momba ny ady ao Ukraina ity. Io resaka io foana koa moa ny vaovao heno n'aiza n'aiza ka tototra mihitsy raha vao mpanaraka radiom-baovao tahaka ahy. Mino aho fa betsaka koa ireo hafa manara-baovao ka rariny raha samy manana ny zavatra henony ny tsirairay. Dia rehefa ady tahaka izao dia matetika misy ny manome rariny ny andaniny sy manome tsiny ny ankilany... dia misy koa ny mahasahy (satria amiko izany fahasahiana ihany) tsy maneho hevitra, na mody sarontsaromana amin'ny hoe "tsy momba ny atsy na ny aroa".
Araka ny heno izany dia nanapa-kevitra ny tsy hanameloka n'iza n'iza ny fitondrana malagasy. Manahy sao ho very ny fihinanana amin'ny Rosiana (sy ny Sinoa?) raha ohatra ka manameloka ny fananiham-bohitra ataon'izy ireo, nefa tsy sahy mijoro koa hoe manohana tanteraka an'i Rosiana satria mba menatra ihany. Dia aleo mialokaloka ao ambanin'ny hoe mifandray amin'ny firenena rehetra i Madagasikara. Fa angaha ny fanamelohana ny tsy rariny (satria mandika ny lalàna sy ny zo iraisam-pirenena) dia midika hoe tsy hifandray intsony mandrakizay? Ny firenena Eoropeana sy Amerikana izay manameloka ity fanafihana firenena manana ny fiandrianany ity dia mametraka fepetra foana hoe mandra-piovan'ny Rosiana hevitra ka hanajanonany ny fananiham-bohitra. Rehefa vita izany ny ady dia hilamina indray ny fifandraisana.
Na izany na tsy izany dia manana zo hiaro ny tombontsoany ireo mpitondra malagasy, efa izany rahateo no nataony hatramin'izay. Fa ny manorisory indraindray dia ireo mpanarak'efa sy mpisolelaka be fahatany. Izay tenenin'ny mpitondra dia tonga dia sori-dalan-kitan-kisoa avy hatrany ka hanina am-bolony. Tsy maneho hevitra mihitsy aloha - satria tsy manan-kevitra - fa miandry hoe ahoana ny hevitry ny volomboasary, dia rehefa mivoaka iny dia tsy misy fandinihana intsony. Dia avy eo lasa anisan'ireo manam-pahaizana momba ny ady iraisam-pirenena eo amin'ny Facebook.
Ho hita eo ihany ny tohiny e.
Photo by Dominik Sostmann on Unsplash
Mahagaga fa eto Madagasikara, andao atao hoe tato ho ato, dia misy hatrany ireo olona mieritreritra hoe tsy tokony hanao fankalazàna amin'ny 26 jiona, fetim-pirenena. Vao manomboka ny volana jiona dia efa misy ny adihevitra amin'ny tokony na tsia hametrahana ny sainam-pirenena isan-tokantrano. Ny antony apoitran'ireo izay manao izany matetika dia ny hoe tsy mbola mahaleo tena akory i Madagasikara. Mbola misy ireo sotrobe lava tango avy ataon'ireo mpanjanaka fahiny misalovana ny fanjakana.
Ny olana tokoa angamba dia tsy nampidirina na tsy tafiditra tsara ao antsain'ny Malagasy maro izany hevitry ny 26 jiona. Ny antsika tokoa mantsy, ny 26 jiona dia fankalazàna ny nahazoana fahaleovan-tena. Tsy hoe azo tamin-kery sy ady be anefa izany, tahaka ny hoe tsy mba nisasarana, satria nomena. Marina fa nisy ireo Malagasy niady mafy ho an'izany fahaleovan-tena izany tamin'ny 1947, fa tsy mba izy ireny no nankalazaina tamin'ny fanomezana ny fahaleovan-tena. Tsy nolazaina mihitsy hoe vokatry ny adin'izy ireny dia nahazo fahaleovan-tena isika... fa fanomezana tsotra izao. Ary fanomezana avy amin'ireo mpanjanaka ihany. Vokatr'izany dia saritsarim-pahaleovan-tena no niainana nandritra ny taona maro. Tsy nanamarika ny hambom-pon'ny Malagasy izany ilay andro nanomezana fahaleovan-tena, tsy tena midika fandresena.
