Somary nanindrona ahy ny teny voalaza ao amin'ny baiboly izay hovakiana ho an'ny katolika eran-tany androany. Ah, mety misy tokoa ny tsy mahalala fa ho an'ny katolika Romana dia fombam-pivavahana iray ihany no iraisana eran-tany. Izany hoe mitovy avokoa ny teny ao amin'ny baiboly izay re eran'ny fiangonana androany. Ka androany dia ilay hoe "Omeo an'i Sezara izay an'i Sezara" (Jereo eto) no ho heno. (tohiny)
Raha mbola tsy hitanao ilay soratro hoe Getting personal dia jereo aloha alohan'ny hilazàna hoe "izany koa dia tantaraina amin'ny blaogy"... satria tafiditra ao anatin'io ity resaka ity. Fahotana ve ny mampiasa emule? ENY. Fa izany hoe amin'ny lafiny hafa mihitsy ny maha fahotana azy. (tohiny)
After what happened last week when I lost a server, I really didn't sleep the following night thinking if I should continue offering services to people keeping their data etc. (tohiny)
Manomboka betsaka ny misalasala eo anatrehan'ireo fitaovana isan-karazany atolotry ny internet. Fitaovana maro izay miezaka mampivoitra ny atao hoe "Social network" na azo adika tsotsotra hoe fiaraha-monina virtoaly. Hatraiza ny fetra? (tohiny)
Koa satria mety ho raraka ny Italiana dia ity angama no resaka Euro 2008 faram-parany hosoratako. Raha tafakatra tampoka dia mbola hanoratra ihany aho :-)
Ny zavatra mitranga amin'izao fotoana izao dia miandry famindram-po farafahakeliny roa ny Italiana vao tafakatra amin'ny dingana manaraka.
Avy any amin'ny Pays-bas aloha... Naverimberin'ny Italiana matetika mihitsy hoe tokony mba hilalao tsara ry zareo mandritra ny fihaonany amin'i Roumanie rahampitso. Fantatra mantsy fa raha vao resin'i Roumanie fotsiny ry zareo dia miara-mody Italia sy i Frantsa... Manan-jo tsara mihitsy anefa i Hollande mba hampilalao an'ireo mpilalao mpiandry, izany hoe mety tsy dia hahay loatra, satria ny mpilalao tena izy dia tehirizina hiatrehina ny dingan'ny ampahefa-dalana.
Avy amin'i La Frantsa indray... mila mandresy an'i La Frantsa koa i Italia raha te hanana fahafahana be be kokoa ho tafakatra. Ezahina voizina be mihitsy hoe resy ireo tamin'ny Mondial ka tokony ho resy koa amin'ity fihaonana ity.
Fa maniona moa nefa Italia raha tsy tafakatra e? Raha tena nahay dia tsy nila notsotsofina tahaka izao akory... Wait and see