Eto amin'ity blaogiko ity no hanehoako ihany koa ny fisaorako an'i Paraina Auguste izay ambassadeur (t)eto Italie nandritra izay efa-taona izay. Amin'ny maha mpiasam-panjaka azy moa, araka ny nolazainy, dia voatendry hiasa any amin'ny toeran-kafa indray izy. Tamin'ny fihaonana tamin'ny asabotsy teo, izay nankalazanay indrindra ny tsingerintaona nahaterahany, no nilazany izany vaovao izany. (tohiny)
Raha nisy ordinatera sy internet tamin'ny taonjato faha 4 dia angamba i St. Augustin no nahavita blaogy voalohany. I St. Augustin tokoa mantsy, ao amin'ilay boky hoe Les Confessions no anisan'ny nanao Auto-biographie voalohany indrindra. Boky mahaliana io Les Confessions io satria ahitana ny làlana izay nizoran'i St Augustin teo amin'ny fitadiavana an'Andriamanitra, jery todiky ny fiainany na ratsy na tsara, ary fiderana an'Andriamanitra noho ny zavatra niainany rehetra.
(tohiny)
Anisan'ny tia mamaky boky tantara ireny aho. I Mama aloha no tena mpamaky boky, nahavatra nividy sy nanakalo teny amin'ny tohatohabaton'Ambondrona mihitsy (SAS, Fleuve Noir, Series Noires, Agatha Christie sns.) dia gaga aho fa nisy fotoana izay nahavitany mamaky boky iray ao anatin'ny telo na roa andro. Nanontaniako azy hoe ahoana no fomba hitiavana mamaky boky tahaka izany... dia nasainy nanomboka tamin'ny boky teny gasy aloha aho. Ireny boky manify ireny aloha. Tsy tadidiko daholo ny ankamaroan'ny boky nanombohako fa anisan'izany ry "Lozoka HV" sns. Taty aoriana dia nisy series gasy izay efa nanomboka matevina izay (oadray izany fanadinoana) izay naharevo ahy. Boky maromaro izy fa olona iray ihany no tena acteur principal. Raha tsy diso aho dia misy an'izay Inspecteur Andry izay ary ny lehibeny dia antsoiny hoe Ingahirainy. Ny tena nahafinaritra ahy dia ilay tantara miseho amin'ny tanàna fantatro ao Antananarivo.
(tohiny)
Mi-ril be ny fotoana tamin'ity taona ity. Efa ho tapitra sahady ny telovolana voalohany. Ny nokasaina hatao 2007 nefa tsy mbola nanomboka akory. Efa mafana sahady ny andro. Izahay aza efa nihinana glasy sahady omaly (izaho no marimarina kokoa fa ny sasany efa henoko hoe naka avansy daholo).
(tohiny)
Manomboka mafanafana indray ny resaka Fivavahana sy Finoana ao amin'ny forum-n'ny serasera. Efa mifankahafantatra ihany ny mpi-forum hatramin'izay hoe iza no mino ary iza no tsy mino fa rehefa misy vaovao vao tonga dia avy hatrany dia tohina mahita fa misy mpikambana ao amin'ny serasera mahavita miteny hoe tsy mino an'Andriamanitra.
(tohiny)