Ny an'ny hafa mantsy, ohatra fotsiny ho an'ny Frantsay, ny andro 14 jolay ny azy dia tena vokatry ny ady mihitsy. Fankalazana ny nakàna ny Bastille. Izany hoe nisy zavatra niadiana dia azo. Tahaka izany koa ny an'ny Etazonia, fanambarana ny fahaleovan-tena taorian'ny ady natao... sy ireo firenena hafa maro.Koa angamba tsy omena tsiny ny Malagasy sasany raha toa ka tsy manaitra azy ity andro iray ity. Inona nefa ny andro mety azo hasolo azy? Andro nanamarika fahafahana? Sa mbola tsy afaka mihitsy ny Malagasy?
Na izany na tsy izany dia mirary fety mahafinaritra eo anivon'ny fianakaviana ho an'ireo izay manamarika izany. Indrindra mila manararaotra fety amin'izao fotoanan'ny krizy vokatry ny valan'aretina izao.
“Ho fisintonana mpijery fotsiny ity”. Izay no soratra voalohany nosoratako tamin’ilay video iray izay navoakako tao amin’ny Youtube hoe Rijade – Drako hely – censurée vao tsy ela akory izay, fa avy eo moa bedy satria hoe rehefa manao zavatra dia mba ataovy tsara. Marina fa nisy votoatiny tsara ny resaka fa teo ihany koa ilay hoe hisintona mpijery. Nisy vokany be tokoa satria tao anatin’ny 24 ora monja dia nahazo mpijery 6000. Sambany ny video nataoko vao nahazo mpitsidika tahaka izany ao anatin’ny iray andro. Na dia eritreretiko hoe mahaliana aza indraindray ny zavatra soratako dia sarotra mihitsy vao mahatratra mpijery 300 anatin’ny iray andro.
Dia niezaka nanao fampitahana aho hoe inona marina izany no tena be mpijery ? Toa ny zavatra heveriko fa maivamaivana, mitsingevangevana, indray no be mpijery noho ny zavatra heveriko hoe mavesa-danja ? Toa ny resaka kidaladala, kiadiady, kilalaolao, no manintona ny olona kokoa noho ny resaka dinidinika ara-kolotsaina, fampitàna hevitra, fanabezana, fifampizaràna traikefa? Inona no antony?
Mbola te hahazo statistika manamarina ireo eritreritro ireo aho dia niezaka nitady ireo “chaînes” malagasy vitsivitsy malaza. Misy tokoa ny tena mahazo mpitsidika be isan’andro. Noezahiko nojerena amin’ny maso tsy miangatra ny votoatin’izy ireny, ankoatry ny hira izay tsy azo lavina fa be mpitsidika, tsy ho an’ny Malagasy ihany fa eran-tany, dia voamarina ny tombatombako. Ny “clash” no mahazo mpijery ambony kokoa noho ny “flash”. Ny zavatra mampiala voly, izany hoe mampihomehy, mampiresaka, mampifalifaly, mifosafosa, mifanenjinenjika, ny toa ireny no be mpijery kokoa noho ny fifampizaràna traik’efa, dinidinika politika, resaka haisoratra, resaka kolotsaina. Toa te hanao hitsin-dalana aho hoe izany tokoa ve no mahaliana kokoa?
Niezaka nitady ny antony aho dia misy vitsivitsy hitako:
- Fialam-boly ho an’ny Malagasy ny video. Tsy mbola tena fitaovana nentina hanabe na hampitomboana fahaizana loatra ny video fa mbola fialam-boly aloha, na fanalana azy hoy ny tanora. Izany hoe olona efa vizaka niasa, avy niady amin’ny fiainana no mitsotsotra mijery Youtube ka zavatra maivamaivana sy mahatsikaiky no tadiaviny.
- Tsy mahay manintona olona ny mpanao video. Raha efa fantatra ny salan-taonan’ny mpijery, ny karazan’olona mijery (lahy sa vavy sns), ny toerana misy ny mpijery (Madagasikara na andafy), dia tokony atao mifandraika amin’izay ny zavatra avoaka raha te hahazo mpijery.
- Tsy présentable ny mpanao video sasany. Hafa mihitsy ny hoe mpanao video vehivavy manja, tsara feo. Na dia tsy marina foana aza izany… ahoana izao i anona sondendandenda nefa be mpitsidika ihany?
- etc.
Dia inona izany ny vahaolana entiko raha te hanana mpitsidika betsaka? Alaim-panahy ihany aho hanao video maivamaivana ho fialam-boly. Kanefa mila mandanjalanja ihany koa hoe mpitsidika betsaka ve no tadiavina sa hampita hevitra. Ka ny marimaritra iraisana angamba dia hoe tazonina ho ankamaroany ihany ny votoatiny mahaliana fa indraindray, tena indraindray, asiana video fisintonana mpitsidika mba hahita ny votoatiny hafa ihany koa.
Ary inona no tena mahaliana anao io?
Rohy vitsivitsy: